Les actualités Malgaches du Dimanche 31 Mars 2019

Modifier la date
Madaplus.info0 partages

Mialy Seheno: styliste malgache de renom partenaire de la Nuit Blanche Madaplus le 13 avril prochain

Styliste de renom, femme engagée pour le développement et le rayonnement de Madagascar: Mialy Seheno sera à la Nuit Blanche Madaplus pour cette 12ème Edition.
Si d'habitude elle arpente les podiums internationaux, elle nous fait l'honneur pour cette 12e Edition de la Nuit Blanche de montrer son talent auprès de la diaspora en habillant les organisatrices et ses hôtesses.




Née à Antananarivo (Madagascar) au sein d’une famille d’artiste – un père poète et homme de théâtre, une mère enseignante reconnue de la littérature malgache, une sœur danseuse professionnelle - Mialy Seheno arrive en France en 1998 à l’âge de 22 ans pour suivre un cursus de stylisme/modélisme à SUPDEMOD Lyon. Une fois son diplôme en poche, elle enchaine à l’université Lumière Lyon 2 pour deux années en Lettres modernes et Arts du spectacle.
Convaincue du talent des malgaches, Mialy Seheno s'appuie naturellement sur les artisans du pays pour ses collections. Elle aime à répéter que "les malgaches n'ont rien à envier aux autres et doivent l'affirmer."
Visionnez la video suivante
L'Equipe Madaplus remercie Mialy Seheno pour ce partenariat et vous donne rdv le 13 avril pour mieux connaître cette artiste.
Plus d'infos sur Mialy Seheno, cliquez le lien suivant:
Plus d'infos sur la soirée Nuit Blanche Madaplus au 06 35 95 08 17 et en cliquant sur ce lien.
Ino Vaovao0 partages

TOAMASINA : Karàna iray mihevitra ny tenany ho ambonin’ny lalàna

Araka ny angom-baovao natao dia ady tany efa nandalo teny amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany sy nandalo teny amin’ny ambaratonga ambony tao amin’ny Fitsarana, Toamasina ity ifanolanana ity. Tamin’ireo ady roa nifanaovana ireo anefa, na tamin’iry voalohany na tamin’ity farany dia resy foana ity teratany karàna nifanolana tamin’ny boriborintany iray ao amin’ny kaomina Toamasina Renivohitra ity.

Taloha kelin’ny fifidianana Filoham-pirenena farany teo anefa, narodana tampoka tsy nisy fampilazana, tsy nisy taratasy fampahafantarana akory ny fotodrafitrasa efa niorina tao amin’ny boriboritanin’ Ambodimanga, kaominina Toamasina renivohitra. Talanjona ny rehetra nahita izany ka velom-panontaniana sy velon’ahiahy hoe alalana avy aiza no hahafahany mandrava fotodrafitrasa efa niorina eo amin’ny tany izay efa niakarana teny amin’ny Fitsarana sy naharesy ity karàna ity.

Tsy ity fibodoana tanin’olona ao amin’ny boriborintany iray ao Toamasina ity ihany no andrenesana ny anaran’ity Karàna ity raha ny nambaran’ny mponina any an-toerana. Malaza ho mpirehareha sy mpanjakazaka ihany koa izy ary betsaka ireo afera andrenesana ny anarany. Tsy takona afenina ary fantatry ny maro fa nisy tamin’ireo afera sasany nahavoasaringotra azy ireo no efa nandeha teny amin’ny Tribonaly ary ny sasany mbola handeha kanefa mahagaga, hoy hatrany ny mponina fa tsy misy tohiny sy  very an-javony  ary  “maty an-karanany” avokoa ny ankamaroan’izy ireny na dia efa niditra Fitsarana aza. Noho izany indrindra dia mihohoroho ny mponina ka manao anjo avo ny fitondram-panjakana mahefa hijery akaiky izao toe-javatra izao.

