Miisa 1400 ireo olona nasaina nandritra ny lanonana fiaraha-misakafo lehibe teny Iavoloha nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena.
Ny filohan’ny Repoblika dia maneho fisaorana manokana tamin’ny fahombiazan’ny matso nanerana ny Nosy. Ho fankasitrahana ireo rehetra nandray anjara : zandary, polisy, miaramila, mpiasan’ny rano sy ny ala, mpandraharaha ny fonja, mpiasan’ny fadin-tseranana,… dia nomena 1 andro tsy iasana izy ireo tamin’ny matso nandritra ny fanamarihana ny fetim-pirenena, ary hampiharina ara-potoana izany.
Samy nanana ny fomba nankalazany ny fetin’ny fahaleovantena ireo kaominina ivelan’Antananarivo omaly alatsinainy 26 jona. Nisy ny nanao matso teny amin’ireo kaominina manodidina, toa an’Ivato. Teo ihany koa ireo nizara fanomezana ho an’ireo mponina sahirana ao amin’ny kaominina toy ny tao Ambohijanaka.
Nisy mponin’Ambohipo nilaza fa nisy nanakarama dimy arivo ariary isan’olona izay vonona ny handeha hijery matso eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina omaly. Nisy mihitsy ny bus marobe nofaina nitaterana ireo olona nanaiky. Ny tanjona dia ny hamenoana ny kianja.
Nifarana ny alahady teo ny ramadany naharitra 30 andro ho an’ny mpino silamo, ka anisan’ny nanamarika izany ny Zanak’Avaratra. Tonga nanatrika ny lanonana ny minisi-panjakana misahana ny fambolena sy ny fiompiana Rivo Rakotovao sy ny minisi-panjakana eo anivon’ny fiadiadiana ny Repoblika misahana ny fanajariana ny tany Narson Rafidimanana. Fiaraha-misakafo teny amin’ny foibeny eny 67 Ha no namaranana ny ramadany.
Mihetsiketsika ny olon’ny HVM amin’izao ka samy miezaka mitety faritra sy mikaoty ny tambanivohitra ireo mpikamban’ny governemanta amin’izao fotoana izao. Anisany i Rivo Rakotovao, izay miezaka mizarazara zavatra etsy sy eroa amin’izao fotoana.
Nanolotra masomboly ho an’ny kaominina Ampahitrosy ny minisitry ny fambolena Rivo Rakotovao. Tsy nisy ny vokatra azo noraisina noho ny tondra-drano nahazo ny teny an-toerana. 850Ha mamokatra 150 taona sy legioma. Mangataka ny hanaganana lakandrano hoenti-mamokatra ihany koa ny mponina satria mijaly rehefa tonga ny main-tany. Masomboly 5 taona ho an’ny fokontany 5, vary vaky ambiaty. Tsy vita amin’ity taona ity ny barazy fa amin’ny herintaona no mety hanaovana azy, hoy i Rivo Rakotovao. Amin’ny herintaona amin’izay mba sady propagandin’ny HVM e !
Mila manatanteraka ny famoahana ny filana mialoha ny 31 oktobra amin’ny alalan’ny fampahafantarana amin’ny haino aman-jery ireo te hahazo ny tsenambaro-panjakana. Hapetraka ny lisitra mainty rehefa misy ny fandikan-dalàna, ka tsy afaka mandray anjara amin’ny tesanam-baro-panjakana. Any Antsohihy dia manodidina ny 30 ireo mpandraharaha misehatra amin’ny fanaovana ny tsenambaro-panjakana, ka ny resaka fotodrafitrasa no no tena hiseharany. Nisy ny Kaonferansa momba izany natao tany an-toerana ny herinandro lasa teo.
Manina ny fitsirihana no lasa toa natokana ho an’olona manokana, hoy i Paolo Emilio Rahoelinarivo manoloana ny hetsika ataon’ny SMM amin’izao fotoana izao, fa tsy ny rehetra no hampiharana izany. “Moa ve hampiharintsika amin’ny Malagasy rehetra io fihetsiketsehana atao amin’i Claudine Razaimamonjy io ? ”, hoy izy.
Mety misy zavatra atao mba hanakonana ny raharaha mahasaringotra ny mpitsara toy ny resaka fitsaram-bahoaka io raharaha io Claudine Razaimamonjy io, hoy ny vahin’ny fandaharana adihevitra tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray. Ny mpitsara no tena olana ary mahavita mihantsy ady amin’ny vahoaka. Efa nilatsaka hofidiana tamina fifidianana io olona naneho hevitra io, ka nambarany fa olona lanim-bahoaka izao aho no natsimbadiky ny lehiben’ny CSM (Filankevitra ambonin’ny mpitsara) tsy ho lany, hoy izy. Ny raharaha tany Ampasimbe Manasatrana ny taona 2016 no noresahiny momba izany.
SOSIALY
Nisehoana hain-trano mahatsiravina teo Ampasapito nandritra ny fanaovana harendrina ny 25 jona teo. Tsy fantatra mazava izay anton’ny firehetana. Nisy fahatarana ihany koa ny fahatongavan’ny mpamonjy voina ka nampitombo ny fahavoazana.
