Les actualités Malgaches du Jeudi 28 Mars 2019

Modifier la date
Midi Madagasikara25 partages

Villa Elizabeth et Jardin d’Antaninarenina: Ultimatum de 72 heures pour la libération des employés des ...

Les syndicalistes des Services des Domaines dénoncent une justice à deux vitesses.

Les syndicalistes des Services des Domaines donnent 72 heures pour la libération de leurs collègues actuellement incarcérés à Antanimora.

La tension monte de plusieurs crans du côté d’Anosy. Hier, les syndicalistes issus des différents syndicats au niveau des Services des Domaines ont haussé le ton en revendiquant la libération de leurs collègues incarcérés dans le cadre de la vente illicite du jardin d’Antaninarenina et du terrain sur lequel se trouve la villa Elizabeth à Ivandry. Ces deux terrains font partie des domaines publics inaliénables et imprescriptibles. Insatisfaits de l’égalité de traitement des responsables impliqués dans ces deux affaires instruites au niveau du PAC (Pôle Anti-Corruption), les syndicalistes des Services des Domaines donnent 72 heures aux autorités compétentes pour la libération de leurs collègues. « Quatre employés des Services des Domaines sont placés sous mandat de dépôt dans ces affaires, alors qu’ils n’ont fait qu’exécuter des ordres de leurs supérieurs. Ils sont actuellement incarcérés, alors que l’auteur principal, celui qui a donné des ordres, continue de jouir de sa liberté. », a dénoncé hier le président du syndicat des Inspecteurs des Domaines. Parmi les quatre employés des Services des Domaines incarcérés à Antanimora figure un ancien directeur général qui est candidat à l’élection législative dans le district de Fandriana.

Immunité juridictionnelle. Les syndicalistes des Services des Domaines ont fait remarquer hier que la libération de leurs collègues ne devrait pas constituer une entrave à la recherche de la vérité et au bon déroulement des enquêtes relatives à ces ventes illicites des domaines publics. « Le mandat de dépôt ne doit pas être systématique. », ont-ils martelé. A noter que le présumé auteur principal de la vente du terrain sur lequel est construit la villa Elizabeth est un ministre en charge de l’Aménagement du Territoire à l’époque. Or, l’article 13 de la loi n° 2014-043 dispose : « La Haute Cour de Justice est compétente pour juger les actes accomplis, liés à l’exercice de leurs fonctions qualifiés de crimes ou délits au moment où ils ont été commis, par les présidents des Assemblées parlementaires, le Premier ministre, les autres membres du gouvernement et le président de la Haute Cour Constitutionnelle. » Le ministre présumé auteur principal de la vente du terrain sis à Ivandry jouit donc d’une immunité juridictionnelle, contrairement aux simples agents de l’Etat qui sont justiciables devant la juridiction de droit commun. Pour la vente illicite du jardin d’Antaninarenina et du terrain sur lequel se trouve la ville Elizabeth à Ivandry, c’est le PAC qui est compétent pour juger ces derniers.

Grand déballage. Le ministre présumé auteur principal aurait déjà comparu devant le Pôle Anti-Corruption, mais celui-ci aurait été obligé de le laisser libre car il n’est pas compétent pour poursuivre l’enquête. A rappeler que la Haute Cour de Justice est déjà mise en place. Ses membres ont prêté serment le 1er juin 2018. Mais, elle ne peut pas siéger pour juger l’ancien membre du gouvernement faute de l’Assemblée nationale qui doit préalablement voter une résolution de mise en accusation contre l’intéressé. On attend donc la mise en place de la nouvelle Chambre basse. En tout cas, on a appris hier que les quatre employés des Services des Domaines ne sont pas libérés dans les 72 heures, ils passeront à une importante étape de leur revendication. Ce serait un grand déballage sur les ventes de terrains domaniaux effectuées illicitement par des différents hauts responsables des régimes successifs. Dans ce cas, les syndicalistes des Services des Domaines diront non à une justice à deux vitesses.

R. Eugène

Madaplus.info0 partages

Madagascar: Une délégation du Ministère des Affaires étrangères au Koweït.

L’Etat Malagasy a réagi face aux plaintes de femmes malagasy travaillant au Koweït du fait de leur maltraitance. Une délégation spéciale dont des représentants du Ministère des affaires étrangères et du Ministère des fonctions publiques ont atterri dans ce pays arabe.
Le 27 Mars 2019, la délégation a visité le centre de refuge des femmes qui se sont enfuies de la violence de leurs employés. Depuis quelques années, environ 50 femmes par semaine prenaient le cap pour Les pays Arabes et la Chine. A leur arrivée, certaines se plaignent d’avoir subi des violences de tout genre : viol, coups et blessures. L’Etat Malagasy est en cours de négociations.
Tia Tanindranaza0 partages

Tolom-panafahana 29 martsa 1947Mihamangina ny fahatsiarovana

29 martsa 1947 – 29 martsa 2019. Feno 72 taona rahampitso ny nisian’ny raharaha 29 martsa 1947.

 Samy nanana izay namaritany sy niantsoany ny zava-nitranga tamin’izany fotoana izany amin’ny ankapobeny ireo mpandinika raharaham-pirenena sy tantara. « Tolom-piavotana », hoy ny fampianarana sy fampatsiahivana azy eny amin’ireo ambaratonga fototra. « Tolom-panafahana » kosa ho an’ireo manomboka mihazo ny ambaratonga faharoa raha izay resaka fampianarana tantara ny dimby sy fara izay hatrany no asian-teny.

