Nandritra ny fanitarana ny seranam-piaramanidina eny Ivato, dia nahita taolambalo tao anaty vata vy ireo mpiasa teny an-toerana.
TOETR’ANDRO
Nirotsaka ny orana omaly tolakandro tokony ho tamin’ny efatra ora teto an-drenivohitra. Tsy naharitra kosa anefa na dia nivatravatra aza.Manomboka mipetraka tsikelikely eto Madagasikara amin’izao fotoana ary handrafitra ny toetr’andro mandritra ny herinandro eto amintsika mihitsy ny alizay malefaka. Na izany aza, fantatra fa hanorana hatrany ny any avaratra atsinanana izay hihamatevina amin’ny faran’ny herinandro. Mety hisy orana mahalana ihany koa any atsimo atsinanana. Handrahona vitsy indray izany ho an’ny ny faritry ny afovoan-tany fa ho maina miandalana manomboka amin’ny alakamisy ho avy io.
POLITIKA
Tokony ho afaka milatsaka hofidiana ho filoham-pirenena avokoa izay rehetra te hirotsaka, indrindra fa ireo efa nitantana teo aloha. Mizotra ho any amin’ny korontana ny mifanohitra amin’io, hoy ny FFM izay vao voafidy teo ny mpikambana ao aminy.
TRANGAM-PIARAHAMONINA
Nihetraketraka ny miaramila zazavao tao Manjakandriana izay niteraka fatiolona. Nidiran’izy ireo ny famadihana iray tao an-toerana ary nanaovany toetra tsy mendrika ny zazavavy tao anatin’ilay fety. Tezitra ny vatan-dehilahy ary raikitra ny sakoroka. Olon-tsotra iray no maty ary miaramila iray amin’ireo telopolo nanafika no nandoa ra.
Niditra teny amin’ny tafon-trano ny jiolahy tetsy Besarety. Nambanana basy avy eo ny raim-pianakaviana sy ny vadiny izay avy hatrany dia teo an-doham-pandrinan’izy ireo no nitontona ny olon-dratsy mitam-basy sy antsy. Lasa avokoa ny entana tsaratsara tao an-trano. Lasa koa ny vola nampirimina tsara hiatrehana ny fiainana andavanandro.
Garazy mihidy tsara sady misy tamboho no misy alike nefa mbola tafiditry ny jiolahy ihany. Nalain’ireo ny jantes sy kodiarana izay mipetraka amin’ny fiara tao anatiny. Nipetraka tsara tamin’ny vato ny fiara rehefa maraina ny andro, tetsy Androndra.
FAHATAPAHAN-JIRO
Tapaka in-telo isan’andro ny jiro tato ho ato etsy 67ha ary nahatonga ny fahasorenan’ny mponina. Raha ny fanazavan’ny Jirama dia nisy nandona ny andrin-jiro iray no antony. Efa namboarina io ary nosoloina ny « transformateur » kanefa miverina ihany ny fahatapahana. Mitaraina ireo mponina eny an-toerana fa midina hatrany amin’ny 90 V ihany koa ny herinaratra raha tokony ho 220 V ka tsy ahafahana manao zavatra. Mitohy ny fanamboarana omaly.
SOSIALY
Ao amin’ny UPRIM Andavamamba indray no andrasana manomboka anio hariva ny nofo mangatsiakan-dRakotovaoarison Justin, fantatry ny maro amin’ny anarana Dame de Coeur taorian’ny niandrasana azy teny Antanetibe Itaosy Cité. Rahampitso alarobia amin’ny 10 ora sy sasany maraina kosa no hiala ao ny nofo mangatsiakany, entina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra farany ao amin’ny Ekar Masimbavy terezin’i Jesoa Zazakely Ankorona Alarobia mialoha ny hametrahana azy any amin’ny fasan-drazany any an-toerana ihany.
Voatery nafindra maika ao Vangaindrano ireo lehilahy izay namono vehivavy tamin’ny fomba feno habibiana tao Farafangana. Notakian’ny olona ny hanaovana fitsaram-bahoaka azy ireo ka nahatonga ny zandary nitondra azy ireo niala tao an-toerana avy hatrany.
Tanimbary efa tsy azo ampiasaina intsony satria efa tsy nety nahazo rano hatramin’izay sady efa feno lavadavaka vokatry ny fanamboaran’ny tompony biriky taminy no totofana tany eny Ampitatafika amin’izao fotoana, hoy ny lefitry ny Ben’ny tanàna tamin’ny mpanao gazety. Tsy alain’ny kaominina fotsiny anefa izy ireny fa novidiana tamin’ny tompony. Ho an’ireo vitsy mpandova dia tsy nisy ny olana. Miandry ny taratasy rehetra ilaina mifandraika amin’izay kosa ny an’ireo maro mpandova.