Trano miisa 26 no narodana tany amin’ny kaominina Ampefy ao Ambatohasana, fokontany Miadanandriana Marotsiazo noho ny resaka adin-tany. 167 ireo olona tsy manan-kialofana vokatr’izany.
Mamarana ny iray volan’ny ankizy isika amin’izao fotoana izao. Mifandraika amin’izany indrindra ny hetsika “Festival Mère et Enfant » ahitana tolotra maro: fitiliana ara-pahasalamana maimaimpoana hiarahana amin’ny holafitry ny mpitsabo, adihevitra momba ny reny sy ny zaza, atrikasa isan-karazany. Ny 28 izao dia hisy ny diabe miainga eny Mahamasina mihazo ny Lapan’ny tanàna eny Analakely.
Tsy dia tsara ny tsenan’ny akoho amam-borona tamin’ity fetin’ny 26 jona ity, raha araka ny fitarainan’ireo mpivarotra. Zara raha nisy nividy teny Analakely raha nifanohitra tamin’izay kosa ny henan-kisoa. Taratry ny fahasahiranana mavesatra mianjady amin’ny isan-tokantrano, hoy hatrany ireo mpivarotra. Mbola maro koa ireo tsy nandray karama.
Nisy ny fifaninanana mamorona tetikasa, ka 2000 ny mpianatra nandray anjara. Ny 6 tamin’ireo no nahazo loka. Isan’ny lohahevitra noraisina ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tena hita fa zavatra avy amin’ny fo sy maharesy lahatra ny mpianatra ka mora ho azy ny mampita amin’ny fiahamonina, hoy ny mpikarakara.
Teratany Seiseloa tokony ho 27 taona tra-tehaky ny polisin’ny seranam-piaramanidina teny Ivato saika handray ny fiaramanidin’ny Air seychelles ny alahady tokony 2 ora sy sasany. Nandalo teo amin’ny fisavana, ka nahitana zavatra nifatotra teo amin’ny vata-peny dia harona plastika 500g, ka rehefa natao ny fitsirihana dia rongony mahery vaika « Héroine » no tao. Taorian’ny fandalovana « scaner » no nisavana azy. Efa nisy olona fahantapantatra ary isan’ny olona nampiahiahy izy. Rehefa nojerena ny antontan-taratasy momba azy dia efa in’efatra nandalo teto Madagasikara izy. Hatolotra ny Sampandraharahan’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomeila izy io. Ho hentitra hatrany amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fitsirihana eny amin’ny seranam-piaramanidina, hoy ny tompon’andraikitra.
Nahazo vahana tanteraka ny fitohanana teto an-drenivohitra sy ny manodidina nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona teo. Nihitsoka avokoa izay toerana rehetra naleha, indrindra fa tamin’ireo faritra nisy fety raha mbola nifampitadiavana ihany koa ny taksibe sy ny taksibrosy. Ho an’ireo nihazo an’Imerintsiatosika manokana dia ireo matanjaka ihany no tafiditra tao anaty fiara tetsy Anosy, mbola niakatra ho 1500 Ar ihany koa ny saran-dalana.
Nahazo fanampiana avokoa ireo olona sahirana tao amin’ny fokontany Manjakaray ny sabotsy teo. Fanampiana avy amin’ny vadin’ny filoham-pirenena Voahangy Rajaonarimampianina no nozaraina nahitana vary, menaka , labozia…Olona an-jatony no nahazo tombontsoa.
Mpandraharaha iray no nitsinjo manokana ireo olona sahirana ara-pivelomana tao amin’ny Boriborintany I ny faran’ny herinandro teo. Lohalaharana tamin’izany ireo ankizy tsy manam-piahy izay notolorana harendrina sy sakafo. Olona manodidina ny 300 no nisitraka ny fanampiana.
FIFAMOIVOIZANA
Fiara kamiao iray lehibe no maty tetsy Anosizato Atsinanana nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena teo. Lany roa telo ora ny fiara iray taoriany noho vao tafavoaka an’Ampitatafika ka voatery nakisaka mihitsy io fiara io. Tonga hatrany Anosy ny faran’ny fitohanana, hatrany Fenoarivo kosa ho an’ireo izay nandeha niakatra.
Fahombiazana tanteraka ho an’ireo mpitatitra etsy amin’ny Fasan’ny karana ny fetin’ny 26 jona teo. Vao ny zoma 24 jona mantsy dia efa tsy naharaka ireo taksibrosy nidina tany amin’ny faritra sy tany ambanivohitra. Nitombo avo roa heny ny mpandeha raha araka ny fanadihadiana natao, anisan’ireny ny nihazo an’Antsirabe, Faratsiho, Tsiaroanomandidy, Fianarantsoa. Ny olana anefa dia saika nampiakatra saran-dalana avokoa ireo mpitatitra.