 

Tsiahy fohy

Feno 50 taona no nisian’ny fanjanahantany teto Madagasikara (1896 – 1946). Efa maro ireo hetsika nanoherana ireo endrika tsindrihazolena nataon’ny mpanjanaka toy ny asa an-terivozona sy tsy misy karama ary ny asa 30 andro izay asa tsy maintsy ataon’ny tovolahy feno 18 taona. Anisan’ireo nanoherana ny Frantsay koa ny karatra isan-dahy izay aloa isan-taona, miampy ny fanadiovana ny arabem-panjakana. Voalaza ho tsy zaka indrindra tamin’izany moa ny atao hoe SMOTIG na “service de main d’oeuvre pour les travaux d’intéret général”. Io ilay asa an-terivozona manao lalana , tetezana, tonelina. Ny lalamby mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, Antananarivo sy Antsirabe, Fianarantsoa sy Manakara dia tamin’ny alalan’ny SMOTIG avokoa no nahafahana nanatontosa azy. Tao koa ireo tranom-panjakana isan-karazany. Maro tamin’ireo mpiasa no voalaza fa matin’ny hanoanana noho ny tsy fahampiana sakafo, ary mba hialana amin’izany dia nandositra ny tanàn-dehibe mba tsy voaantso ireo mbola velon’aina. Ny ankizy mianatra tamin’izany dia vitsy fa nampiasain’ny colons amin’ny karama varimasaka ny ankamaroany. Ny zanaky ny manan-katao ihany no afaka mankany an-tsekoly. Taty aoriana, nisy sekoly naorin’ireo misionera katolika sy misionera protestanta, anglikanina. Teo koa ny sekolim-panjakana, ny Ecole regionale isaky ny faritany 6. Ireny rehetra ireny dia namoaka ankizy vita fianarana araka ny sokajy sy lalàna napetraky ny fanjakana Frantsay  izay nomeny anarana C.E.S.D (Certificat d’Etude du Second Degré ). Izany no voalaza ho fari-pahaizana ambony indrindra azon’ny Malagasy norantovina tamin’izany.

VVS

Noho io fanerena ny fari-pahaizana tsy ho lasa lavitra io moa no nahatonga ny fitraoran’ireo tia karokaroka hitady izay fomba rehetra ahafahana mandranto fianarana ambony kokoa. Voalaza fa anisan’ny nanampy betsaka ireo tia tanindrazana teto Madagasikara ireo tia tanindrazana tao Parisy, renivohitr’i Frantsa. Anisan’izany ny dokotera Raseta, Ravoahangy Andrianavalona, Raherivelo Ramamonjy sy ny maro hafa. Nanamafy ny fitondrany ny mpanjanatany, ka vao mainka nanenjika ireo mpianatra na dia niafina araka izay azo atao aza. Nahita irika foana hamelezana ny mpianatra foana ny fanjakana frantsay ka maro tamin’ireo dokotera no resy lahatra namorona ny fikambanana miafina antsoina hoe Vy, Vato , Sakelika na VVS. Efa mahina ireo Frantsay, ka anisan’ny voasambotra tamin’izany ireo mpianatra sy olon-kafa tany ivelany toa an’i dokotera Raherivelo Ramamonjy , dokotera Razafimanisa, dokotera Olafson Rajaonarison, pastora Ravelojaona, pastora Rabary, mompera Manifatra Venance, Raphaël, Rafiringa , Rabenja. Nosamborina ary nampijaliana sady nalaina am-bavany nandritra ny fotoana maharitra, nalefa tany Nosilava, nisy natao sesitany tany Port-Berger, Sainte Marie, Maintirano sy Diego izy ireo, raha ny tantara hatrany. Rehefa notanana maharitra anefa dia novotsorana ihany, kanefa mbola narahi-maso nandritry ny fotoana naharitra.

22 febroary 1946

Ny 22 febroary 1946 no natsangan’ireo Malagasy tia karokaroka “tia tanindrazana” tao Parisy ny antoko politika MDRM na “Mouvement Démocratique de la rénovation Malgache” izay notarihin’ireo manampahaizana Ravoangy sy Raseta ary Rabemananjara. Nahagaga ireo mpahay tantara ihany ny fipariahan’ny tolon’ity antoko ity vetivety nanerana ny nosy ary herintaona mahery kely taorian’ny niorenany no nipoaka ny raharaha 29 martsa 1947. Napetraky ny fitondrana mpanjanaka entina hanoherana ny hetsiky ny MDRM moa ny fananganana ny antsoina hoe PADESM na “Parti des deshérités de Madagascar” izay voalaza fa nanorenana adim-poko satria ireo mponina avy any amin’ny faritra no nandrafitra azy raha ny teto afovoan-tany no nandrafitra ny MDRM.

 

Tabataba 1947

 

Tia Tanindranaza0 partages

Mpiasan’ny orinasa SIRAMAMiandry ny vahaolana avy amin’ny fanjakana

Niakatra aty Antananarivo mihitsy ireo solontenan’ny mpiasan’ny orinasa SIRAMA Nosy Be sy Brickaville hangataka fihaonana amin’ny fitondram-panjakana.

 Nanambara izy ireo omaly alarobia 27 martsa tetsy Anosy fa misy tsaho naely amin’ny haino aman-jery sasany izay milaza fa tsy ara-dalàna ny fitokonan’ny mpiasa. Misy ihany koa, hoy izy ireo ny lainga afafy etsy sy eroa ka nilazana hoe mpiasa 50 monja no mitokona ary 600 ny olona ampiasain’ny Kaompania Vidzar. Tsy marina izany rehetra izany, hoy izy ireo. Olona 2 notambazana vola no tsy manao grevy any fa ny mpiasa iray manontolo dia mitokona avokoa.  Tsiahivina fa efa am-bolana maro ity tolona ataon’ny mpiasa ity ary mitohy tsy mety milamina hatramin’izao. Miandry ny fahaiza-manaon’ny fanjakana izy ireo amin’izao ary mangataka ny hanafainganana ny fitsirihana (audit) ataon’ny tompon’andraikitra. Nilaza ihany koa izy ireo fa tsy tokony hisy intsony ny kitranoantrano amin’ny mpiara-miombon’antoka Kaompania Vidzar izay fositra nanmpitotongana ny orinasa hatramin’izao. Tofoka tanteraka ireo mpiasa mitolona ary nilaza mihitsy fa fanapotehana no atao fa tsy fanarenana raha mbola ny Kaompania Vidzar no hiarahana miasa. Antso avo no ataon’izy ireo ary mangataka amin’ny fanjakana handray vahaolana haingana. Efa betsaka ny fanairana sy ny fitarainana nataon’ireto mpiasa ireto nandritra izay 9 volana izay saingy hatreto aloha dia tsy misy valiny mahafapo sy fandraisana andraikitra matotra avy amin’ny fitondrana mihitsy.  