Ny Ami

Ino Vaovao0 partages

FITATERANA KATSEPY-MITSINJO : Terena hahazaka olona miisa 16 ny fiara tsy mataho-dalana iray

Noho izany dia betsaka ireo mpitatitra no mampijanona ny fiarany tsy hiasa fa manao fikojakojana. Misy ihany anefa ireo miezaka manome fahafaham-po ireo mpanjifa ka manohy ny asa.  Fiara tsy mataho-dalana Toyota sy Range Rover modely efa 25 taona mahery lasa no manao asa fitaterana eny. Mbola ahitana ihany koa fiara Unimog sy Saviem double pont. Fa ny tena mahagaga dia olona miisa 16 no tafiditra anatin’ireny fiara natao ho an’olona 5 ireny. Akisaka mandeha aloha ireo seza eo anoloana sy ampovoany dia asiana seza eo amin’ny fitoeran’entana. Ao amin’ny fitoeran’entana dia efa misy olona hatramin’ny valo. 

Ny sisa kosa eo amin’ny seza aloha sy ampovoany ary fitoeran’entana. Ny mpanampy ny mpamily kosa dia any amin’ny fitoeran’entana  any ambony no mipetraka. Miisa roa na telo izy ireo. 30 000 Ariary ny saran-dalana olona iray amin’ny asara. Ratsy dia ratsy ny lalana ka betsaka ny familian-dalana na déviation.  Tsy ampy hitondrana fiarakodia any amin’iny toerana iny ny fahazoan-dalana mamily fa ilàna fahaizana manokana izany. Betsaka ireo manana fiara tsy mataho-dalana raitra nefa dia raikitra, tavela anaty fotaka ka mitady vonjy amin’ireo mpamily efa za-dalana. Ankoatr’ireo mpandeha izany mankany Mitsinjo sy Soalala iny dia misy ihany koa mpizaha tany mankeny amin’ny phare, any Antrema, na any amin’ny NAP Mahavavy Kinkony. 

Mbola tavela tanteraka raha fampandrosoana no resahina amin’iny distrika iny. Misy faritra arovana roa lehibe ao dia Antrema sy Mahavavy Kinkony.  Ireo tompon’andraikitry ny parka no efa miara-miasa amin’ny GIZ mitondra asa fampandrosoana.  Ao ihany koa Ouest sucre ao Namakia. Anisan’ny vato misakana ny fampandrosoana ny haratsin’ny lalana. Araka ny nambaran’ireo mpamily moa dia matetika iray volana mialoha ny asara vao amboarina ny lalana ka tsy misy varany. Tamin’ity taona ity kosa dia manohy ny fanamboaran-dalana tsy vita tamin’ny herintaona ny orinasa manao izany ka mety mba ho vitavita aloha ny lalana

Vanessa

Ino Vaovao0 partages

FITSINJOVANA ARA-TSOSIALY : Manomboka ny fitsinjarana ny vary mora eto Antananarivo

Ny sabotsy lasa teo, nosantarina teny amin’ny Fokontany Andrainarivo ny fizaràna vary mora ho an’ny mponina teto an-drenivohitra. Tampoka ary tsy nampoizin’ireo mponina teny an-toerana ny fahatongavan’izany kanefa na izany aza vao tamin’ny 10 ora maraina dia voazara tanteraka ary samy nahazo ny anjarany avokoa ny tokantrano tsirairay. 

Araka ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana dia fer na ho telo kilao isan-tokantrano ihany no azo alaina, ary amin’ny kara-pokontany no ahafahana misitraka izany ka ireo olona tena sahirana no mahazo ny vary mora. Velom-bolo tanteraka ny mponina teny an-toerana, velom-pisaorana ny Filoha Andry Rajoelina sy ny fitondram-panjakana izay tarihiny ihany koa noho ny fihetsika feno fitsinjovana ny madinika izay asehon’izy ireo. Tsy dila tamin’ny fotoana nifanomezana tamin’ny vahoaka tokoa ny Filoha Andry Rajoelina. 

Nandritra ny fampielezan-kevitra dia nilaza izy fa ho avy tsy ho ela eto Madagasikara ny vary mora mba hitsinjovana ao anatin’ny hamehana ny sosialim-bahoaka. Telo volana, hoy izy tamin’izany, dia higadona eto Madagasikara ilay sambo lehibe hitondra ireo vary ireo. Afaka telo volana taty aoriana dia tonga ilay sambo ary izao hisitrahan’ny vahoaka Malagasy izao. Fanampiana vonjimaika ihany ny vary mora mba hoentina hitondra tolo-tanana ireo izay tena sahirana fa tsy maintsy hotratrarina kosa ny fahaleovan-tena ara-tsakafo ho an’i Madagasikara ka tsy hanafatra intsony isika fa mba hanondrana indray, araka ny nambaran’ny Filoha.

