Les actualités à Madagascar du Samedi 28 Mars 2020

Modifier la date
Midi Madagasikara133 partages

COVID-19 : Une partie d’Antananarivo outrepasse les règles de confinement

La mesure de protection est pourtant claire : rester chez soi et ne sortir qu’en cas d’extrême nécessité et avec autorisation. Mais beaucoup ne l’entendent pas de cette oreille. Si les rues sont vides durant les après-midis, c’est une autre histoire dans les couloirs des quartiers où le confinement ressemble plus à des vacances. Les enfants jouent dehors, les uns collés aux autres, les adultes discutent entre eux et ignorent totalement la distance de sécurité d’un mètre préconisée. Et bien évidemment, on ne parle plus des personnes qui continuent de sortir dans les rues, celles qui poursuivent leurs commerces, ou encore celles qui ne supportent tout simplement pas le fait de rester chez soi et qui préfèrent prendre l’air dehors, peu importe s’ils s’exposent à un virus potentiellement mortel. 

Pourquoi ? Si une partie avoue ne pas avoir peur de cette maladie, d’autres estiment que leur niveau de vie ne leur permet pas de suspendre leurs activités professionnelles. Et lorsque nous leur avons demandé s’ils ne s’inquiétaient pas de transmettre le COVID-19 aux autres s’ils sont porteurs du virus, ils nous ont répondu que « nous ne sommes pas malades donc nous ne représentons aucun risque ». Peut-être ignorent-t-il encore le fait que cette maladie puisse très bien être présente dans leur organisme sans qu’ils ne présente aucun symptôme. Malgré cette explication, bon nombre d’entre eux l’ont totalement ignorée en avançant des théories du complot  qu’ils n’ont même pas daigné poursuivre jusqu’au bout. Ce qui montre clairement que cette partie de la population ne veut rien savoir et ne compte pas se soumettre aux mesures préventives ordonnées par le gouvernement. 

Intervention des autorités. Ainsi, la seule manière de faire respecter le confinement de 15 jours est pour l’instant l’intervention et la ronde des autorités. Actuellement, les forces de l’ordre sont un peu partout dans la capitale pour demander aux habitants de la ville de ne pas sortir. Mais même avec la présence des autorités, des épiciers continuent d’exercer en cachette. Il suffit de frapper à leurs portes pour passer commande rapidement, à l’abri des regards des policiers qui rôdent dans le quartier. Sur les réseaux sociaux, ceux qui sont confinés chez eux disent qu’« il faut peut-être que cette maladie fasse de nombreuses victimes avant que les plus rebelles prennent enfin conscience de sa dangerosité ». 

Anja RANDRIAMAHEFA

Midi Madagasikara2 partages

Toliara – Centre de commandement opérationnel : Réception de dix cartons de kits d’urgence

Réception de dix cartons contenant des kits de prélèvement, des gants, des masques et des savons. « C’est un envoi d’urgence » selon le responsable venu ramener le lot de kits, en provenance du Centre de commandement opérationnel (CCO) d’Antananarivo. Un autre envoi arrivera tantôt pour subvenir aux responsables du CCO de Toliara qui sont obligés de travailler au lieu de se confiner chez eux. Tovondrainy Edally, gouverneur de la région Atsimo Andrefana a remercié le président Andry Rajoelina pour le don. Rappelons qu’aucun cas de coronavirus n’est déclaré jusqu’à ce jour dans toute la région. Il y a bien des suspects, gardés en quarantaine, mais aucun ne présente de symptômes du COVID-19. Mais il faut respecter les consignes données : tout le monde garde ses distances, se lavent souvent les mains. Le directeur de santé d’Atsimo Andrefana ne cesse de rappeler qu’« il vaut mieux respecter les distances au lieu de porter certains masques qui sont souillés rapidement ».

Charles RAZA

Midi Madagasikara0 partages

Plan d’urgence sociale : Les seniors n’ont pas été oubliés par le couple présidentiel

Toujours dans le cadre de la lutte contre la pandémie du COVID-19, le plan d’urgence sociale lancé par l’Etat pour venir en aide aux plus vulnérables continue de faire des heureux dans la capitale. Vendredi dernier, ce sont les seniors ou personnes âgées du district d’Ambohidratrimo, qui regroupe les IIIème et  IVème arrondissements, qui ont reçu les divers lots – riz, huile et bien d’autres encore – de la part de l’Etat, de l’association Fitia, et de la commune urbaine d’Antananarivo. Notons que ces denrées alimentaires vont permettre à ces personnes de tenir bon durant la période de confinement de 15 jours prévue pour freiner la propagation du coronavirus à Madagascar. « Une aide qui réchauffe les cœurs puisque je n’ai plus que 5 kilos de riz chez moi. De plus, je n’ai presque plus d’économie pour assurer mes besoins de la semaine » a confié madame Henriette d’Avaradoha, soulagée que les autorités ont pensé à elle en cette période de confinement. Et elle n’était certainement pas la seule à être ravie de recevoir ces aides, ils étaient plus de 300 à s’être rendus en masse pour récupérer leurs produits de première nécessité à Avaradoha.  

Quant à l’association Fitia présidée par Mialy Rajoelina, elle s’est rendue aussi ce même jour à l’Akamasoa du Père Pedro à Andralanitra, pour remettre des œufs aux foyers de ce quartier. C’est là-bas que l’association Fitia a fait savoir qu’elle est toujours ouverte à la collaboration avec tous les bienfaiteurs et donateurs pour aider les personnes vulnérables à Madagascar. 

Anja RANDRIAMAHEFA

Tia Tanindranaza0 partages

MANAKARA Vehivavy roa avy any ivelany nahiana ho marary

Manahiran-tsaina ny rehetra ny fisian’ireo olona avy any ivelany tonga mody eto an-tanindrazana ankehitriny noho ny fisian’ilay tsimok’aretina “coronavirus”.

Tany amin’ny distrikan’i Manakara ohatra dia vehivavy roa tonga tany an-toerana ny 22 martsa lasa teo avy atsy amin’ny Nosy rahavavy La Réunion no tsy maintsy nanaovan’ny tompon’andraikitra fidinana ifotony tao an-tokantranony. Nalaina hafanana izy ireo ary fantatra fa 36 ° ny maripana, izany hoe tsy misy atahorana aloha hatreto. Taorian’izay dia nentanina mba tsy hivoaka ny trano mandritra ny 15 andro izy mirahavavy ireo, fepetra tsy maintsy arahina ho an’ireo olona avy any ivelany tonga eto Madagasikara ka efa manatanteraka izany hatramin’ny omaly. Raha araka ny vaovao azo moa dia salama tsara izy mirahavavy ireto.