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindranaza0 partages

Sakafo miditra eto MadagasikaraMisy manala ny otrikainy

Notanterahana omaly tetsy amin’ny Carlton Anosy ny atrikasa momba ny fanjarian-tsakafo eto Madagasikara izay nandraisana sehatra iraisam-pirenena maromaro miantsehatra amin’izany toy ny ONN, PAM, BASF.

Isan’ny olana ho an’ireo firenena an-dalam-pandrosoana toa antsika tokoa, raha ny fanazavana, ny tsy fahaizana mandanja ny sakafo ho anintsika indrindra ny mikasika izay otrikaina miditra amin’ny vatantsika izay. Ao anatin’ireo karazan-tsakafo toy ny vary sy lafarinina moa no tena mora ahafahana mampiditra izay otrikaina izay ary isan’ny sedra lalovan’ireo sakafo miditra eto Madagasikara anefa dia misy manala ny otrikaina ao anatin’izy ireny rehefa tonga eto. Mora anefa, hoy hatrany ny fanazavana, ny vidin’ny otrikaina satria ny vitamine A izay tena ilaina amin’ny fahasalaman’ny zanak’olombelona indrindra, ohatra, dia 7 ariary monja ny 1 tavoahangy. Mahatratra 47% moa ny tahan’izay tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara izay ary ny mahatratra 45,5%n’ireo zaza latsaky ny 5 taona no mbola miaina izany ary faha 4 amin’ireo firenena miaina tsy fanjarian-tsakafo isika. Tanjona ny hanena ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo eto amintsika ho 35% amin’ny taona 2021, raha ny voalaza hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindranaza0 partages

Fahasalaman’ny eny sy ny zazaNanome vola 4,5 tapitrisa Euros ny Japoney

Nanome 3,2 tapitrisa euros ny Japoney, izay haompana amin’ny tontolon’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. 1,3 tapitrisa euros kosa ho fampitaovana ny fahitalavi-panjakana TVM, raha ny fantatra nandritra ny fihaonan’ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina sy ny minisitra Parlemantera lefitra japoney misahana ny raharaham-bahiny Kenji YAMADA teny Iavoloha omaly.

 

Tia Tanindranaza0 partages

Miandry kabary e !

59 taona amin’ity taona ity no hankalazana ny fahaleovantenam-pirenena. 61 taona ny repoblika voalohany. 72 taona rahampitso kosa no hahatsiarovana ny raharaha 29 martsa 1947.

 

“Tolon’ny maherifo”, “tolom-piavotana”, “tolom-panafahana”. Samy manana ny fiantsoany sy ny famaritany ny zava-misy tamin’izany fotoana izay rehetra mahalala ny fisian’io tantara io. Ny tantaram-pirenena eo ihany fa ny fiovana na ny fivoarana ho soa novokarin’ireny tolona nanan-tantara ireny kosa no mahasorena matetika ny mieritreritra azy. 72 taona izany izao no nitakiana fahafahana ary azo lazaina hoe efa 59 taona farafahakeliny kosa no nilazana fa azontsika izany. Maha tonga saina anefa ny fanehoan-kevitra tanora iray mikasika ny raharaham-pirenena fa ny mba nisongadina tamin’ny vokatr’ilay tolona niandoha tamin’ny 72 taona lasa io dia mbola izao iainantsika ankehitriny izao. Fahantrana lalina. Dia toy ny mahazatra rehefa maheno mpanao politika hoe tokony hovana ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara indray aloha izany isika rahampitso. Firy isan-jaton’ireo mpanao politika eto Madagasikara moa no efa niteny fa tokony hovaina tokoa ny fomba fanaovana politika eto ary efa hatramin’ny oviana ? Ny zava-misy anefa dia tsy manalasala ny milaza azy hoe miha mitotongana ny foto-pisainana entina manao politika eto Madagasikara. Efa ny ankamaroan’ny olom-pirenena izao no mitabataba fa mila jerena ny fanajana ny andininy faha-49 ao anatin’ny lalàna mikasika ny fifidianana izay mamehy fa tsy tokony hitondra ny anaran’ny filoham-pirenena ny fikambanana na vondrona na antoko politika iray. Amin’izao dia izany mihitsy no kasain’ireo mpanao politika sasany entina handaniany ny kandidany saingy jeren’ny CENI sy ny HCC fotsiny na dia efa nohamafisin’ny iray tamin’ireto rafitra ireto fa tsy tokony hatao aza. Lasa vazivazy zarintenan’ny kandida tsy miankina sasany moa ny hoe izahay koa mba hampiasa ny sarin’ny filoham-pirenena amin’izay lany. Tsetsatsetsa tsy aritra heverina ho ilaina moa ny firesahana lavalava an’izay saingy ny rahampitso aloha izay dia miandry kabary indray ny rehetra satria azo antoka fa ho be an’izany sy mpanati-boninkazo eny Mausolé eny fa ny tohiny dia mampametra-panontaniana hoe mba hisy amin’izay ve ny valimbabena ho an’ireny maty ho an’ny firenena ireny dia ny fampandrosoana marina ity nosy ity ?

J. Mirija

Tia Tanindranaza0 partages

Beravina AnalavoryDahalo 16 namono mpivarokena

Efa-bavy tamin’ireo 16 no voasambotry ny zandary tao Beravina, Analavory, distrikan’i Miarinarivo, ny talata 19 martsa 2019 lasa teo. Famonoana mpivarokena iray sy ny vadiny nitranga ny hariva tokony ho tamin’ny 7ora sy fahahefany no antony nisamborana azy ireo.