FINOANA
Fahombiazana tanteraka no azo tamin’ilay fotoam-pivavahana lehibe famantarana sy fahagagana notanterahina teny amin’ny Coliseum Antsonjombe ny herinandro teo. Olona an’arivony isan’andro mantsy no voaaongon’ireo fiangonana zandriny teny an-toerana nandritra ny efatra andro izay saika nandray fahasoavana avokoa ny ankamaroany
FAHASALAMANA
Olona 190 isa no nandalo tao amin’ny Hjra nandritry ny roa andron’ny fety. Miisa 12 ny toran’ny toaka ary roa kosa no namono tena noho ny olana ara-pitiavana. Ny naratra vokatry ny adiady andalam-be no tena marobe notsaboina tao. Tsy nisy namoy ny ainy fa avotra soa aman-tsara avokoa.
FANDRIAMPAHALEMANA
Tovolahy iray mpanao “livraison de pizza” an’ny orinasa Gastro Pizza no nisy nanendaka teo Ankadimbahoaka ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo. Nandrarahan’ireo mpanao ratsy asidra ny tarehan’ity mpanatitra sakafo ity ary rehefa lavo tamin’ny tany dia nalain’izy ireo ny moto nentiny niaraka tamin’ny pizza sy ny vola tao am-paosiny.
Dimy lahy mitam-basy no nanao fanafihana tetsy Cité Itaosy. Nitifitra avy hatrany ireo raha vao tafiditra tao ary nandratra ny mpiasa iray ao anatin’ilay toerana. Nifangaro tamin’ny tsipoapoaka ny feom-basy ka tsy nahataitra ny olona ny zava-nitranga. Rehefa tonga ny mpitandro ny filaminana vao samy gaga. Navotana nentina hopitaly ilay tovolahy naratra mafy. Lasa avokoa ny vola izy tao anaty baoritra no nasiana azy.
Nisy nanafika ny « perception » etsy Amboditsiry. Novakian’izy ireo ny birao avy amin’ny alalan’ny fangalana ny grille de protection. Efa tafavoakan’izy ireo taty ivelany ny « coffre-fort » saingy nisy nampandre ny polisy dia lasa nanavotra ny ainy izy ireo. Nobatain’ireo olon-dratsy tao ny solosaina iray dia navelany ny « coffre-fort ».
Nofatorana ny mpiasa an-trano izay miisa efatra dia niditra an-keriny tao amin’ilay villa iray etsy Ambohidratrimo ny dimy lahy nitondra basy. Mba sendra henon’ny tompon-trano anefa ny fiavian’ireo ka nihidy tao amin’ny efitranony ireo sady niantso ny mpitandro ny filaminana. Rifatra nitsoaka ireo jiolahy ka ny lakilen’ny fiara rehetra tao amin’ilay trano no azon’izy ireo.
Mampiteny ny moana ny asan-dahalo any amin’ny faritry Bongolava saingy tsy hita aloha izay tena vahaolana avy amin’ny mpitondra fanjakana fa ny fampanantenana poakaty no betsaka. Olona miisa 5 mantsy no voatifitry ny dahalo tao amin’ny fokontany Tsinjorano any amin’ny kaominina Bemahatazana ny faran’ny herinandro teo, ka 2 tamin’ireo no ahiana ny ainy ka voatery nakarina any Tsiroanomandy. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Omby miisa 6 enina no najifan’ireo dahalo.
Mpamaky trano roalahy no tra-tehaka teny Soanierana Ambohimangakely omaly misandratr’andro. Nanararaotra ny andro fety angamba ry zalahy, ka nihevitra fa samy variana ny rehetra, ka dia saika hanararaotra toy ny banga mihomehy alina, saingy tra-tehaka. Nidiran’izay matsatso e!
TOEKARENA
Hampiantrano ny hetsika ara-toekarena momba ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany sy ny solika i Madagasikara ny 22-28 septambra ho avy izao. Eny amin’ny ivontoerana fandraisana fivoriana iraisam-pirenena na ny CCI Ivato no hanatanterahana izany, ka handraisan’ny orinasa sy ny mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany ny hetsika.
Ny 40 ka hatramin’ny 45%-n’ny Malagasy ihany amin’izao no misitraka ny rano fisotro madio. Ankoatra izay dia ny ankamaroan’ny olona no mampiasa rano latsaky ny 10L isan’andro, izay tena ambany tokoa amin’ny tokony ho fatran’ny rano lany andavanandro.
FANATANJAHANTENA
Norombahin’ny Klioban’ny Cosfa sy ny Fandrefiala ny anaram-boninahitra tamin’ilay fifaninanana teo amin’ny taranja basikety lalaovin’olona miisa 3 taorian’ny famaranana natao teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano ny sabotsy 24 jona lasa teo, ho an’ny sokajy zokiny lehilahy sy vehivavy. Ho an’ny sokajy U12 lehilahy dia mbola ny fandrefiala ihany koa no nahazo azy. Lavon’ny ekipa mandrafitra ekipam-pirenena kosa ny MB2ALL ho an’ny sokajy lehilahy U16.