Pati

Tia Tanindranaza0 partages

Rabetsara Lita - RNDCTokony handeferan’ny fanjakana kely ilay fanakatonana tsena

Nivoaka tamin’ny fahanginany i Rabetsara Lita filohan’ny RNDC n any fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa manoloana ilay fepetra noraisin’ny

 

Fitondram-panjakana ny amin’ny tsy maintsy hikatonan’ ireo tsena mpivarotra kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro amin’ny 12 ora atoandro isan’andro. Tokony handefitra kely ny fanjakana raha araka ny fanazavany noho ny fisian’ireo olona tsy maintsy mbola mikarama kely hampandehanana ny fiainana isan’andro. Lasa tsy mahita sakafo hovidiana intsony ireny olona ireny hoy hatrany Rabetsara Lita ka tokony hojerena akaiky. Tsiahivina moa fa misy mpitandro ny filaminana mihitsy manidy ireny karazana tsena mbola tratra mivoha ireny aorian’ny amin’ny 12 ora atoandro manerana ny faritra maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina, ary tena nihamafy io fanarahamaso sy fanakatonana tsena io omaly alakamisy taorian’ny fanentanana nataon’ny minisitry ny atitany tao amin’ny TVM.

 Pati

 

Tia Tanindranaza0 partages

Tsy misangy ny coronavirusAoka samy hitandrina sy ho mailo

Fa tena tsy azon'ny olona an-tsaina mihitsy ve ny maha zava-doza ny covid 19. Saika mifanaretsaka hatrany ny olona eny an-tsena sy eny an-dalambe.

 

Tahaka ny tsy ao anaty hamehana ara-pahasalamana izany ny firenena. Isan’ny nahatarafana izany ny teny amin’iny tsenan’Ambohidahy Ankadindramamy iny omaly maraina. Tena tsy afaka miafy mihitsy ve isika hoe: tsy mivoaka ny trano? Mila alamina ny fiainana fa tsy be mokon-koha hoe ka inona aza no hohaninay eo. Tsy mahafaty antsika, raha in-droa na indray mandeha ihany no misakafo iray andro fa misotro rano tsara fotsiny rehefa tena hoe miatrika ady tahaka izao misy areti-mandoza eto amin’ny firenena izao. Raha ny olona iray voa noho ny tsy fitandremana sy ny hamafisan-doha , dia azy ny azy fa ilay mamindra amina olona 1 na 2 na 3 no tena olana be. Tsy azon'ny olona an-tsaina mihitsy ilay izy. Ny antsika efa nilaza ny filoha fa afaka mandray marary 800 ny fotodrafitrasa vonona ao. Raha 1000 izany sanatria no voa dia hatao aiza ny 200? Raha mitombo io dia ahoana? Amin’izao izy mbola azo fehezina izao no tokony hitandrina mafy isika, fa ho loza amin’atambo raha ho tahaka ny any Eoropa 10 000 ny maty ary 80 000 any ho any no voa, izay ao amin’ny toeram-pamelomana aina ny 3000 mahery. Ny any Italie, Espagne, Frantsa,… dia efa tsy am-polony fa an-jatony maro isan’andro ny maty. Raha somary nilamin-tsaina isika teo aloha hoe: ireo olona tao anaty fiaramanidina avy tany an-dafin’ny riaka ihany no voa hatramin’izay, dia efa mampihoro-koditra ny fahafantarana, fa olona tsy nihetsika teto an-tanindrazana no efa misy lasibatra. Aoka samy hitandrina, fa tena efa eto amintsika ny loza, ka mila fehezina.

Toky R

 

Tia Tanindranaza0 partages

Fifehezana ny COVID19Nihamafy ny sahotaka, niovaova ny toromarika

Mbola nampitonitony ihany, raha izay no azo ilazana azy, ny toe-draharaha hatreo amin’ny fotoana nahenoana fa 23 no isan’ireo mitondra ny tsimon-karetina COVID19 tafiditra teto Madagasikara ny alakamisy lasa teo.

 

 Nihamafy kosa ny sahotaka omaly rehefa nitombo ny tarehimarika.Hentitra ny fanakatonana mpivarotra taorian’ny tamin’ny 12 ora atoandro, tsy nisy resaka fa tonga dia nirotsaka an-tsehatra nanakatona izay mbola nisokatra ny mitandro filaminana.Hita ho niovaova ihany koa ny toromarika mikasika ny fivezivezena voarain’ireo mpitandro filaminana. Na teo aza ny peta-drindrin’ny avy eo amin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT), izay milaza fa tsy tokony hisy hivoaka intsony aorian’ny amin’ny 12 ora atoandro dia efa tsikaritra ho nanahirana izay fivezivezena izay na talohan’io fetr’ora io aza. Vao mainka sahirana ireo mpanao gazety teo am-panatanterahana ny asany. Hita ho mailo ihany koa ny mpitandro filaminana mikasika ireo famantarana na “autocollant” manamarika fa fiara na fitaovam-pitaterana hafa mitondra mpanao gazety no misy izany.

J. Mirija

 

Tia Tanindranaza0 partages

FianarantsoaMisy olona iray nahiana ho voan’ny Coronavirus

Taorian’ny fanibohana ireo olona miisa 8 nambaran’ny filoham-pirenena fa niaradia tamin’ireo olona mitondra otrikaretina hita tao Fianarantsoa dia ramatoa

 

1 hafa noho ireo no nampahafantarin’ny eo anivon’ny OMC ao an-toerana omaly fa tena ahiana ho mararin’ny Coronavirus satria dia 100 %, ny soritr’aretina na “symptome” hita teny amin’ity ramatoa ity. Ny 14 martsa teo no tonga avy any Norvezy ity ramatoa ity ary nentin’ny vadiny tany amin’ny CSB Ankofafa. Profesora miandraikitra ny areti-mifindra no nanao ny fitiliana nohon’ny fiahiahiana. Nahiboka tao amin’ny hopitaly Andrainjato ity marary ity sy ny ankohonany, izany hoe izy 6 mianaka, taorian’ny nahitana ny soritr’aretina ny harivan’ny 26 martsa teo. Tamin’io andro io, tamin’ny 5 ora hariva, raha ny fampahafantaran’ny governoran’I Matsiatra ambony, Lova Harivelo Razafindrafito, no nahatongavan’izy ireo tao an-toerana. Raha ny fanadihadiana nataon’ireo tompon’andraikitra kosa dia efa nifanerasera tamin’olona 36 izy ireo tao anatin’izay fotoana izay. Miankina amin’ny vokatry ny fitiliana avy aty Antananarivo anio no hanapahan’ireo tompon’andraikitra ao an-toerana ny amin’ny mety hirosoana amin’ny fihibohana tanteraka ho an’ireo mponina. Raha ny vaovao farany moa dia efa tonga eto Antananarivo ary efa noraisina an-tanana ity olona iray avy any Fianarantsoa ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindranaza0 partages

Mahavoky BesaretyVehivavy iray avy any Italie tratran’ny olona nivoaka ny trano

Mangataka ny hamendrahana ranom-panafody famonoana bibikely sy mikraoba ny faritra misy azy ireo mponina eny Mahavoky Besarety.

 

Raha araka ny loharanom-baovao iray azo mantsy dia nisy vehivavy iray tonga avy any Italie monina eny an-toerana, tonga teto an-tanindrazana ny alahady teo. Tsy nijanona tao an-trano anefa io vehivavy io raha tokony hanaja ilay fihibohana mandritra ny 15 andro fa mbola nisy nahita nivoaka ny trano ihany. Matahotra ireo mponina eny amin’ny manodidina araka izany na dia efa mandeha aza ny feo fa efa nanao analizy ity vehivavy ity izay voalaza fa mpiasan’ny sambo. Ankoatra izay dia mampatahotra ny mponina ihany koa ny fahafantarana fa efa nifanerasera tamin’ity vehivavy ity tsy an-kiato ireo iray tampo aminy. Tonga avy hatrany teny an-toerana nijery ity vehivavy ity moa ireo mpitandro ny filaminana sy mpiasan’ny fahasalamana mampiasa ireny fiara 4x4 COVID 19 ireny hahafahana manara-maso akaiky ny toe-pahasalamany.