 

  Araka ny fampitam-baovaon’ny zandary, namono omby maromaro ka nijanona hariva izy mivady niandry ny hena ho lany.  Rehefa nandeha izy ireo no nisy nandrahona hoe "aiza ny vola ?".  Nanapoaka basy ireto olon-dratsy ary nitifitra rehefa tsy nanome ny vola ka teo amin’ny kibony sy ny foto-tsofiny havanana no voa. Avy hatrany dia nomen'ilay vehivavy vadiny kosa ny vola mitentina 9.000.000 ariary rehefa nahita ny fahavoazan’ny vadiny izy.  Nandre ny poa-basy ny zandary ka namonjy ny toerana nitrangan’ny fanafihana saingy tsy tratra ireo olon-dratsy. Ny mpitandro filaminana sasany nitondra ny maratra teny amin’ny hopitaly ary ny hafa kosa nanenjika ireo jiolahy.  Ny maraina tamin’ny 3ora no tratra ny 4 ka ny 3 dia  lehilahy ary vehivavy ny iray. Nanamarina ilay vadin’ny maty fa nisy tamin’ireo jiolahy voasambotra no tsaroany ny endriny. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ny zandary no nahalalana fa nisy “puce” nampiasain’ireto  jiolahy mba hifandraisany tamin’ireo namany ka io no nampiasaina nanaovana vela-pandrika hisamborana ireo namany hafa. Ny alakamisy 21 martsa no voasambotra ny 4 hafa. Rehefa niroso ny fanadihadiana sy ny fikarohana, tafakatra 16 ny voasambotra ka vehivavy ny 4 ary ny 9 tamin’ireo no nandray anjara mivantana fa ny 7 kosa dia firaisana tsikombakomba. Ny zandarimariam-pirenena dia manentana hiantso avy hatrany ny laharana maitso 119 raha misy tranga mampiahiahy.

Haja Nirina

 

.          

 

Tia Tanindranaza0 partages

TRS Scooter Hanokatra ny taom-pilalaovana 2019

Hanokatra ny taom-pilalaovana 2019 eny amin’ny CCI Ivato amin’ny alahady 31 martsa 2019 izao ny Club TRS “Thunder Racing Scoot” tarihan’ny filohany Andrianjaka Jean Patrick “Njaka”.

 Nomarihan’ny sekretera jeneralin’ity klioba TRS ity, Andriamalala Harinjaka Harisson,  izay mpiara-miasa akaiky niaraka tamin’i Jean Patrick tao amin’ny Red Dog teo aloha ihany fa ity no fifaninanana voalohany karakarain’ny TRS taorian’ny nitsanganany ofisialy tamin’ny taona 2018 lasa teo.   Hiarahana misalahy amin’ny FMaM “Federation Malagasy Motocyclisme” ny fikarakarana satria ity koa no hanokatra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagascar  amin’ny taranja Scooter 2019 “1ere manche du championnat de Madagascar”.  Ahitana fifaninanana avokoa ireo sokajy 5 misy amin’ity taranja ity dia ny sokajy “Espoir” (-16 taona) mitondra scooter “standard”, sokajy “feminine”  mbola mitondra scooter “standard” ihany koa, ny sokajy C “Catal”, ny sokajy A misy “refroidisssement à air” ary ny sokajy B “catégorie liquide”.  Hotolorana amboara sy fanomezana hatolotry ny mpanohana avy ireo mpifaninana mitana ny laharana 3 voalohany isaky ny sokajy,  hoy i Njaka.  Marihana fa  hahatratra 4 ireo fifaninanana hahazoana ny Trophée TRS amin’ity taona ity.

Tia Tanindranaza0 partages

Famotsorana an’i Haja kidnappingTaratry ny fanjakan-jiolahy eto ?

Nomena fahafahana vonjimaika i Manantena Hajanirina Dina, izay voarohirohy tamina raharaha fakana an-keriny teratany karana in-droa nisesy.

Niteraka resabe iny raharaha iny, saingy tompon-teny farany ny fitsarana, ka aleo ny rehetra no hitsara. Misy ve ny fahaleovantenan’ny fitsarana eto amintsika ? Tena finiavana avy amin’izy ireo sa nisy baiko midina na kolikoly avo lenta tao ? “Hoentina aiza ity Firenena ity?”, hoy ny fanehoan-kevitra samihafa. Asa na mitovy hevitra avokoa ny mpitsara eo anatrehan’io raharaha io na ahoana. Ny mpanao politika nambara fa manangana fanjakana ao anaty fanjakana, izay tsy tanteraka na tsy nisy akory toa an-dry Pety Rakotoniaina sy Rainidiana Rajoharison gadraina any Antanimora am-bolana maro, ary mbola miandry didim-pitsarana. Ny mpianatr’i Vontovorona nitaky ny zony sy ny zavatra efa tokony hositrahany tsy mila fitakiana nosamborina sy notsaraina ary nohelohina tamin’ny alalan’ny sazy mihantona, fa ny olona voarohirohy amina fakana an-keriny izay sokajiana ho heloka bevava kosa navoaka hiriaria, hoy ny fanehoan-kevitra. Izao tokoa ve no fanjakana tan-dalàna sy miady amin’ny kolikoly ?

Toky R

 

Tia Tanindranaza0 partages

ABQ rugbyNitohy ny fankalazana ny faha-15 taona

Taorian’ny fotoam-panokafana notontosaina teny amin’ny Chapelle Info Centre de la Salle teny Soavimbahoaka ny sabotsy 23 martsa 2019 teo dia notohizana

 

tamin’ny fiarahan’ireo mpikambana nisakafo niaraka tamin’ny raiamandreny Ange Andrianarisoa teny amin’ny tranompokonolona fokontany  Akorondrano Atsinanana Boriborintany faha-3 omaly alarobia 27 martsa 2019  ny fankalazan’ny fikambanana mpanao rugby ABQ “Association du Bas Quartier”. Nitarika azy ireo ny filohany, Razafiarison François Xavier “Fafah”, izay nanolotra fisaorana feno an’ity raiamandreny ity tsy nitsahatra nanampy an-dry zareo nandritra izay 15 taona niorenany izay teo ambany fitarihan’ny Amiraly Didier Ratsiraka.  Nanamafy izay efa nambarany teny Soavimbahoaka tamin’ny sabotsy,  ny raiamandreny  Ange Andrianarisoa nandritra  ity sakafo mitam-pihavanana ity, tamin’ny filazana fa  mendrika  ny hotohanana hatrany ny fikambanana mitaiza tanora tahaka ny ABQ amin’ireo asa rehetra sahaniny, indrindra ny fanentanana  eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena dia ny fiangaliana rugby manokana.