Avotra Isaorana

Ino Vaovao0 partages

ZANDARIMARIAM-PIRENENA : Hankalazaina rahampitso ny andron’ny Zandarimariam-pirenena malagasy

Etsy amin’ny tranombokim-pirenena, Anosy no hankalazana izany ho amin’ity taona 2019 ity ka ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny jeneraly Ravalomanana Richard sy ny kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena no hitarika izany.Raha iverenana ny tantara dia tamin’ny  02 avrily 1969 izany hoe 50 taona lasa izay no nandraisan’ny Malagasy voalohany ny fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena, tamin’ ny namindran’ny Filohan’ny repoblika Philibert Tsiranana ny faneva avy amin’ny Frantsay ho an’ny Lietna-kolonely Richard Ratsimandrava ary io indrindra no antony nisafidiana io daty io hankalazaina isan-taona nanomboka tamin’ny taona 2013 satria tsy tantaran’ny Zandarimariam-pirenena fotsiny no fonosinizany fa ny tantaram-pirenena mihitsy. 

"Zandarimaria madio, matianina, mahavita ny andraikiny, afaka miaro ny andrim-panjakana, ny olona ary ny fananany" no lohahevitra nofidiana ho amin’izany.Hiavaka ny fankalazana satria hisy ny fampiratiana mikasika ny tantaran’ny Zandarimariam-pirenena sy ireo asa aman’andraikiny sahaniny izay atao ao amin’ny “efitrano Dox.” Hisy ihany koa aorian’izany ny dinidinika arahina ady hevitra, hiresahana mahakasika ny lohahevitra manodidina ny tontolon’ny Zandarimariam-pirenena. 

Amin’ny telo ora ka hatramin’ ny efatra ora folakandro dia hiresaka mivantana ao amin’ny mpihaino ny Radio Nasionaly Malagasy manerana ny Nosy ireo tompon’andraikitra ambony mifehy ny zandarimaria ary azon’ny olom-pirenena rehetra atao ny mandray anjara mivantana manontany azy ireo izay mety hanitikitika azy amin’izany. Ny lahadinika amin’ity fandaharana ity dia ahompana amin’ny fandriam-pahalemana, ny ady amin’ny kolikoly, ny fandraisana andraikitra manoloana ireo fitarainana alefan’ny olona mikasika ny zandary mivaona amin’ny asany, ary ny fandraisana zandary vaovao. 

Hitohy amin’ny  04 avrily 2019 ny fampiratiana. Saingy ny  03 avrily 2019 dia mbola hisy ihany koa ny ny resadresaka hifanaovan’ireo tompon’andraikitra amin’ireo mpianatra avy amin’ny liseam-panjakana na tsy miankina ao amin’ny tranom-bokim-pirenena momba ny fidirana ho zandary.

Ny Ami

Ino Vaovao0 partages

ORINASA JIRAMA AO FENOARIVO ATSINANANA : Misy mpiasa miray tendro amin’ny jiolahy mamoaka solika

Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisim-pirenena no nahatratrarana azy ireo teo am-panaovana ny asa ratsiny. Telo lahy, mivondrona ao anaty tambazotra iray mpanao ity asa ratsy ity no noraisim-potsiny. Misy amin’izy ireo no mandray sy mivarotra ny halatra ary ao ihany koa ny manatanteraka ny halatra any amin’ny toby misy ny solika. “Mitohy ny ezaka hataon’ny polisim-pirenena amin’ny famongorana ny asa ratsy ny fampandriana fahalemana ny Faritra eto Analanjirofo. 

Misy ny torolalana avy any amin’ny fitondrana mahefa ary nohamafisina ny filaminana amin’ny alalan’ny fisafoana amin’ny alina. Nahazo vokatra ny polisim-pirenena ka tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ireo mpangalatra lasantsy tato amin’ny orinasa jirama”, hoy ny fanazavana noentin’ny kaomiseran’ny polisy. Tafiditra ho mpiray tsikombakomba ao anatin’ity halatra ity ny mpiasa iray eo anivon’ny orinasa jirama izay niray tsikombakomba tamin’ny famoahana ny solika. Tra-tehaka niaraka taminy ihany koa ny olona izay mpandray ny entana sy mivarotra izany rehefa natao ny famotorana. 