Pati

Tia Tanindranaza0 partages

Minisitry ny fiarovam-pirenena “Aoka hifanaja, aza mafy loha”

Betsaka ny zavatra manahirana. Sahiran-tsaina ihany mijery ireto fiara be dia be mifamoivoy, olona be dia be mifamezivezy,... anisan’ny zavatra mampatahotra, hoy ny Minisitry ny fiarovam-pirenena Jeneraly Rakotonirina Léon Richard.

 

Any Frantsa, Italie, Espagne, dia tena zava-doza. Misy ny fifampikasohana sy fivorivoriana. Tsy mifindra io raha tsy misy fifampikasohana. Hajao ny fepetra, ary tompon’andraikitra ny rehetra. Efa nahetsika ny fitaovam-piaidiana, kanefa tokony ho tonga saina ny rehetra fa tsy ho tonga any amin’ny fampiasan-kery sanatria,. Enga anie mba tsy hisy ny mafimafy loha tsy manaraka fepetra hahasoa ny besinimaro, fa raha misy ny manararaotra, toy ny famakiana tranon’olona, dia hiditra an-tsehatra izahay, hoy izy. Aoka hifanaja, fa ny tsy fivoahana ny trano dia fiarovana ny manodidina, fiarovana ny mpiasan’ny fahasalamana, fiarovana ny mpitandro filaminana,… Ny filohan’ny Repoblika dia efa nisafidy ny hiresaka isan-kariva. Tsy mpandainga ny fitondram-panjakana, ary ny vahoaka manana zo hahazo vaovao marina avy amin’ny fitondram-panjakana, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena. Ny vaovao marina izany dia miainga avy amin’ny fanjakana, avy amin’ny CCO Covid 19. Rariny sy hitsiny raha handraisana fepetra ireo fahavalom-panjakana mamoaka vaovao tsy marina, hoy izy. Mahakasika ilay vehivavy karohina hahazoana 5 tapitrisa ariary izay manome vaovao momba azy, dia rariny sy hitsiny raha karohina hoe iza marina izany manakorontana firenena izany, hoy hatrany ity manamboninahitra ambony ity.

 Toky R

Tia Tanindranaza0 partages

Tezitra ny fanjakanaNohenjanina ny fifehezana ny vahoaka

Tsapa fa toa ohatry ny andavanandro nahazatra ihany ny zava-misy, ka tsy maintsy raisina ny fepetra, hamafisina ny fanaraha-maso, havoaka ny mpitandro filaminana rehetra.

 

Na mandeha tongotra na mandeha fiara, dia hosavaina avokoa hoe: iza no manana fahazoan-dàlana manokana, hoy ny Minisitry ny atitany sady Filohan’ny CCO Covid 19 Razafimahefa Tianarivelo omaly . Nisy iny olona iray tsy nandeha fiaramanidina iny efa voa, fa misy ihany koa ny fitiliana efa hatao amin’ireo olona hafa tsy avy any ivelany, fa ireo nifampikasoka taminy. Na nahakasika ny varavarana noraisin’ireo voa aza, dia efa hifindrany. Mijanona any an-trano, harovy ny zaza fa aza avela hivoaka hilalao. Tsy izay nandeha fiaramanidina ihany, tsy izay nifampikasoka taminy, fa ny olon-tsotra rehetra dia mety efa misy mitondra an’io. Mijanona any an-trano fa tsy mety mihitsy ny mivoaka ny trano, hoy ny minisitry ny atitany nanentana. Tany Faratsiho sy Antananarivo nisy tokantrano saika norotahan’ny olona, hoy ny fitantaran’ity minisitra ity; aoka hazava tsara, hoy izy fa tsy voatery hitondra ny valan’aretina ireny olona tsidihana ireny fa fanaraha-maso no atao, ka aoka hitandrina isika fa tsy taitaitra. Matoa misy fiara tonga ao, dia tsy hoe marary ireny olona ireny fa tan-tsoroka no atao aminy. Raha misy olona ahiana, dia mijanona eny an-trano. Adala sy tsy mieritreritra ve isika hoe andao vonoina ilay olona ao, hoy ny fanontaniana napetrany. Aoka koa izay ny fampielezana tsaho hanakorontanana saim-bahoaka hoy ny minisita Tianarivelo Razafmahefa : eny amin’ny hopitaly dia tsy maintsy misy ny teraka, ary misy ny maty, fa izay maty tsy voatery ho matin’ny coronavirus foana. Misy olona marary tsotra na matin’ny loza dia lazaina fa coronavirus. Vaovao ofisialy henoina fa aza manaiky akorontana  amin’ny facebook,hoy izy. Manana ny OMS manara-maso izao tontolo izao isika, ka tsy afaka ny handainga. Isika rehefa handraisana fepetra dia mimenomenona. Rehefa tsy afaka ny hifampitaiza tsotra anefa dia tsy maintsy raisina ny andraikitra hoy ny minisitry ny atitany. Efa nahazo baiko hentitra ka tsy hisangisangy amin’ireo mbola tsy manaja ny lamina napetraka ny mpitandro filaminana, hoy izy.Omaly tolakandro ihany moa dia efa nihatra ireo fepetra henjana ireo ka nipoaka ny lakrimozenina nanaparitahana ny olona nitangorona teny Anosizato sy nanerena azy ireo hody.

 

Toky R

Tia Tanindranaza0 partages

Ny Rado Rafalimanana“Ho mafy noho ny tamin’ny 2008 ny fahavoazana maneran-tany”

Avo roa heny noho ny tamin’ny taona 2008, raha kely, ny fahavoazana ara-toekarena maneran-tany aorian’ny fitsaharan’ny fipariahan’izao valan’aretina

COVID19 izao, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny ONG Fanahy maha olona, Ny Rado Rafalimanana. Mazava ho azy fa hiteraka krizy maneran-tany ny aorian’izao. Voadona ny atao hoe “macro économie’’, hoy ny tenany, ary tsy maintsy hiantraika amin’ny “micro économie” izany. Antony io, tokony hifanomezantsika malagasy tanana ny amin’ny fihezahana mifehy ny fiparitahan’izao valan’aretina izao haingana amin’ny alalan’ny fandraisan’ andraikitra ny olom-pirenena isam-pokontany sy ny fanomezana sehatra ny fanjifana ireo vokatra anatiny, hoy hatrany ny fanazavany.Ary tsy tokony hisy hoe fanavahana loko sy firehan-kevitra politika izany fa tena mila miombona miara-mandresy ny valan’aretina ary efa mila mivonona ihany koa ny amin’ny tsy maintsy hisian’ny fikorontanana eo anivon’ny fifanakalozana iraisam-pirenena isika, hoy i Ny Rado Rafalimanana.