Tia Tanindranaza0 partages

Federasiona Malagasin’ny tsipy kanetibeManan-kery avokoa ireo fifaninanana karakaraina rehetra

Tetsy amin’ny “Boulodrome Paddock Mahamasina”, omaly alarobia 27 martsa 2019, no nanambaran’ny mpikambana roa ao amin’ny FMP « Federasion’ny tsipy kanetibe Malagasy »,

 

 Randriamijorozaka Patrick (filoha lefitra) sy Rambelo Jafetra (mpanolotsaina) fa nivory maimaika ny komity mpitantana an’ity taranja ity nandinika an’ireo fanenjehana sy fanarabian’ny antokon’olona sasany eny amin’ny tambajotra sosialy sy eny amin’ny haino aman-jery samihafa eto amintsika ny federasiona mijoro ankehitriny izay hitondrany fanazavana any  amin’ny Federasiona Iraisam-pirenena amin’ny 1 mey 2019 izao ary koa ny fanakorontanana atao amin’ny fandaharam-potoana efa navoakan’ity rafitra ity rehetra. Nilaza ary taorian’ny fivoriana ny federasiona  fa manankery avokoa ireo fandaharam-potoana efa navoakan-dry   zareo hotanterahina amin’ity taona ity ka mampilaza an’ireo mpilalao avy any amin’ny Faritra ry zareo fa  dia ho raikitra ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara hotanterahina etsy amin’ny Ans Ampefiloha amin’ny sabotsy 30 sy  alahady 31 martsa 2019 ho avy izao ary hitohy hatrany amin’ny dingana manaraka sy ny fanatanterahana ny “Grande Finale”. Nambaran-dry zareo koa fa tahaka ny efa handraisan’ny olon-telo miaraka vehivavy Malagasy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika  any Tonizia ankehitriny ka naharesy an’i Lalatiana sy Hasina ary Mirana y Lila teo amin’ny lalao famaranana raha nikatroka tamin’i Tunisie ary nahavoahosotra ho tompondaka eran-tany 2019 an’i Hasina teo  amin’ny “Tir de precision” dia mbola handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “triplette homme” hotontosaina any Togo amin’ny volana jona 2019 sy amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany  amin’ny “tête à tête” lahy sy vavy  sy “doublette” lahy sy vavy ary “doublette mixte” hotontosaina any  Espagne amin’ny volana mey 2019 izao ireo solontenantsika.

 

Tia Tanindranaza0 partages

Fampiroboroboana ny tontolon’ny fandraharahanaHizara traikefa ny Belza

Amin’ny alatsinainy 20 ka hatramin’ny sabotsy 25 meyy ho avy izao dia hanatanteraka iraka any amin’ny Nosy La Réunion, Maorisy ary eto Madagasikara ireo solontenan’ny orinasa avy any Belza.

 

 Hisy mihitsy ny fihaonana mivantana amin’ireo mpandraharaha eto Madagasikara ny 22 mey etsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina izay ny AWEX (Agence Wallone à l’Exportation et aux Investissements Etrangers) miaraka amin’ny Fivondronan’ny Orinasa eto Madagasikara (GEM) ary ny Tranoben’ny Varotra sy Indostria Antananarivo no tompon’antoka. Tanjona ny hisian’ny fiaraha-miasa maharitra amin’ireo orinasa avy any Belzika sy ny eto an-toerana amin’ny sehatra fandraharahana. Samy hijery ny tsena azo trandrahana ny roa tonta. Efa nisy ny fahatongavan’ireo orinasa miisa 22 avy any Belzika nankaty Madagasikara  ary amin’ity fitsidihana manaraka ity dia ireo orinasa misehatra amin’ireo fitaovana ho amin’ny ivom-pamatsiana herinaratra, ny fakon’ny hopitaly, ny rano sy ny tontolo iainana sy ireo hafa no ho avy eto Madagasikara. Hanatsara ny fifandraisana ara-barotra amin’ny firenena roa tonta izany ary mbola ho fanamafisana ihany koa ny fifanaovan-tsonia natao tamin’ny volana mey 2018 izay nahazoan’i Madagasikara 8 tapitrisa Euros hanamboarana centrales hybrides photovoltaÏques/diesel.

Tsirinasolo

Tia Tanindranaza0 partages

Ketrika.comManome fihenam-bidy 15 ka hatramin’ny 50%

Notanterahina nanomboka omaly etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny hetsika La grande braderie de Madagascar andiany voalohany amin’ity taona ity.

 

 Haharitra dimy andro izany ahitana tranoheva manodidina ny 300 isa.  Ankoatra ireo mpandray anjara efa mahazatra dia nambaran’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Madavision fa misy ihany koa ireo mpandray anjara vaovao miezaka manome fahafaham-po ny mpanjifa. Anisan’ireny ny ketrika.com eo anivon’ny vovonana Vidy Varotra izay mivarotra entana mora kokoa noho ny eny an-tsena amin’ny alalan’ny tranonkalam-pifandraisana sady azo antoka ny kalitaony. Entana maro samihafa no hampahafantarin’izy ireo eny an-toerana  ahitana ny sokajy rehetra. Nomarihin’ny mpikarakara moa fa misy hatrany ny fihenam-bidy 15 ka hatramin’ny 50 % ho an’ireo izay liana amin’izany raha misy ihany koa ny entana vaovao tsy mbola fahita mihitsy.