Nambaran’ny kaomiseran’ny polisy fa mbola tsy nahazo solika ireto olon-dratsy ireto fa teo am-piketrehana ny asa ratsy izao noraisim-potsiny izao. Mitohy ny ezaka amin’ny fampandriana fahalemana ny tanàna ary tsy handefitra amin’ireo mpanao ratsy izy ireo, hoy hatrany ireo mpitandro filaminana.

Avotra Isaorana

Ino Vaovao0 partages

FANAMBY NATAON’NY FILOHA : Vehivavy Malagasy miisa 46 niasa tany Koweït no tafody

Ny tolak’andron’ny sabotsy lasa teo manodidina ny tamin’ny 1 ora sy sasany no nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ireo delegasionina Malagasy avy any Koweit namita  iraka avy amin’ny Filoha, Andry Rajoelina. Asa notanterahin’izy ireo tany an-toerana ny fanaovana fifampiraharahana mba hanamorana ny hampodiana ireo vehivavy Malagasy nila ravinahitra any Koweit kanefa niharan’ny fampijaliana. Ireto farany izay nitaraina tamin’ny Filoham-pirenena rehefa nifampiresaka mivantana taminy. 

Fanapahan-kevitra no noraisin’ ny Filoha tamin’izany ny amin’ny fampodiana azy ireo faran’izay haingana. Tanteraka soa amantsara ny iraka nampanaovina ireo delegasionina nalefa tany Koweit. Nisy ny fihaonana isan-tsokajiny tamin’ ireo mpitondra ao amin’ity firenena ity. Vokatr’izany, ny 46 tamin’ireo vehivavy Malagasy niasa tany Koweit no tonga eto an-tanindrazana ary hiverina any amin’ny fianakavian’izy ireo tsirairay avy indray. Avy hatrany dia nandalo fizaham-pahasalamana izy 46 mirahavavy ireto. Ny 12 tamin’izy ireo no fantatra fa manana olana ara-pahasalamana. 

Roa tamin’ireo vehivavy ireo no nitondra vohoka vokatry ny fanolanana nihatra taminy, iray kosa nahita fikorontanana aran-tsaina goavana, telo niharan’ny fikorontanana teo amin’ny lafiny ara-batana, ny dimy nahitana olana teo amin’ny taovam-pisefoana ary iray kosa nahitana tsy fahampian-drà. Ireo amin’ny ankapobeny ny tsy fahatomombanana hita tamin’ireo vehivavy Malagasy niasa tany Koweit, araka ny fanazavana noentin’ny sekretera jeneraly eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Anisany nitsena fahatongavan’ireto delegasionina Malagasy avy any Koweit teny Ivato ny Minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Tianarivelo Razafimahefa. 

Nambarany fa ankoatra ny fandraisana an-tanana ny fampodiana azy ireo teto an-tanindrazana dia ny fanjakana ihany koa no hiantoka ny fampodiana azy ireo tsirairay avy any amin’ny tany niaviany avy. “Tsy mety amin’ny Filoham-pirenena,  izany hoe misy Malagasy iray rà aminy ka sahirana izany. Izay no antony nampodiana faran’izay haingana antsika eto an-tanindrazana. Aza manahy ianareo fa haterina any amin’ny toerana misy anareo tsirairay avy, misy ianareo avy any Mahajanga, misy avy any Andapa. Aterina ianareo ary horaisin’ny fanjakana manontolo ny andraikitra amin’izany”, hoy ny Minisitry ny Atitany raha nitafa tamin’izy ireo. Nomarihiny fa andiany voalohany ihany ity tonga ity, raha tsy misy ny fiovana ny talata ho avy izao no ho tonga ny andiany manaraka. 

Noraisin’ny Filoha Andry Rajoelina

Avy hatrany dia noraisin’ny Filoha Andry Rajoelina tetsy amin’ny lapan’Ambohitsorohitra izy 46 mirahavavy ireto. Nandritra izany no nifampiresahana ny olana nosedrain’izy ireo tany Koweit ary samy nilaza ny antony nahatonga azy hisafidy ny handeha hiasa any amin’ity firenena ity. Nitambaran’izy 46 mirahavavy fa noho ny tsy fisian’ny asa teto Madagasikara no nahatonga azy ireo hila ravinahitra any ivelany, ankoatra izay ny faniriana hahazo karama tsara kanefa tsy araka ny noeritreretina ny zava-niseho rehefa tonga tany an-toerana. Nisy tamin’izy ireo no efa tany Koweit efa nanomboka tamin’ny taona 2009. 