 J. Mirija

 

Tia Tanindranaza0 partages

Editions Jeunes MalgachesHamporisika ny ankizy ho tia mamaky boky

Hisy boky miisa 6 izay navadika ho feo handeha maimaimpoana isan'andro ao amin'ireo onjam-peo mandrafitra ny “Coalition des radios”, izay maherin` ny 50 isa,

mba hanomezana fialamboly ny ankizy sy amporisihina azy ireo ho tia mamaky boky mandritra izao fotoana tsy hianaran'ny mpianatra izao araka ny fampitaham-baovao nataon` ny teo anivon` ny « Editions Jeunes Malgaches » . Na dia misy aza ny fitokana monina faobe ho an'ny Malagasy rehetra dia tsy tokony ho adinon'ny ankizy ny mamerin-desona sy mijerijery kahie indraindray. Amin'izao koa dia afaka hihaino tantara ihany koa izy ireo amin'ny vata fandraisam-peo isan'andro mandritra ny iray volana ka araho eto àry ny fandaharan'ireo radio misy any amin'ny faritra misy anao ahafahanao manaraka ireo tantara mahafinaritra nosoratan'ireo mpanoratra malagasy miisa 4. Tsy iza izany fa Rakotoanosy Marie Michèle, Ralimahenintsoa Jeanne, Veloniaina Rabakoly ary i Arikaomisa Randria. Hisy ihany koa famoahana ireo boky navadika ho feo ireo eto amin'ny tambazotra facebook fa mba mangataka ny rehetra mba tsy handika azy ireo ka hanaparitaka azy fa misy zon'ny mpamorona mila hajaina. Entanina koa isika manana fahefa-mividy mba hividy ny bokin'ireo mpanoratra ireo rehefa miverina amin'ny laoniny ny fiainam-pirenena mba ho fanohanana sy fisaorana azy ireo nanao maimaipoana ity hetsika ity, hoy hatrany ny mpikarakara.

Marigny A.

Tia Tanindranaza0 partages

Fonjan’antanimoraOlona 2 no nahiana ho voan’ny Coronavirus

Tsy misy olona voan’ny coronavirus ao amin’ny fonjaben’Antanimora hoy ny Ministry ny Ati-tany Tianarivelo Razafimahefa omaly.

 

 Efa nentina nozahana sy notiliana avy hatrany tany amin’ny hôpitaly manara-penitra Anosiala mantsy ireo olona roa nahiana ho nitondra izany omaly ka fantatra fa tsy misy mitondra ny tsimok’aretina izy ireo ary salama tsara. Tera-tany vahiny (Espaniola) ny iray raha tera-tany Malagasy ny iray izay marihina fa samy lehilahy avokoa. Nomarihin’ity ministra ity moa fa tsy rehefa arahin’ireo fiara 4x4 COVID 19 ireny maso eny anivon’ny Fokontany ny olona iray dia hoe tsy maitsy voan’ny coronavirus . Tsy izay rehetra tonga avy any ivelany ihany koa hoy izy dia marary saingy noho ny fiparitahan’ity tsimok’aretina ity dia tsy maintsy raisina ny fepetra toy ny fihibohana ao an-trano mandritra ny 15 andro, ny fanasan-tanana amin’ny savony matetika, ny fanajana ilay elanelana 1 metatra.

 Pati

Tia Tanindranaza0 partages

Fizarana zavatra avy amin’ny fanjakana Tsy handray anjara ny Depiote TIM

Nanapa-kevitra ny tsy hiditra amin'izay mety ho fizarana zavatra na vola avy amin'ny mpanatanteraka ireo solombavam-bahoaka TIM.

 

Nisy moa ny fanambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny alakamisy teo fa ny depiote no mitantana ny “operation Tsinjo” ary tsy ankanavaka io depiote miara-dia amin’ny fitondrana io na tsia. Ny antony voalohany dia efa ireo Depiote miara-dia amin'ny fitondrana no nandray an-tanana avy hatrany ny fikarakarana izany, hoy depiote Hanitra Razafimanantsoa. Hita anefa fa misy endrika fanavakavana isan-karazany ao anatin'ny fitsirihana izay tokony hisitraka ireny fanampiana ireny ka mety hitarika fisaraham-bazana. Tsy te ho tompon’andraikitra amin'izany ireo solombavambahoaka avy amin'ny Tiako I Madagasikara ka nanapa-kevitra nisitaka avy hatrany, hoy ny fanambarana. Faharoa dia mahatsapa fifanitsahan'andraikitra ny Depiote TIM satria asan'ny mpanatanteraka manontolo ny momba ireny fanampiana ireny. Manara-maso ny fomba anatanterahana azy no anjara asan'ny solombavam-bahoaka. Ao anatin'izany ohatra ny momba ny vola sy ny paipaika rehetra nahafahana nanatanteraka azy ireny. Ankoatr'izay dia tokony afaka mijoro mpanelanelana eo amin'ny vahoaka sy ny mpanatanteraka foana ny solombavam-bahoaka. Tsapanay Depiote TIM fa sarotra ny hiantsoroka izany adidy izany raha vao mitsabaka amin'ny andraikitrin'ny mpanantanteraka izahay. Hamafisina arak'izany fa tsy tompon’andraikitra amin'izay fizarana zavatra avy amin'ny fitondrana ireo solombavam-bahoaka TIM, hoy izy ireo.

 

Toky R

Tia Tanindranaza0 partages

CNaPS VontovoronaOlona araha-maso miisa 67 no mihiboka eny

Anisan’ny toerana hametrahana ireo olona araha-maso ara-pahasalamana akaiky amin’izao fisian’ny valan’aretina Coronavirus eto Madagasikara izao ny eny amin’ny fotodrafitrasan’ny

 

CNaPS eny Vontovorona.Henjana dia henjana ny fiambenana ataon’ireo zandary mirongo fitaovam-piadiana.Tsy misy ny olona mahazo miditra na mivoaka ao, afa-tsy ny dokotera ihany na izay olona nahazo alalana avy amin’ny dokotera.67 ny olona mihiboka eny raha araka ny fantatra ary tena tsara ambina, nitsirika teny Vontovorona omaly ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny Jeneraly Richard Ravalomanana ary mbola nanafatrafatra ireo zandary miasa eny fa mila faran’izay hentitra ny fanaraha-maso satria ho zava-doza raha sanatria misy amin’ireo olona mihiboka eny nootafaporitsaka mivoaka tampoka, ohatra na koa olona avy aty ivelany no mivoaka miditra eny.Manana kahie handraiketana ny zava-mitranga rehetra eny an-toerana ireo mpitandro filaminana miambina eny ka voaray avokoa ny hoe iza sy iza no nandalo teny, sy ny hoe fiara marika inona sy laharana firy ary nanao inona no tonga teny, tahaka izany ihany koa ny fandraisana ny fidiran’ireo entana.

RTT

Tia Tanindranaza0 partages

Tsena an-davanandroMidangana izay tsy izy ny vidin’ny legioma

Midangana izaitsizy ny vidin’ny legioma eny an-tsena. 1.000 Ar isan-kilao ny fiarakany raha kely ka tena mampikolay ny isan-tokantrano tokoa .