 

Pati

 

 

Tia Tanindranaza0 partages

Fahatongavan'ny Papa FrançoisNy Eveka miantoka ny vola fa an’ny fanjakana ny filaminana

Vonona hiantoka ny fandriampahalemana ny fanjakana. Nisava kosa ny ahiahy sy ny fireharehana.

 

Tsy ny fitondrana no hiantoka ny fandaniana, ny fivondronamben’ny evekan’i Madagasikara no tompon’ny fanasana sy hiantsoroka ny ara-bola rehetra, araka ny fanambaran’ny solontenan’ny Papa Ray Masina, Monseigneur Paolo Rocco Gualtieri, omaly nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety mikasika ny fahatongavan’ny Papa François, ny volana septambra izao. “Vaindohan-draharahan'ny fitondrana ny fitandroana ny filaminana, tsy atao ambanin-javatra izany.” Io no valin-tenin'ny solontenam-panjakana, Andriamparany Ramanatsitohaina, izay ao anatin'ny komity mpanomana ny fahatongavan'ny Papa Ray Masina manoloana ny fakana an-keriny sy ny fanafihana mitam-piadiana mirongatra eto Madagasikara, araka ny fanontaniana napetraky ny mpanao gazetinay. Omaly tamin'ny 2ora tolakandro no nanambara ofisialy io fitsidihana eto amin'ny Nosy io ny 6 ka hatramin'ny 10 septambra, ny solontenan'ny Fiketrahana masina monina sy mipetraka eto Madagasikara, teo amin'ny Nonciature Ivandry. Nifandimby nandray fitenenana ireo solontenan'ny Eveka tonga teo nanazava fa mila fiomanana amin'ny lafiny rehetra, indrindra ara-panahy izao fitsidihana apostolika izao iandrandrana ilay "Mpamafy fiadanana sy fanantenana", araka ny teny manentana. Ny fivondronamben'ny Eveka no mandamina sy mizaka ny fandaniana ara-bola, araka ny fanambaran'ny Nonce Apostolique izay masoivohon'ny Vatika eto amin'ny ranomasimbe Indianina, omaly nandritra ny famelabelaran-kevitra ho an'ny mpanao gazety. Amin'ny maha filohan'ny fanjakana Vatikana ny Papa Ray Masina, ny filoham-pirenena mivady no handray azy voalohany eo amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, ny tolakandron'ny 6 septambra. Hitohy amin'ny fitsidihana eny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha izany. Hihaona amin'ny mpitondra sy ny mpanao politika ary ny firaisamonim-pirenena ny Papa. Hidinika hiaraka amin'ireo Hery velon'ny fiangonana katolika, indrindra ny pretra sy relijiozy koa izy. Ny alahady 8 septambra izy no hitarika lamesa eto Antananarivo izay fihaonamben'ny Kristianina katolika manerana ny Nosy. Hihazo ny Nosy Maorisy izy ny alatsinainy  9 septambra  ary hiverina  eto Madagasikara ny harivan'io. Ny talata 10 septambra ny Papa no hiverina hitodi-doha any Roma. Tsiahivina fa 30 taona katroka amin'ity taona ity ny fitsidihan'ny Md Papa Joany Paoly faharoa teto Madagasikara.

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindranaza0 partages

Kaominina Alasora sy Carry le Rouet FrantsaMatotra ny fiaraha-miasa

Tao anatin`ny roa taona dia nisy fiaraha-miasa teo amin`ny kaominina Alasora sy ny kaominina Carry Le Rouet any Frantsa izay mampifandray mpianatra sy ankizy tanora ao anatin’ireo kaominina roa ireo.

 

Tamin`ny taon-dasa no  nanomboka ny fiaraha-miasa izay nanaovana fifaninanana horonantsary fohy (film de poche) momba ny fiainan’ireo tanora any an-tokantranony na any am-pianarana na koa eny amin`ny fiarahamonina .Izy ireo no mamorona ny horonan-tsary. Tamin` ny taon-dasa, 20 ireo nifaninana ka 12 no nahazo loka. Tamin`izay fotoana izay, ny kaominina Alasora no nahazo ny loka voalohany. Nitohy tamin`ity taona ity ny fiaraha-miasa ka mbola lasan’ireo mpianatry ny lisea TASC Alasora ihany ny amboara. Omaly no nanolorana ny loka natrehin’ny Ben’ny tanàna Marc Ramiaranjatovo. Matotra ny  fiaraha-miasa eo amin`ny kaominina roa tonta.  Tsiahivina fa ny tanora no anisan`ny fanohitra afaka mitondra fampandrosoana ao anatin’ny firenena misy azy. Notohanan’ny kaominina hatrany izy ireo tamin’ny fanatontosany ireo horonantsary nofidiany. Tsy  mijanona amin`ny fanabeazana sy ny tanora ihany fa mivelatra kokoa amin`ny fanatanterahana fotodrafitrasa ny fiaraha-miasan’ny kaominina roa tonta. Ho avy tsy ho ela ny boky, jiro, fiara… tsy ampiasain’ity kaominina iray any Frantsa ity intsony homena maimaimpoana ny kaominina Alasora.

Pati sy Marigny

 

Tia Tanindranaza0 partages

Miaka-pofona ny mpiasan’ny “Domaine”Nanome 72 ny fanjakana

Nanao fanambarana ny sendikan’ny “Controleur des domaines”, ny sendikan’ny “Assistant Rédacteur des Domaines ary ny mpiara-miasa aminy rehetra manerana ny Nosy noho ny fampidirana am-ponja vonjimaika ny naman’izy ireo.