Ivon-toerana mikarakara mpiasa tsy ara-dalàna no nandefa azy ireo tany Koweit izay tsy ara-dalàna avokoa ny ankamaroany, raha ny fanazavana voaray. Nambaran’ny Filoham-pirenena fa fantany amin’ny antsipiriany ny zava-nanjo ireto teratany Malagasy niasa tany Koweit ireto. Izany, hoy izy, no antony nandraisany ny fanapahan-kevitra ary tsy ilaina teti-bolam-panjakana ny fampodiana azy ireo eto an-tanindrazana satria aina no hovonjena. Tsy mijanona amin’ny fampodiana azy ireo eto Madagasikara fotsiny ihany anefa ny andraikitra noraisin’ny fitondram-panjakana fa mbola hijery akaiky azy ireo amin’ny fanomezana asa ireto vehivavy ireto ny Filoham-pirenena, araka ny nambarany hatrany. Ankoatr’izay hojerena akaiky ihany koa ny famerenana azy ireo eny anivon’ny fiarahamonina. 

Avotra Isaorana

Ino Vaovao0 partages

FANDRIANA : Potiky ny havandra ny vary, olona an’arivony maro tsy manan-kohanina

Isan’ireo distrika mivelona amin’ny fambolem-bary ny any amin’iny Distrika iny nefa dia izao tsy manan-kohanina izao noho ity loza nanjo azy ireo ity. Mahatratra hatrany amin’ny 38 km ny velaran-tany ripaky ny havandra any an-toerana. Mitaintaina ny mponina satria iaraha-mahalala fa am-bolana maro vao miakatra ny voka-bary ary indray mandeha ao anatin’ny taona ihany no ahafahana mamboly izany. 

Tsy azo eritreretina rahateo ny hoe mponina any amin’ny faritra ambanivohitra lavitra tahaka an’i Soanakambana, tsy manana fidiram-bola hafa ankoatra ny fambolena sy fiompiana no hividy vary mandritra ny 12 volana be izao. Saika potiky ny havandra avokoa ny fokontany maromaro toa an’Antanambao Lavenona sy Ambondrona ary ny tanàna maromaro toa an’i Talaky sy Sahamiloakandro, Andohaogny ary Vohitrambo.Manomboka hatreo Agnalasora renivohitr’i Fisakana any amin’ny Faritr’ Amoron’i Mania izany ary saika ny antsasa-manilan’ny kaominina mihitsy no ravarava tamin’ izany. 

Tamin’ny alakamisy faha-24 marsa 2019 lasa teo no nisehoan’ity loza ity ary naharitra ora vitsivitsy mihitsy ny havandra vao nijanona ka rotidrotrika tanteraka tsy nisy azo noraisina intsony izay voly rehetra tandrifiny. Ny voly vary no tena nahitana fahavoazana betsaka indrindra tamin’ity toerana ity satria ao ankatoky ny taom-piotazana mihitsy amin’izao fotoana izao ny tantsaha any amin’ity kaominina ity no sendra izao loza voajanahary mahatsiravina izao. Ankoatra ny vary dia simba tanteraka koa ny fambolena hafa tahaka ny voankazo fihinam-boa sy ny voly avotra toy ny katsaka, sy ireo voamaina hafa.

“Mololo sisa, tsy nisy azo noraisina intsony ny voly nijoro teny an-tanimbary ary na ny mololo aza tapatapaka avokoa”, hoy hatrany ny Ben’ny tanàna, Rakotozafy Joséph, niantso vonjy sy  manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana mahefa hijery akaiky azy ireo. An’arivony hoy izy ny olona tsy manan-katokona ary tsy misy azon’ireo olona ireo isarangotana intsony ka ny fitondram-panjakana sisa no antenainay.