 Ho an’ny karaoty ohatra dia tafakatra 3.000 Ar latsaka ny iray kilao raha 1.600 Ar teo aloha. Tafakatra 2.600 Ar ny iray kilao amin’ny ovy raha 1.700 Ar teo aloha. Toraka izany koa ny voatabia izay tsy mahazo intsony 200 Ar fa tsy maintsy 500 Ar nefa voany roa monja…. Noho ny tsy fisian’ny fiara fitaterana ka hiloloavana ireny karazan’entana ireny miainga eny Namontana sy Anosibe no nambaran’ireo mpivarotra fa anton’izany. Amin’ny ankapobeny mantsy dia saika miantehitra amin’ny taxi-be avokoa ireo mpivarotra legioma madinika ka raha vantany vao tsy nisy ny fiara fitateram-bahoaka dia tsy maintsy mampiasa tongotra izy ireo. Ora telo anefa no hanaovan’ny lehilahy matanjaka iray ny tsenan’Anosibe miazo an’Itaosy maka entana, miainga amin’ny 04 ora maraina isan’andro. Nanambara araka izany ireo mpivarotra fa ankoatra io havizanana ateraky ny dia an-tongotra io dia tsy maintsy hampidirina anatin’ny vidin’entana ihany koa ilay fotoana tsy hahafahany mivarotra amin’ny hariva mba tsy hahafaty antoka azy ireny.

 Pati

 

Tia Tanindranaza0 partages

IMRA Avarabohitra Itaosy Ilaharana ilay “kit” miaro amin’ny coronavirus

Vetivety monja dia tonga teny amin’ny IMRA misy an-dRatsimamanga, foibe fanaovana fikarohana momba ireo zava-maniry eto amintsika havadika ho

fanafody ny ankamaroan’ny olona. Filaharam-be sahady no hita teny an-toerana omaly nividy sy nikaomandy ilay « kit »  ahitana karazam-panafody sy evoka ary savony miaraka amin’ny tampim-bava anaty sachet plastika efa vonona iray amin’ny vidiny 27.000 Ar. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin-dRtoa Haingo Rakotoson, talen’ny varotra eo anivon’ny Soamandina izay miara-miasa amin’ny IMRA dia fanafody efa nampiasaina 45 taona lasa avokoa ireo nanaovaon’izy ireo fikarohana fanindroany ireo indray ka nojerena avokoa ireo « molécule »  tao anatiny ary nohatsaraina. Natambatra izy ireo ary hita fa miaro amin’ny tsimok’aretina Coronavirus ahitana sirop, evoka, savony fanasan-tanana tampim-bava ho an’ireo olona miasa, gel famonoana mikraoba fanosotra amin’ny tanana, fanaovana gararaka….. Tanjona ny hahafahana mampiakatra ny hery fiarovana ao anatin’ny olona, indrindra fa ireo mora voan’ny gripa matetika. Ny orona sy ny tenda moa no tena mila diovina sy arovana amin’ireo karazam-panafody ireo, indrindra fa ny evoka sy ny gararaka hahafahana mamono ilay tsimok’aretina. Tsiahivina fa afaka mampiasa ity “kit” ity ihany koa ireo marary efa tratran’ny coronavirus hahafahana mampiakatra ny hery fiarovana ao anatin’izy ireny.

 Pati

 

Tia Tanindranaza0 partages

Ady amin’ny tsy fanjariantsakafo Azo ampiasaina ny vokatry ny tany eto amintsika

Rehefa nahazo ny amboara tompondakan’ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo ny filoha Andry Rajoelina, nandritra ny fihaonana an-tampony faha-33-n’ireo

 

filoham-panjakana mivondrona ao anatin’ny Vondrona Afrikanina, dia nametraka fa ho ampidinina any amin’ny 21% ny tahan’ny tsy fanjariantsakafo mitarazoka eto amintsika, raha 42% izany ankehitriny. Azo inoana fa ho mafimafy kokoa ny fanamby, vokatry ny fisian’izao valanaretina « coronavirus » izao. Noho ny fihibohana tsy maintsy napetraka mantsy, dia mety hihena ny sakafo hanina, na izay hita ihany no harapaka, fa tsy voahaja ny fihinanana sakafo maro loko. Etsy an-daniny, misy an’ireo karazana fanampin-tsakafo ampiasaina amin’ireo ankizy tratran’ny tsy fanjariantsakafo, izay avy any ivelany no tena mamatsy azy. Tsy mbola manana olana amin’izany aloha isika. Tsy mikatona amin’ireo sambo mpitondra entana rahateo ny sisin-tanintsika. Na izany aza, tsara heverina ny hametrahana vahaolana avy amin’ireo zava-misy eto amintsika, hiadiana amin’ity tsy fanjariantsakafo ity. Araka ny nambaran’Atoa Sokorokana Christian Tiena, mpandrindram-paritry ny fanjariantsakafo faritra Atsimo-Andrefana, ohatra, dia efa nisy ny tetikasa natao tany amin’iny faritra iny, nampiasana ny rononon’osy ampiarahina amin’ny sakafo maro loko. Tamin’izany dia nomena osy vavy 4 sy osy lahy 1 ny fianakaviana nahitana zaza tratran’ny tsy fanjariantsakafo. Nasiana rononon’osy daholo ny sakafo nohanin’izy ireo ary 3 volana taty aoriana dia afaka tao anatin’ny tsifanjariantsakafo ilay zaza. Azo heverina tsara, araka izany, ny hitrandrahana ny vokatry ny tany eto amintsika ary efa misy ihany koa ireo orinasa miezaka manao izany. Nandritra ity fihaonana an-tampony faha-33 ity rahateo dia nanamafy Atoa Andry Rajoelina fa misy ny tetikasa fanamboarana fanampin-tsakafo hotanterahina eto amintsika, hiadiana amin’ny tsy fanjariantsakafo.

 

Marigny A.

Tia Tanindranaza0 partages

Mpampianatra mpikarokaManamafy hery fiarovana ny ravina voarohy hazo

Nivoaka tamin’ny fahanginany omaly ireo mpampianatra mpikaroka eo anivon’ny lalam-piofanana Simia eny amin’ny oniversiten’Antananarivo izay

 

misehatra eo anivon’ny zava-maniry, izany hoe, mitady ireo singa simika ao anaty zava-maniry hanatsarana ny fiainana an-davan’andro. Nampahafantatra izy ireo fa ny ravina voarohy hazo dia ahitana ireo singa rehetra mampatanjaka ny vatany toy ny proteinina, menaka, siramamy ary fibra toy ireny hita anaty salady ireny mba hanamora ny fandevonan-kanina. Ahitana koa ireo singa manarina ireo sela simba toy ny vy, ho an’ireo tsy ampy rano. Eo koa ny Zinc sy ny sokay, vitaminina C, Pro vitaminina A, “Anti-occident” toa an’ireo hita anaty voaloboka sy zavoka, izay miaro ny vatana tsy ho mora handairan’aretina. Azo atao fanampin-tsakafo tsara izy ity hiarovana amin’ny tsy hidiran’izao areti-mandoza manafika izao tontolo izao izao, hoy hatrany ny fanazavana. Maka ravina 3 madio alaina mialohan’ny fiposahan’ny masoandro mba hitazomana ireo singa rehetra ao anatiny. Mba hahazoana koa ny taha ambonin’ireo singa ao anatiny. Alona anaty rano mafana 80 hatramin’ny 90◦c mandritry ny 10 ka hatramin’ny 15 minitra mba tsy hahasimba ireo singa ao aminy izany ka sotroina avy eo rehefa avy esorina izay raviny izay, raha ny fanazavana hatrany.