Tra-tehaka ny mpivady mpamatsy rongony ao Imerintsiatosika. Araka ny fanazavana dia efa fotoana maro no nikarohan’ny mpitandro ny filaminana ao an-toerana azy roa ireto. Efa mirongatra mantsy ny fidorohana rongony manomboka amin’ireo adolantsento ka hatramin’ireo efa nahazo taona. Rehefa mamo izy ireo dia manaotao foana, indrindra amin’izao fotoanan’ny famadihana izao.
FAMPIANARANA
Betsaka amin’ireo ankizy mpianatra eto amintsika no tsy liana intsony amin’ny fianarana ny taranja siantifika, antony mampihena ireo ankizy misafidy ity sokajy iray ity rehefa hiatrika ny fanadinana Bakalôrea. Hisy, araka izany, ny ezaka hataona fikambanana tsy miankina iray hanampiana ny mpianatra ka lisea miisa 16 eto an-drenivohitra no fantatra fa hanaovany hetsika mifandraika amin’izany.
FANISAM-BAHOAKA
Tonga nanatrika amin'ny fomba ofisialy ny lanonana fanolorana solosaina 50 avy amin'ny UNFPA izay natolotra ny INSTAT, ao amin'ny birao miandraikitra ny fanisam-bahoaka na ny CCER tetsy Anosizato Atsinanana omaly 28 aogositra 2017 ny praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier. "Zava dehibe ny fanisam-bahoaka noho izy hahazoana ny antontan'isa maro eo amin'ny mponina.
Ny fananana ireny antontan'isa ireny, araka izany, no hahafahana maka fanapahan-kevitra" hoy ny Praiminisitra. Ny Fanjakana malagasy no tompomarika amin'ny fanisam-bahoaka. Niantso ireo tompon'andraiki-panjakana ny praiminisitra mba hanampy ireo olona ao amin'ny Instat mba ho vita amin'ny fomba matihanina ny fanisam-bahoaka. Marihina etoana fa efa 20 taona mahery izay no tsy nisy ny fanisam-bahoaka.
TOEKARENA
Tontosa omaly ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana, Tazafy Armand sy ny minisitry ny Indostria Chabani Nourdine, izay nifanakalo toerana. Nanambara ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana vaovao Chabani Nourdine fa homena lanja kokoa ny momba ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro na ny PPN: vary, menaka; lafarinina,…mba hitsinjovana ny Malagasy. Ho henjana ihany koa ny ady amin’ny fifaninanana tsy ara-dalàna eo amin’ny tontolon’ny orinasa. Eo ihany koa ny fitandrovana ny fenitra sy ny kalitao amin’ny famokarana satria efa misokatra amin’ny tsena iraisam-pirenena i Madagasikara.SARY Tazafy Nourdine
Nitsidika tamin’ny fomba fanajana ny minisitry ny Harena ankibon’ny tany sy Angovo Ying Vah Zafilahy teny amin’ny amin’ny toeram-piasany ny solontena maharitry ny Tahirimbola iraisampirenena omaly.
Hanomboka anio ny atrikasa momba ny vina harena ankibon’ny eto Afrika iarahan’ny firenena Malagasy amin’ny kaomisionina ekonomikan’ny Firenena mikambana ho an’i Afrika. Horesahana manokana amin’izany ny sehatry ny harena ankibon’ny tany sy ny toekarena manga na ireo vokatra mikasika ny hazandranomasina. Ny taona 2009 i Madagasikara no nirotsaka ho mpikambana ao anatin’ny VMA (Vision Minière Africaine).
Nivoaka ny antontanisa momba ny fanjifana nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona 2017. Hita ao anatin’izany ny fiakaran’ny taham-bidin-javatra izay nahatratra hatrany amin’ny 4,5%, araka ny tarehimarika navoakan’ny ivontoerana mpikirakira ny antontanisa na Instat.
Hanomboka amin’ity herinandro ity ny fanentanana amin’ny fampiasana herinaratra tsy ara-dalàna avy amin’ny Jiro sy Rano Malagasy. Mandrafitra ny 18%-n’ny vola fatiantoka tsy miditra ao amin’ity orinasam-panjakana ity moa io halatra angovo tsy manara-penitra io, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Jirama.
Miomana fatratra amin’ny fanatontosana ilay hetsika Sorogno izay natao hanandratana ny fihariana kakao amin’izao fotoana izao ry zareo ao Ambanja ao. Araka ny fantatra moa dia hisy ny famelabelarana arahana adihevitra entina hampahafantarana izany ao anatin’io 30 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra io ankoatry ny fampirantiana isan-karazany. Tsy ho latsa-danja koa anefa ny fanafanan’ireo mpanakanto malaza avy any an-toerana, toa an-dry Big MJ sy Fandrama, ireo 4 andro ireo.