Ny Ami

Ino Vaovao0 partages

29 MARSA TAO TOAMASINA : Ajanony ny ady lahy politika, hoy ny filohan’ny Bekotro maro holatra

Taorian’izay vao nitanjozotra nihazo ny tsangambaton’ny Maherifo tao Tanambao I ny rehetra nanatitra ny fehezam-boninkazo. Nandritra ny lahateny nataon’ny filohan’ny Bekotro maro holatra Toamasina no nametrahany hafatra fa tsy ilaina eto amintsika intsony izany adilahy politika izany, fa izay mpitondra mahaiza mitondra amin’ny fanajana ny zon’ny hafa sy mitondra marina amin’ny fandrosoana, ireo mpanohitra kosa mahaiza manakiana sy manoro ny lalana tsara amin’ireo tsy mety ataon’ny mpitondra, ka ho tratra tokoa ny filamatra hoe “tolom-panafahana 29 mars 1947, taratry ny hambom-pom-pirenena, sy taratry ny fampandrosoana”. 

Ny préfen’i Toamasina kosa nanamafy izany sy nanolotra ny fanampiana vary 10 gony avy amin’ny fitondram-panjakana ho an’ireo Bekotro maro holatra izay efa 27 sisa ao Toamasina. Efa nodimandry ny 3 tamin’izy ireo naha-30 azy teo aloha. Ankilan’izay dia nanolotra fanampiana vary roa gony sy vola 100.000 Ariary ho azy ireo koa ny kandida depiote Mahavimbina Alain, raha nilaza hanolotra omby iray atao vato fototry ny fanatsarana ny tsangam-bato kosa ny avy amin’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina. 

Ankoatra izany dia niavaka ny fankalazana tamin’ity taona ity satria nampatsiahivina tamin’ny vahoaka ny tantaran’ny “Jeneraly” Be Paul, izay ny mpiara-mitolona aminy ihany no nanome ny anarany hoe “jeneraly” ity. Isan’ireo mpitolona tao Brickaville raha avy nahavita ny raharaha miaramila tany Frantsa taorian’ny nandefasana azy tany tamin’ny faha-16 taonany, sy niverenany an-tanindrazana ny taona 1946 tao anatin’ny grady Serza sefo, ary nanaovany fivarotan-kena taorian’ny nialany ny maha-miaramila frantsay azy intsony. 

Maty nisy namono i Be Paul. Izy izay olona tena natahoran’ny frantsay fatratra teto Madagasikara. Araka ny tantara hatrany dia efatra andro taorian’ny nahafatesany dia maty tao am-ponjan’ Ambalatavoahangy, izay fonja natokana ho an’ny zanatany, tamin’izany fotoana izany ny miaramila gasy nokaramain’ny Frantsay hamadika azy mba tsy hivoaka ny tsiambaratelo rehetra.

Kamy

Ino Vaovao0 partages

FANAKIANANA NY VOVONANA “IRD” : “Heverina ho misy ambadika politika”

Nambarany fa “heverina ho misy ambadika politika ny filazana izany fa tsy mifanaraka amin’ny lalàna”.  Tokony tsy misy olana mihitsy ny fampiasana ny anaran’ny Filoha ao anatin’io vovonana io ary manara-dalàna ihany koa izany, araka ny fanazavana nomeny. “Misy ny fanakianana mikasika ny vovonana mametraka ireo kandidà ho solombavambahoaka amin’ny anaran’ny Filoha Andry Rajoelina. Heverina ho tena tsy ara-dalàna izany kanefa raha ny andininy faha-49 ao anatin’ny lalàm-panorenana no jerena dia ny Filohan’ny Repoblika no tsy afaka mitantanana antoko politika. 

Izy anefa hatreto, tsy misahana an’izay fitantanana antoko politika izay, izany hoe tsy asa hafa hataony ankoatra ny maha Filohan’ny Repoblika azy”, hoy ny fanazavana noentin’ity mpahay lalàna ity. Raha tsiahivina dia nisy ireo olona nilaza fa tsy azo ekena ny fampiasana ny anaran’ny Filoham-pirenena ao anatin’ny fifidianana solombavambahoaka hoentina hampandaniana kandidà iray. Ireto farany izay nilaza fa tsy mifanaraka amin’ny lalàna izany ka tokony ho foanana. Nanamafy anefa ny mpahay lalàna, Imbiky Herilaza fa raha io fanekena firotsaha-kofidiana amin’ny anaran’antoko io dia ny lalàna mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka 18-010 sy ny lalàna fototra mahakasika ny fifidianana laharana 2018 008 dia milaza fa raha antoko politika no nandrotsaka ilay kandidà dia anisany azo ekena ilay firotsaha-kofidiany.