 

Nivory ihany teny Befelatanana koa omaly ny vaomiera siantifika ivondronan’iroe mpampianatra mpikaroka , manampahaizana manokana momba ny raokandro Malagasy, teknisianina sy mpitsabo maro samihafa teo ambany fiahian’ny ministeran’ny fahasalamana, ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.Tanjona ny fikarohana fanafody manamafy ny hery fiarovana sy hery fanorenana mba hahafahana manohitra ny Coronavirus.

J. Mirija

 

Tia Tanindranaza0 partages

Ady mafy

Aza heverina ho toy ny anaty fety na kermesy sy andro tsy iasana fa handraisan-karama isika, hoy ny minisitry ny atitany izay omaly.

Kihon-dalana goavana tokoa ankehitriny no diavin’ny firenena manoloana ity areti-mandripaka mianaka eto amin’izao tontolo izao. Azo lazaina ho mbola vitsy dia vitsy lavitra amin’ireo mararin’izany any amin’ireo firenen-kafa no tratrin’ity areti-mandoza ity eto Madagasikara saingy ny mahery tsy maody tsy ela velona, hoy ny Ntaolo. Ny mahay milomano ihany no maty an-drano. Anaty ady mafy ankehitriny isika, indrindra moa, taorian’ny nahenoana fa misy olompirenena hafa ankoatr’ireo tao anaty sidim-piaramanidina tonga avy any ivelany koa iantraikan’ity aretina ity eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ady mafy hatrehina ho an’ireo sehatra natao hanentanana ny olompirenena hitandrina manoloana ny zava-mitranga koa anefa no iainantsika ankehitriny satria dia zary mirefarefa loatra ny toetsaintsika, indrindra moa, rehefa anatina fotoana tokony handraisana fanapahan-kevitra sy fandaminana haingana. Aretina efa manafika ny aina izao dia mbola ivazivaziana sy handrabirabiana ireo izay manaraka toromarika ihany. Mandeha daholo ity karazan-tsikera ity toy ny hoe aza manaiky ho rebireben’ny firenena mikambana, aretin’ny mpanan-kareny io, aretin’ny fotsy hoditra io na koa hoe olo-malaza. Tsy tonga ao an-tsaintsika angamba fa ireny olo-malaza ireny, izay voasokajy ho isan’ireo mpanakarem-be eran-tany, dia matetika mifampikasoka akaiky loatra amin’ny mpankafy azy, ankoatry ny hoe be dia sy sidina aleha moa izany. Firenena mahantra isika ary efa rano raraka aloha ireo mpitondra rehetra nandalo, na ny ankehitriny io na ny fahiny, izay tsy nametraka ny maha zava-dehibe izany atao hoe fanabeazana maha olompirenena izany saingy heverina fa fotoana kosa izao, na dia anaty zava-doza aza, mba handavan’ny olompirenena tsirairay ny tenany hanaraka tsy fidiny ny toromarika rehetra omen’ireo tomponandraikitra azy. Mila mizatra manaraka fitsipika anaty fotoana fohy isika satria mila mahatadidy fa raha tsy izany no atao dia mety hidiran-doza eto.

 J. Mirija

Tia Tanindranaza0 partages

Filohan’ny FJKM Miantso ny vahoaka hivavaka isan’ora

Manoloana izao areti-mandringana tafiditra eto anivon’ny tanin’ny repoblikan’i Madagasikara izao dia manao antso avo amin’ny vahoaka malagasy rehetra,

 

indrindra, ireo mpino Kristianina ny filohan’ny fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, Irako Andriamahazosoa Ammi, mba hitondra am-bavaka isan’ora ity firenena ity. Ny onjampeon’ny Radio Fahazavana izay raisina eo amin’ny mari-drefy 88.6 izay tantanan’ny FJKM rahateo moa no mitarika izany rojom-bavaka isan’ora izany, hoy ny fanazavany omaly. Hivavaka isika, hoy ny filohan’ny FJKM, mba hamindra fo amin’izao firenena izao Andriamanitra ka tsy hisy fiantraikany ratsy amin’ny firenena io areti-mandripaka io. Efa nanomboka omaly maraina tamin’ny 6 ora moa izay rojom-bavaka izay, raha ny fampitam-baovao hatrany.Marihina fa nampiato ny fanompoam-pivavahana any am-piangonana sy ny karazana fivoriana fanao mahazatra ny FJKM ho faajana ilay 15 andro fihibohana napetaky ny fanjakana ; mamporisika hatrany ny mpino kosa anefa mba hivavaka tsy tapaka isan-tokantrano noho ny finoana sy fanantenana fa Andriamanitra no tena vahaolana mahomby indrindra amin’ny olana miantraika amin’ny fiainan’olombelona.

 J. Mirija

 

Tia Tanindranaza0 partages

KMF-CNOE “Fiara-mientana no ahombiazana!”

Namoaka fanambarana ny KMF/CNOE-Fanabeazana Olompirenena manoloana ny aretin-mandoza “coronavirus” izao. Voalohany,mbola manamafy hatrany

 

amin'ny vahoaka Malagasy ny amin'ny fanarahana ireo toromarika apetraky ny Filohan'ny Repoblika mivoaka amin'ny haino aman-jery, ahafahana mandresy ity valan'aretina ity; Isaorana manokana ny Fitondram-panjakana nandray ireo fepetra rehetra anisan'izany ny fanapahana mikasika ny "Situation d'urgence sanitaire" ary koa, izay tsy azo atao ambanin' javatra, dia ny " Plan d'urgence sociale". Mitaky kosa ny KMF-CNOE fampisehoana mangarahara ny fitantanana amin` ireo fanampiana, sy ireo masontsivana enti-mamaritra ireo olona marefo; Eo koa ny fandinihina manokana ireo olona misehatra amin'ny "secteur informel" sy ireo voakasika an-kolaka noho ireo fepetra mikasika ny "Fihibohana" toy ny Mpiseradia ohatra. Mankahery hatrany ny Vahoaka malagasy tsy vaky volo, indrindra fa ireo tomponandraikitra ara-pahasalamana sy ara-panjakana isan'ambaratongany, ny amin'ny fitsinjovana akaiky ny Vahoaka Malagasy tsy hanavahana, amin'ny fisorohana sy fiadiana ity aretina"Covid 19" ity eto amin'ny Firenena Malagasy ny KMF-CNOE.

Marigny A.