 

 Miisa 3 no nidoboka am-ponja vonjimaika noho ny raharaha tany misy ny Villa Elisabeth miorina amin’ny tany atao hoe “Saint Antoine IV” TN 16.684-A. Tafiditra ao anatin’io ny Tale jeneralin’ny fananan-tany teo aloha Hasimpirenena Rasolomampionona, izay kandida depiote lohalisitry ny IRD (Isika miaraka amin’I Andry Rajoelina) any Ifanadiana. Iray kosa mahakasika ny zaridainan’Antaninarenina no nampidirana am-ponja azy. Ny 14 martsa no nampidirana am-ponja vonjimaika ireo namany taorian’ny fanadihadian’ny PAC (Pôle Anti-Corruption). Fanatanterahana baiko avy amin’ny tompon’andraikitra ambony no nataon’izy ireo, hoy ny namany. Tsy lavinay ny fanadihadiana izay mety hataon’ny fitsarana mahakasika ny fanatanterahanay ny asanay, fa angatahanay kosa mba tsy ho fampidirana am-ponja avy hatrany kanefa dia tao anaty fankatoavana ny lehibe sy fanatanterahana baiko no nanaovana izany, hoy izy ireo. Mangataka ihany koa izy ireo mba hitovian’ny rehetra ho an’izay rehetra nanana andraikitra ao anatin’izao raharaha izao, indrindra fa ny resaka fampidirana am-ponja, ka tsy ny namany mpanatanteraka baiko ihany no miditra any, fa ny mpanapa-kevitra sy ny mpividy (auteur principal) afaka miriaria. Hentitra ny sendikan’ny mpiasan’ny fananan-tany nilaza, fa “tsy ny fampidirana am-ponja mpiasa mpanatanteraka baiko no atao hoe miady amin’ny kolikoly”. Noho izany dia mitaky tsy misy fepetra ny famoahana ny namany izy ireo, ka manome 72 ora ny fanjakana mahefa. Raha dila io fe-potoana io, ka tsy mivaly ny fitakiana dia milaza ny handray fepetra hentitra mifandraika amin’izany izy ireo. Misy olona ambony mety mbola ao anaty fanjakana na efa tsy ao intsony izany no tompon’antoka. Tany amin’ny taona 2012 no nanomboka nandeha io aferan’ny Villa Elisabeth io, raha ny fanadihadiana natao. Iza no tompon’andrakitra ambonin’ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany tamin’izany ? Tsy voakitika ny minisitra tompon’andraikitra nanasonia ny taratasy, hoy ny fanehoan-kevitra efa nandeha. Tsy hisy afera mikasika tany na fivarotana tany amin’ny sinoa sy karana izany eto, raha tsy mahazo fahefana avy amina manampahefana ambony, saingy tsy voakitika ireny. Mety ny faratampony eto amin’ny firenena mihitsy no atidoha na manome vahana an’ireny. Tsaroana rahateo ilay fanambarana teny Antsonjombe nataon-dRajoelina ny 3 novambra 2018 hoe: mivarotra 100ha fotsiny isika, dia mahavita zavatra be. Atao mahagaga ve raha manomboka midingin-drambo ny sinoa sy ny karana ? Ry Jean Nirina Rafanomezantsoa mba nijoro sy tsy nankasitraka ny mety heveriny ho tsindrihazolena amin’ireo resaka tany lasan’ny vahiny io indray ary izao nogadraina.

Toky R

 

 

Tia Tanindranaza0 partages

Fiarahana kandida sy ny filoham-pirenenaVato mandondona an-dRajoelina

Miteraka resabe amin’izao ny fisiana vondrona politika mandrotsaka kandida ho depiote mampiasa ny anaran’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, ao anatin’ilay vondrona entina hampandaniana ny kandidan’izy ireo.

Araka ny hevitry ny mpahay lalàna, Willy Razafinjatovo na Olala, dia mazava ny voalazan’ny lalàna fa tsy azon’ny filoham-pirenena atao izany ary efa nanamafy izy fa filohan’ny Malagasy rehetra. Jeren’ny HCC fotsiny moa ilay izy, hoy izy, ary minia mandika lalàna angamba ny HCC. Izy ireo rahateo koa moa, hoy ity mpahay lalàna ity, no tompon’ny fanapahan-kevitra farany ka na holazainy fa mainty aza ny fotsy dia izay izany no izy ary mirary antsika hazoto homana, hoy hatrany i Olala. Gaga kosa ny kandida ao amin’ny boriborintany faharoa, Jean Navandahy Ratiharison, raha nanambara fa ny CENI mihitsy no efa nilaza fa tsy azon’ny filoham-pirenena no mandika io andininy faha-49 momba ny lalàna mikasika ny fifidianana io. Efa nilaza ny filoham-pirenena fa filohan’ny Malagasy rehetra, hoy izy. Izahay koa raha tsy misy fepetra horaisin’ny manampahefana manoloana izao dia mba hampiasa ny sary sy anaran’ny filoham-pirenena ao anaty bileta anay koa. Mba eritrereto anie no mba endri-pifidianana hisy eto raha izany no mitranga e ? Ary ny hoavin’ny politika eto Madagasikara koa izany hanao ahoana ? Azo lazaina ho vato mandondona ho an-dRajoelina ihany ity resaka ity raha tsy mitandrina izy.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindranaza0 partages

Andry RajoelinaTena tsy mahafehy firenena

Nisy taratasy niparitaka teny amin’ny faritr’Antehiroka omaly fa ho avy hanafika ny dahalo, nihorohoro ny mponina teny Mamamba, Amparoratra sy Ambohijanahary Antehiroka nahare azy io.