“Raha jerena io lalàna mifehy ny antoko politika mitondra ny laharana 2011-012 amin’ny andininy faha-dimy izay milaza ny fananganana antoko politika dia ny didy avy amin’ny Minisiteran’ny Atitany no mitondra izany. Rehefa voapetraka soa aman-tsara fa isan’ny antoko politika io dia tsy tokony hisy olana mihitsy”, hoy hatrany ny fanazavany. Araka izany, mazava ny pitsopitsom-panazavana rehetra fa ara-dalàna tsara ny vovonana antoko “IRD na Isika Rehetra Miaraka amin’ny Filoha Andry Rajoelina” izay tsy vao izao akory fa efa hatramin’ny fifidianana solombavambahoaka tamin’ny taona 2013 no efa nisy fampiasana ny anaran’ny Filoha tamin’ny alalan’ny vondrona politika Mapar. 

Heverina ho kajikajy politika sy tahotra amin’ny fifidianana ny fanoherena ataon’ireo olom-bitsy amin’izao fotoana izao. Ny teo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana (HCC) ihany koa dia efa namoaka fanapahana fa tsy misy olana velively izany. 

Avotra Isaorana

Ino Vaovao0 partages

ORINASA AFAKA HABA : Nankalaza ny faha-20 taonany ny GEFP tamin’ny faran’ny herinandro teo

Isan’ny manan-danja sy mitana anjara toerana lehibe eto Madagasikara ny orinasa afaka haba satria sady mamorona asa ho an’ireo tsy an’asa izy ireny no ilaina ihany koa eo amin’ny fampiakarana ny harin-karena faoben’ny firenana. Efa tsikaritra ho miroborobo fatratra eto Madagasikara ny fananganana orinasa afaka haba saingy olana iraisan’izy ireo ny fisian’ny fahatapahan-jiro mateti-pitranga izay mety hiteraka fatiantoka goavana ho an’ny orinasa. 

Manoloana izany indrindra dia nilaza ny praiminisitra fa efa andalam-panatsarana amin’izao ny orinasa Jirama rehetra manerana ny Nosy ary tanjona ny hampitomboina izany ho avo roa heny amin’ny taona manaraka. Notsipihiny ihany koa fa efa maro ny fepetra noraisin’ny fanjakana amin’ny fanarenana ireo tsy nety rehetra ka izany indrindra no iantsoany ireo tompona orinasa hitondra ny anjara birikin’izy ireo araka izay azo atao hampandrosoana haingana ny firenena.

Ny Ami

Ino Vaovao0 partages

MAEVATANANA : Rofia sy drakaka an-taoniny tsy misy taratasy saron’ny mpitandro filaminana tany anaty fiara

Tao anatin’ny Kaominina Ambalanjanakomby, Distrikan’i Maevatanàna no nahatratrarana azy ireo ny sabotsy lasa teo. Rofia milanja dimy taonina niaraka tamin’ny drakaka marobe izay samy tsy nahitana taratasy no tratra noentina tao anatina fiara iray. Ireo zandary manao fisavana mihazo iny lalam-pirenena fahefatra iny no nahatratra ireto entana tsy ara-dalàna ireto. 

“Tamin’ny iray ora maraina no tratra io fiara io. Rehefa natao ny fisavana dia tsy nahitana taratasy ireo entana ireo. Misy taratasy ihany izy ireo saingy taratasy sandoka efa lany daty. Nolazain’ilay tompony fa telo taonina ilay rofia kanefa rehefa natao ny fisavana dia nahatratra dimy taonina ireo entana ireo. Ireo drakaka indray dia mbola kely ny habeny, izany hoe tsy mbola manaraka ny fenitra tokony hitrandrahana azy izay marihina ihany koa fa tsy misy taratasy”, hoy ny lehiben’ny zandary mpanao fisavana. 

Nambarany fa hentitra ny fisavana ny entana tahaka izao, mampitandrina izay mbola mikiry ny hanohy ny asa ratsy ny zandary mba hanajanona izany na ihany koa hanaraka ny lalàna. “Ho an’izay mbola te hanao an’io asa io dia miezaha manao taratasy ara-dalàna”, hoy izy. Nalefa eo anivon’ny sampan-draharaham-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana ireo rofia ireo raha toa kosa ka nalefa tany amin’ny sampan-draharaham-paritry ny fambolena sy fiompiana ary ny jono ireo drakaka.