Tia Tanindranaza0 partages

Vokatra tsy tafavoakaLasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

Satria tsy misy ny fitaterana toy ny Taksiborosy dia maro amin’ireo tantsaha mpamokatra mpampiaka-bokatra eto Antananarivo monina eny amin’iny

 

Ambatomirahavavy sy ny manodidina iny no nisafidy ny hivarotra ny vokatr’izy ireo manamorona iny lalam-pirenena voalohany iny ihany. Lasa maro mpivarotra amoron-dalana, noho izany, eny an-toerana vokatry ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana hiarovana amin’ny mety ho fianaky ny areti-mandripaka, Coronavirus. Amin’ny ankapobeny, na izany aza, dia tsy mbola tsikaritra loatra aloha ny fanararaotan’ireto tantsaha ireto eo amin’ny lafiny vidin’entana. Mbola mirary izany, hoy ireo mpanjifa, ary ahitana ny vokatra rehetra. Ilaina hatrany anefa ny mampahatsiahy fa ny tena fihetsika azo antoka indrindra hiarovana amin’ity areti-mandoza ity dia ny fihibohana an-trano sy ny fanarahana ny toromarik’ireo tomponandraikitra sy mpitsabo hatrany toy ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony matetika sy ny fihinanana sakafo mitondra hery fiarovana toy ny legioma sy voankazo.

J. Mirija

 

Tia Tanindranaza0 partages

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

Nanao antsoavo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao Toliara ny filohan’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso, Jean Navandahy Ratiharison,

 

manoloana ny voina nahazo azy sy ny fianakaviany tao an-toerana. Tonga teto Toliara ny tenako sy ny ankohonako, hoy izy, ny Alarobia maraina tamin’ny 1ora ary nivantana teny Mahavatsy II izahay. Tsy afaka niditra tao an-tokontany ny fiara ka najanona teo amoron-dalana ambadiky ny tranonay. Tokony tamin’ny 4 ora dia nisy 5 lahy tonga teo amin’ny fiara. Ny roa nitam-basy ary nanambana sy nanery hanokafana ny fiara. Lasan’izy ireo tamin’izany finday, hoy hatrany ny fitantarany. Misy manararaotra izao vanim-potoana tsy ahafahana mivezivezy amin’ny alina izao ny mpanao ratsy, hoy izy, ka angatahana ny hanaovana fidinanana ifotony na “patrouille” amin’ny alina, indrindra, eny Mahavatsy II, izay misy azy ireo.

 J. Mirija

 

Tia Tanindranaza0 partages

Rivo Rakotovao« Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

Nitondra hafatra ho an` ny vahoaka Malagasy ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, manoloana ny fiatrehana ny areti- mandoza entin’ny Covid-19.

Tsy aretina noforonina ny “coronavirus” fa mila fepetra io no sady mila fifehezan-tena  satria isika no miara-mandresy an`io aretina io, hoy izy. Hentitra ny fanjakana mba ahafahana miaro ny rehetra. Ny fampiharana ireo fepetra kosa dia tokony samy ao anatin` ny fifanajàna sy fanekena izay fahefam-panjakana satria tsy mety ihany koa ilay olona mitarika fanakorontanana, hoy ihany izy. Nohamafisiny fa tsy vitan` ny fanjakana irery no miady amin`ny “coronavirus”. Ireo fanjakana matanjaka lavitra noho isika aza tsy mahavita miady irery amin` izany indrindra fa isika. Noho izany, Aleo isika vahoaka malagasy mba hanaiky ny fepetra rehetra, hoy Rivo Rakotovao. Nanantitrantitra izy fa “izaho sy ianao samy manana anjara amin` ny andraikitry ny fiaraha monina handresenana an`io. Manome torohevitra ny fitondram-panajakana ary mampiasa ireo fitaovana rehetra izay eritreretiny mba ho fiarovana ho an` ny besinimaro.”

Marigny A.

Tia Tanindranaza0 partages

Mitombo ny tarehimarika26 mianadahy no voan’ny Coronavirus

Tranga iray vaovao no voamarina omaly maraina, niampy olona roa hafa izany ny tolakandro manome ny isa ho 26, voan’ny Coronavirus eto Madagasikara

 

araka ny tatitry ny mpitondra tenin’ny CCO Covid 19 Profesora Vololontiana Hanta Marie Danielle. Omaly, dia 4 tamin’ireo no misy soritr’aretina: iray mitaraina reraka, ny iray manakotsako ny vatany iray manontolo, ny iray mikoha-maina fa nampiseho trangan’aretina sarotra sempotra ary efa nanomboka nihatsara ny fahasalamany omaly. Efa misitraka ilay fanafody manokana izy ireo. Tsy “cas importé”, tsy tao anatin’ireo olona tonga tamin’ny zotram-piaramanidina avy any ivelany, ny iray tamin’ireo voatily fa « positif » ireo fa olona teto Madagasikara foana hatramin’ny volana desambra 2019 , fantatra kosa anefa fa nifampikasoka tamin’izy ireo izay avy any ivelany. Tokony vao mainka hampahery sy hahatonga saina amin’ny fanajana ny tsy fivoahan’ny trano izany, hoy io manam-pahaizana amin’ny fitsaboana io. Mbola misy rahateo no toa tsy resy lahatra na mihevitra fa tsy misy ny coronavirus. Manomboka mampitsangam-bolo anefa ity toe-javatra ity satria hafa mihitsy tsy toy ny fandre isan’andro hoe: tao anatin’ny fiaramanidina avy tany amin’ny firenena efa misy ny coronavirus. Aza mihinankinana fanafody tsy avy amin’ny dokotera fa saropady izany, ary vao mainka manimba zavatra, hoy ny toromarika nataony. Nambarany fa nisy tokoa ilay resaka hoe nisy marary tany Fianarantsoa, izay efa tonga eto Antananarivo, arahi-maso akaiky ara-pahasalamana. Hatao ny fitiliana, ary hambara tsy ho ela ny valiny, hoy io Minisitra io.Marihana tsara fa tsy voatery misy soritr’aretina avy hatrany ny olona voan’ny Coronavirus fa mety andro vitsivitsy aty aoriana vao manomboka hafahafa, miankina amin’ny toe-batana sy ny hery fiarovan’ny olona tsirairay ilay izy. Ny laharana maitso 913 no antsoina haingana raha vao misy tranga mmampiahihahy. Mitohy hatrany moa, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra eny amin’ny CCO Covd 19 Ivato ny fitiliana ireo olona tonga avy any ivelany, sy ny fanadihadiana ireo olona nifanerasera na nifampikasoka tamin’izy ireo.