Raikitra ihany koa ny varavarana misokatra iarahana amin’ny fikambanan’ireo tantsaha avy any Atsimo Atsinanana ao Farafangana. Ny tetikasa FDA izay misehatra eo amin’ny lafiny fampandrosoana ny tontolon’ny famokarana no manohana ireo tantsaha ary ao anatin’ny ady tena hatrehin’izy ireo indrindra ny famongorana ny Sakave na ny mosary. Manana fotoana tsara rahateo ireo tantsaha hiomanana amin’ny fiatrehana izany satria ny volana aprily no tena hisehoan’ny mosary.
Tafapetra ao an-toerana ny drafi-pampandrosoana an’i Vatovavy Fitovinany ary tanjona ny hametrahana foibem-paritra ho an’ny toekarena sy teti-pivoarana any amin’iny faritra iny. Miisa 17 kosa hatreto ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny faritra ao anatin’ny fanatontosana ilay drafi-pampandrosoana.
TONTOLO IAINANA
Ho hentitra ny sazy ampiharina amin’ireo olona zatra ny lalan-dririnina mpandoro tanety, hoy ny minisiteran’ny Tontolo iainana. Efa mipetraka moa ny komity isaky ny distrika iadiana amin’ity fomba mamohehatra ity ho fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara, araka ny fanazavan’ny minisitra mpiahy.
BRICKAVILLE
Nanatanteraka famoran-jaza maimaimpoana tany amin’ny distrikan’i Brickaville ny faran’ny herinandro teo ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Zazalahy kely miisa 120 no nahazo tombontsoa tamin’izany izay sady mbola notolorana kilalao sy vatomamy ihany koa. Raha tsiahivina, efa mahatratra 80.000 Ar amin’izao ny manao didim-poitra amin’ny fomba amerikanina raha 15.000 Ar kosa ny fomba gasy.
TOAMASINA
Nivory nandinika ny asa vita sy ny asa atao manaraka amin’ny fanabeazana ara-skoto tao amin’ny Akany “Fialofana” Ambohijafy Toamasina ny komity lehibe izay vovonana mpanapa-kevitra eo anivon’ny mpanazava sy tily eto Madagasikara. Nambaran’ny filoha lefitry ny komity Ramatoa Rasoanirina Zoe fa “sampana iray ao anatin’ny fiangonana amin’ny fanabeazana ny tanora ho olom-banona, ny mpanazava sy ny tily, koa ilaina ny dinika tahaka izao hahafahana mamaritra ny vita sy asa mbola miandry”.
Nohamafisin’ny filohan’ny KOPA atsinanana ny Me Rasamimaka Mahefalahy, fa “ny tatitra asam-panabeazana vita sy ny volavolana asa miandry amin’ny taom-panabeazana manaraka eo anivon’ny mpanazava sy tily, dia asa goavana miandry anay mpitarika ka tsy azo atao tsinotsinona. KOPA miisa 27 manerana ny nosy izay notarihan’ny filohan’ny komity lehibe, no tonga tao Toamasina nihatrika izao komity lehibe izao, izay teo anivon’ny synodam-piangonana FJKM, EEM, FLM, FTMA, ary ny Anglikana.
AMPANIHY
Ho an’ny distrikan’i Ampanihy andrefana kosa dia tafajoro tao amin’ny kaominin’i Ampanihy ny antsoina hoe birao ifoton’ny fikaonan-doha. Iraka avy amin’ny fitondram-panjakana mihitsy no antony nananganana izany, raha ny fanazavana, ary hikaon-doha amin’ny fikarohana izay hahafahana mampandroso ny faritra no antony. Lehiben’ny fokontany, ben’ny tanàna, solontena avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, izany hoe, saika ny vondron’olona rehetra dia ahitana solontena ao anatin’ny birao mandrafitra azy ity.
AVY ANY IVELANY
Manoloana ny firongatry ny trafikana rongony ao Filipinina dia maro ireo fitarainana voarain’ny avy eo anivon’ny fitandroana ny filaminana ao an-toerana fa diso mitrifana loatra ireo mpidoroka sy mpamatsy izany ka sahy manohitra ireo mpitandro ny filaminana mihitsy. Nanome alalana hitifitra avy hatrany ireo izay tena tsy voafehy, araka izany, ny fitondram-panjakana ao an-toerana rehefa raikitra ny sakoroka ka mety ahitana izay tranga izay.
Nodimandry omaly teo amin’ny faha 79 taonany ilay mpilalao sarimihetsika frantsay Mireille Dark. Azo lazaina ho anisan’ireo nahavita be teo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika tao an-toerana ity andriambavilanitry ny zavakanto faha-7 fahizany ity. Hisy moa ny fahatsiarovana azy manokana ho fampatsiahivana izay heverina ho mamy napetrany.
Nandravarava tao Texas, Etazonia, ilay Ouragan Harvey. Vokany, olona 2 no maty ary tafakatra 65 santimetatra ny haavon’ny fiakaran’ny rano ao an-toerana. Raha ny fanazavan’ireo mpamantatra ny toetr’andro dia tsy mbola nisy mafy nihoatra ity rivodoza ity na dia izay nitranga tamin’ny taona 1961 aza.