Avotra Isaorana

Madagate0 partages

Augustin Andriamananoro, DGPP, ouvre officiellement Asia/Enjoy Madagascar 4

Holijaona Raboana, Augustin Andriamananoro de la DGPP et Michel D-Ramiaramanana

En attendant la vidéo inédite, signée Jeannot Ramambazafy, de cette exceptionnelle journée du 30 mars 2019, marquant l’ouverture officielle du 4è Salon Asia/Enjoy Madagascar, ci-après un photoreportage avec le discours intégral original (car prononcé en français) du Directeur général des Projets présidentiels (DGPP) au sein de la Présidence de la République de Madagascar.

Michel D.-Ramiaramanana, Président du Comité d'Organisation du Salon

*********************

Augustin Andriamananoro, DGPP

Ce jour, il m’échoit l’honneur tout particulier de prononcer un message évoquant le contexte dans lequel se présente, à nous tous, cette 4ème édition du salon ASIA/ENJOY MADAGASCAR.

En affichant, sur ce que les organisateurs ont décidé de dénommer, « Sur la route de l’Emergence », cet événement, réalisé sous le parrainage du Ministère de l’Industrie, du Commerce et de l’Artisanat, se propose d’être l’expression économique, commerciale et culturelle des relations qui se sont progressivement retissées entre les nations asiatiques et Madagascar. Pourquoi dis-je retissé ? En fait, nous pouvons dire que le naturel revient au galop d’un passé pas si ancien que cela, un passé ou la Grande île, notre Grande île, se trouvait dans une sphère culturelle qualifiée d’austronésienne dont peuvent pratiquement se prévaloir toutes les nations asiatiques.

Aussi, au regard du dynamisme constaté de la part de tous ses tigres de l’Asie, des pays identifiés par les experts de la mondialisation économique comme étant des nations émergentes, Madagascar gagnera assurément à plus de pragmatisme et à s’inspirer de ces pays amis. Sachant que nous avons là une courbe d’expérience qui reste à construire, l’Initiative pour l’Émergence de Madagascar qui va bientôt être relayé par un Programme pour l’Émergence de Madagascar est aujourd’hui mise sur orbite. A vrai dire, tous les promoteurs émergentistes seront bien inspirés à multiplier les échanges avec ces différents pays de l’Asie pour que se fasse réalité ce changement de paradigme majeur de notre environnement politique et des affaires.

ASIA/ENJOY MADAGASCAR, qui s’avère également être une plateforme de l’innovation -pour exemple nous pouvons citer les véhicules électriques ou la révolutionnaire impression numérique en 3D, a résolument fait le choix de faciliter massivement l’accès à cette foire en diffusant plusieurs milliers d’invitations gratuites. Elle a également entrepris d’ouvrir son espace à la jeunesse agissante en recherche d’identité, de particularité et d’originalité commerciale. L’esprit « startuper » doit être sans cesse encouragé. Cette convergence sans équivalent à Madagascar, apprécions-là avec l’engagement à nos côtés, de nos amis de la Chine, de la Corée, du Japon, de Maurice, de la Thaïlande et du Vietnam, lesquels sont venus dialoguer, échanger et vendre sur un événement malagasy. Ce sont autant de perspectives, avec, selon nous, un encouragement pour l’entrepreneuriat malagasy qui se doit de s’identifier avec des débouchés commerciaux pouvant lui être profitable.

En sachant que l’exercice événementiel qui nous est proposé, a consisté à ce que soit également amélioré concrètement le pouvoir d’achat du citoyen lambda - Asia is beautiful -, c’est à l’orée d’une mandature pleine de volonté, d’un secteur privé particulièrement motivé, et avec un plaisir certain que nous déclarons, ce jour, ouverte cette 4ème édition du salon ASIA/ENJOY MADAGASCAR.

Excellences Honorables invités,

Je vous remercie pour votre aimable attention.

Xièxiè (Chinois -谢谢)

Gomapseumnida (Coréen - 고맙습다.)

Arigatōgozaimashita(Japonais -ありがとうございました)

Khop Khoun Krap (Thaïlandais)

Cảm ơn bạn (Vietnamien)

Augustin Andriamananoro, DGPP

Tanjombato, le 30 mars 2019

*********************

Vous connaissez l'Institut Confucius à Ankatso Antananarivo ?

Reportage : Jeannot Ramambazafy - Andry Rakotonirainy