 

Toky R

Midi Madagasikara0 partages

Coronavirus : Les artistes face à la suspension des évènements culturels 

Actuellement, les événements culturels sont mis en veille à cause de la propagation de la pandémie de COVID-19. De nombreux artistes ont réagi face à cette situation. Stylistes, chanteurs, comédiens ne cachent pas leurs inquiétudes. Néanmoins, tous sont convaincus que la vie de leurs concitoyens  est plus importante. « Toutes les commandes sont suspendues jusqu’à nouvel ordre, a confié  le styliste Lucka Andriamahavonjy. En ce moment, nous ne travaillons pas ». « Nous ne savons pas exactement comment va évoluer la situation… et comme les artistes ne sont pas bénéficiaires des mesures d’aide annoncées par le gouvernement, cela va être difficile pour nous », a affirmé le slameur Jaomazava. « La suspension des évènements culturels a un énorme impact pour les artistes  car les showcases et les petits spectacles constituent leur gagne-pain »,  explique la chanteuse Fatoma. Celle-ci a ordonné aux citoyens malgaches en général et à la population d’Antananarivo et de Toamasina en particulier de rester chez eux et de respecter les consignes. « Confinés ne veut pas dire en vacances ! Restez chez vous » a-t-elle souligné. « Le monde souffre, on n’a pas le choix, on est obligés d’attendre que la maladie disparaisse » a  affirmé J Love. Pour l’écrivain comédien Rakotoson, « le coronavirus est une pandémie. Pour cela, mondialisation oblige, elle n’épargne personne. Face à une nécessité internationale, qui a réorienté les priorités, les artistes sont parmi ceux en première ligne quant aux dommages collatéraux. L’art, en cette période, est une cure sociale qui se doit d’être bénévole. Alors oui, le coronavirus nous impacte financièrement, mais il nous donne l’opportunité d’être humainement plus riche car un regard d’amour peut changer une vie, et les artistes en ont à revendre ».

 

Iss Heridiny

Midi Madagasikara0 partages

Faire respecter les règles pour le bien de tous

(Vision) Les autorités se sont raidies après la constatation de l’insouciance, pour ne pas dire  de l’inconscience, d’une partie de la population prenant à la légère les consignes édictées. Ceux qui ne respectent pas la discipline pourtant nécessaire pour le bien de  tous n’ont pas pris la mesure du danger qu’ils courent et qu’ils font courir à l’ensemble de la communauté. Le message qui a été passé n’a peut-être pas été suffisamment compris par ces derniers. Comme les règles du couvre-feu ont réussi  à être respectées, il est temps de faire prendre conscience aux récalcitrants de manière assez stricte que le respect des recommandations des autorités sanitaires est nécessaire.

Faire respecter les règles pour le bien de tous

La vue des milliers de Tananariviens marchant côte-à-côte dans les quartiers d’Andravoahangy, d’Analakely,, d’Isotry ou des 67 ha créé un véritable sentiment de malaise et fait penser que toutes ces personnes n’ont aucune conscience du bien commun. Si cet état d’esprit s’installe, la lutte contre la propagation du COVID-19 a peu de chance d’être menée jusqu’au bout. La stratégie mise au point par l’équipe chargée de la mener est claire : les mesures de confinement et les règles simples à suivre sont nécessaires et elles doivent être complétées par celles des équipes médicales chargées du dépistage et de l’hospitalisation des personnes contaminées. Mais ces efforts peuvent ne pas suffir et la négligence de certains peut amener une explosion de l’épidémie. Le chef de l’État s’en est ému lors de son intervention sur les chaînes de télévision et de radio. Les responsables ont déploré cette attitude qui frise l’inconscience. Ils vont certainement sévir. Hier, des barrages ont été mis en place à Ankorondrano et  à Andravoahangy. On verra comment vont avoir lieu les contrôles qui vont certainement être mis en place dorénavant. En fait, ce sont des milliers de personnes qui devront être recadrées. Est-ce que la force sera utilisée ? Une solution doit absolument être trouvée.

Patrice RABE

Midi Madagasikara0 partages

Trois milliards d’êtres humains confinés à cause du COVID-19

(Midirama) La lutte contre le COVID-19 va entrer maintenant dans sa deuxième semaine et toutes les forces vives de la Nation y participent activement. Le chef de l’Etat et le gouvernement la conduisent avec détermination et tous les efforts sont tendus vers un seul objectif : faire échec à la propagation de l’épidémie. C’est une organisation bien rodée qui coordonne les opérations. Personnels de santé, forces de l’ordre et même de simples bénévoles font corps pour veiller à l’application des mesures nécessaires à cette lutte. Les régions d’Analamanga et de Toamasina sont sous confinement. Le reste du pays devrait suivre. Le dépistage des cas de contamination va maintenant s’opérer à une échelle plus importante qu’au début, après l’arrivée des kits offerts par le milliardaire chinois, fondateur de l’entreprise Alibaba. Jusqu’à présent, 24 personnes sont contaminées, l’une d’entre elle étant affaiblie par la maladie mais potentiellement hors de danger. Cependant tous les efforts menés par les autorités sanitaires pourraient être vains à cause de « l’insouciance » d’une certaine frange de la population dont le comportement frise l’indiscipline. Les consignes de confinement et de respect des règles à adopter lors des déplacements sont totalement bafouées par ceux qui fréquentent les marchés de la capitale. Le rappel à l’ordre des responsables a été lancé à plusieurs reprises sans aucun effet. Des mesures coercitives vont être prises. Hier, des barrages ont été établis par les forces et ont permis d’établir un filtrage sévère des piétons et des automobilistes. Madagascar s’est mise à l’heure de la lutte contre le COVID-19 et tout le monde doit être conscient qu’il est nécessaire d’être uni pour arriver indemne au bout de ce long combat dont il faut sortir vainqueur. 

La lutte contre le COVID-19 concerne maintenant plus de 64 pays. Le continent africain est lui aussi concerné. Les premiers cas de contaminations ont été révélés et la majorité des nations africaines sont maintenant touchées. La propagation du virus commence et les mesures prises par les dirigeants sont drastiques. Cela va de la fermeture des frontières aux mesures de confinement. L’Afrique du Sud, qui compte 1 000 cas de contamination, vient de connaître ses deux premiers décès. Devant l’ampleur de la propagation du virus, le président Cyril Ramaphosa a décrété l’état d’urgence sanitaire. Les 66 millions de Sud-africains sont soumis depuis hier à un confinement total. L’Algérie, le Sénégal, la Côte d’Ivoire, le Mali, le Burkina Faso et de nombreux autres pays africains ne sont pas en reste et ont adopté des mesures similaires. Le Maroc et la Tunisie, quant à eux, ont décidé d’utiliser le traitement de leurs malades à la chloroquine, ce médicament qui fait débat en ce moment.

L’Europe est devenue maintenant un foyer important l’épidémie de COVID-19. Avec plusieurs dizaines de milliers de cas de contamination et de décès. L’Italie est toujours en tête, elle est suivie par l’Espagne et l’Allemagne. La France connaît une progression de l’épidémie, mais elle n’est pas en surchauffe.

Ce sont les Etats-Unis qui sont maintenant au début d’une pandémie de très grande ampleur. Ils comptent aujourd’hui près de 100 000 cas de contamination et des dizaines de milliers de morts. Les mesures de confinement ont été décrétées dans les grandes villes comme New York et l’inquiétude grandit à cause de la faiblesse du système de santé américain, laissant une grande partie de la population sans couverture sociale.

Près de trois milliards d’êtres humains doivent maintenant se prémunir contre la propagation du COVID-19 et ont l’obligation de se soumettre à des mesures de confinement sévère. L’OMS est extrêmement pessimiste à propos de la fin rapide de l’épidémie. Le monde vit au rythme de la propagation de ce fléau et semble s’être adapté à un nouveau mode de vie. La sortie du tunnel est encore loin et on peut dire qu’une nouvelle ère est en train de s’ouvrir. Après le coronavirus, rien ne sera plus comme avant.

Patrice RABE