Fotoana sisa andrasana, eo amin’ny fihaonan’ny Barea de Madagascar sy ny Lionan’i Téranga avy any Sénégal, eo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny «Can 2019». Nesorina tamin’ny ora farany i Dax.
J-12 isika, eo amin’ny fandraisana ny lalao mandroso, hiadian-toerana eo amin’ny “Can 2019”, taranja baolina kitra. Fihaonana, hotanterahina etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ny alahady 9 septambra ho avy izao hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Lionan’i Téranga avy any Sénégal.
Efa samy nampahafantatra ny anaran’ireo mpilalao hiatrika izany fihaonana izany i Nicolas Dupuis, ho an’ny Barea, ary i Aliou Cissé kosa ny an’i Sénégal. Raha ho an’ny Barea manokana, nesorina tamin’ny ora farany i Dax. Voalaza fa noho ny tsy filaminan’ny taratasiny, milalao atsy Afrika Atsimo, ny anton’izany. Izy rahateo koa, tsy nanome valin-teny na ho avy na tsia.
Hahitana “mondialiste” miisa 15 kosa ny Lionan’i Téranga ka anisan’izany i Mané. Raha tsiahivina, ny Senegaley izay hanoman-tena any Paris, manomboka ny 3 septambra. Mandra-piandry izany, ireto ny lisitra ofisialin’ny ekipa roa tonta.
Tompondaka
Barea de Madagascar
-Mpiandry tsatoby: Ibrahim Dabo (Gobelins, N3 Frantsa); Leda (Cnaps Sports)
-Vodilaharana : Rambeloson Toavina (Arras, N2 Frantsa) ; Thomas Fontaine (Reims, L1 Frantsa) ; Razak Pascal (JSSP, R1 La Réunion) ; Jérôme Mombris (Grenoble, L2 Frantsa) ; Tobisoa (Cnaps Sports) ; Romain Métanire (Reims, L1 Frantsa) ; Mario (Fosa Jr) ; Ando (Cnaps Sports).
-Irakiraka afovoany : Ibrahim Ahamada (Alger, D1 Alzeria) ; Marco Ilaimaharitra (Royal Charleroi, D1 Belzika) ; Zotsara (Royal Antwerp, D1 Belzika) ; Mika (Cnaps Sport) ; Dimitri Caloin (Les Herbiers, N2) ; Baggio (Fosa Jr).
-Lohalaharana : Andriatsima Faneva (Clermont L1 Frantsa) ; Lalaina Nomenjanahary (Paris FC, L2 Frantsa) ; Carolus (Tsy misy klioba) ; Voavy Paulin (Misr lel-Makkasa, D1 Egypta) ; Njiva (FC Sukhotai, D1 Thaillande) ; Boura (Cnaps Sports) ; William Gros (AS Vitré, N2 Frantsa).
Lionan’i Téranga Sénégal
-Mpiandry tsatoby : Abdoulaye Diallo, Édouard Mendy, Alfred Gomis
– Vodilaharana : Kalidou Koulibaly, Lamine Gassama, Adama Mbengue, Youssou Sabaly, Ibrahima Mbaye, Salif Sané.
– Irakiraka afovoany : Cheikh Tidiane Ndoye, Cheikhou Kouyaté, Idrissa Gana Guèye, Alfred Ndiaye, Sidy Sarr, Amath Ndiaye Diédhiou.
-Lohalaharana : Diao Keïta Baldé, Ismaïla Sarr, Opa Ngette, Moussa Konaté, Sadio Mané, Mbaye Hamady Niang, Pape Abdou Ciss, Mbaye Diagne.