 “Efa tena sahy miakatra an-tanàn-dehibe ve izany ny dahalo amin’izao fotoana ?”, hoy ny mponina. Tsy mbola fahita teny amin’iny faritra iny mihitsy izany hatramin’ny naha Antehiroka azy. Ny any Tsaratanana dia efa niaraha-nahalala ny vaovao fa kandida depiote izao no nisy naka an-keriny ary dia maty notapahin-doha. Nialoha io, efa tsy tambo isaina ireo fakana an-keriny nahalasibatra ny mpandraharaha, mpianatra, mpitsabo, mpivarotra. Olona 16 be izao kosa no voasambotra tany Analavory, faritra Itasy ny talata lasa teo, asan-jiolahy sy firaisana tsikombakomba no antony. Tetsy Behoririka, karana vavy iray no maty nisy namono tao an-tranony ny faran’ny herinandro teo. Mbola maro tsy hotanisaina ny herisetra, fanendahana isam-pokontany mampihorohoro ny olona na rehefa hivoaka ny trano io na rehefa mody avy miasa na avy mianatra. Novoizin-dRajoelina sy natao litania ary resahina amin’ny IEM ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Efa in-droa miantaona no nampirantirantiana ireo fitaovam-piadiana teny amin’ny CCI Ivato avy eo nandritra ny fianianan’ny filohan’ny repoblika vaovao teny Mahamasina. Noresahana hatramin’ny hoe hividy “drone” sy elikoptera na angidimby. Nambara aza fa ho avy afaka roa volana ilay angidimby. Ny zava-misy dia vao miha mirongatra ny asan-jiolahy na dia eo aza ny hetsika ataon’ny mpitandro filaminana. Ny ara-tsosialy dia tampi-maso vary mora no natao, tsy re tsaika intsony ny hoe karama farany ambany 200 000 ariary. Ny sehatry ny fahasalamana dia 611 no matin’ny kitrotro. Mitohy ny fitarainan’ireo marary sy manana marary samihafa fa manakaiky ny kitoatoa ny fikarakarana eny amin’ireo hopitalim-panjakana. Tsy manam-bola handehanana eny amin’ny toby fitsaboana tsy miankina anefa ny daholobe. Mijanona ho resadresaka fotsiny ihany koa ny diplaomasia satria re fa miketrika fihaonana amin’ireo mpiara-miombon’antoka ny fanjakana mba hikarohana famatsiam-bola. Ny hita aloha dia mihen-danja ny vola Malagasy. Ny sehatry ny angovo moa dia io iaraha-mahita isan’andro io ny delestazy, ny fahatapahan’ny rano. Izany rehetra izany no mahatonga ny olona hiteny fa tsy misy zavatra voafehin’ny fitondram-panjakana tarihan-dRajoelina eto. Sehoseho sy famonoan’afo ary fanampena-maso no betsaka fa raha ny tena fiahiana ny fiainana sy ny fitadiavan’ny Malagasy dia “zero” ny naoty; ny mampanahy ny rehetra aza izao dia hiverina indray ny voka-pifidianana hafahafa amin’io fifidianana solombavambahoaka amin’ny 27 mey io. Miha hita soritra hatrany fa tsy mbola ampy traikefa amam-pahalalana hitantana firenena i Andry Rajoelina fa natosika fotsiny ho filoha, noho ny antony tsy fantatra…, ary na ireo mpiara-dia aminy aza efa maro ny latsa-nenina sahady 2 volana aty aorian’ny nitondrany.

Toky R

 

 

Tia Tanindranaza0 partages

Nirefodrefotra ny varatra3 maty teo no ho eo, 2 naratra mafy

Olona 3 no indray maty tsy tra-drano teo no ho eo, ary 2 kosa naratra mafy ka nentina haingana novonjena tany amin’ny hopitaly satria tena nahiana ny ainy.

 

 Nilatsaham-baratra omaly alarobia 27 martsa tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro ireo olona 5 ireo. Tao amin’ny kaominina Sandrakatsy any Mananara Avaratra no nisehoan’ity loza mahatsiravina ity.  Nialoka teo am-body hazo izy ireo noho ny ora-nikija no tratran’izao loza izao, raha ny fampitam-baovao vonjimaika. Toerana anisan’ny misintona varatra ny vodihazo rehefa amin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra, ka izay no mety nahalasibatra tsy fidiny ireto olona miisa 5 ireto, izay hirariana mba ho sitrana soa aman-tsara ireo naratra mafy, ary ho tsara levenana kosa ireo maty noho ny hetraketraky ny natiora.

Toky R

 

Midi Madagasikara0 partages

Le chemin difficile de la démocratie en Afrique

Après Madagascar, la République Démocratique du Congo et le Sénégal, c’est au tour de la République des Comores de passer par la case « élection présidentielle » Alors que les trois premiers pays cités ont réussi à passer ce cap sans incident majeur, le résultat du scrutin qui s’est tenu dans l’archipel le week-end dernier est objet de contestation. La situation en Algérie semble moins tendue après la prise de position du chef d’état-major de l’armée algérienne, mais la crise n’est pas pour autant résolue. Le chemin vers une véritable démocratie en Afrique est toujours aussi tortueux.Le chemin difficile de la démocratie en Afrique

Proximité oblige, c’est d’abord le cas de la République des Comores que nous allons évoquer. Le président sortant, Azali Assoumani, a été déclaré vainqueur de l’élection présidentielle dès le premier tour par la CENI et a balayé d’un revers de main toutes les contestations de l’opposition. Comme il est de coutume, ses adversaires ont relevé de multiples infractions dans le déroulement du scrutin. Les manifestations qui ont suivi ont été dispersées sans ménagement par les forces de l’ordre. Les observateurs de l’Union africaine affirment que « la situation empêche de se prononcer de façon objective sur la transparence et la crédibilité du scrutin ». Ce à quoi le camp présidentiel par la bouche d’un des piliers du régime répond : « je n’ai jamais vu d’élection aussi transparente dans notre pays. Nous sommes un pays souverain ». On peut donc s’attendre à une crise post électorale. L’Algérie, quant à elle, n’a pas basculé dans le désordre. La volonté populaire a eu raison de l’obstination du clan soutenant le président Abdelaziz Bouteflika. Le puissant chef d’état-major de l’armée algérienne a demandé au vieux chef d’Etat de se retirer. Tous ses soutiens se dérobent petit à petit. On ne sait pas encore quel scénario politique va se dessiner, mais la rue ne désarme pas car les manifestations vont continuer. L’Afrique, bon gré malgré, avance sur le chemin de la démocratie. L’histoire n’est pas en train de balbutier, elle évolue dans le bon sens.Patrice RABE