Nisy ny fidinana 50 ariary isaky ny kilao ary tokony ho marin-toerana amin’izay ny vidim-bary hoy ny avy ao amin’ny ministeran’ny varotra.
Nisy omaly ny fitsidihana tsena tampoka nataon’ny teknisianin’ny ministera teny amin’ny tsenan’Anosibe.Natao izany mba hamanttarana ny zava-misy marina sy ifampiresahana amin’ireo mpivarotra mba hamantarana ny mety hifanampiana.Nanamafy ihany koa ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana Tazafy Armand omaly fa ratsy ny vokatra tamin’ity taona ity ka izay no antony nampiakatra ny vidin’ny vary.Tsy azo terena io fa dia manaraka ny lalànan’ny tsena, hoy izy ka rehefa tsy ampy vary eny an-tsena dia miakatra ny vidiny; rehefa mitobaka kosa ny vary eny an-tsena dia midina ny vidiny.20 000 taonina ny vary nafaran’i Madagasikara tato anatin’ny enim-bolana ary mbola hiampy io.
POLITIKA
MLIT). Niara-dalàna ireo solontenan’ny mpandraharaha matanjakana miisa 30, izay maneho ny fahavononany hizara sy hampihatra ny traikefany eto Madagasikara amina sehatra maro: fotodrafitrasa, angovo, teknolojia,… Isan’ny fiaraha-miasa goavana amin’ny Japonais ny fanitarana ny seranantsambon’I Toamasina. Marihina fa nialoha izao dia nisy ny atrik’asa lehibe niarahan’ny Malagasy sy ireto vahiny ireto teny amin’ny CCI Ivato, ary mbola hisy ny toy izany amin’ny janoary 2018.
Antoko miisa 47 no tonga nivondrona tetsy Andrefan’ambohijanahary omaly. Ny tena tanjon’izy ireo dia hanome vahana ny rafitry ny mpanohitra mba hahamafy izany, na eo aza ny tsy fanomezan’ny fanjakana didim-pitondràna mankato ny fisian’ny mpanohitra. Hanova rafitra ny tena tanjon’izy ireo ary tsy mbola mieritreritra hanolotra kandidà tokana avy amin’ny mpanohitra.
Tsy mbola amin’ity herinandro ity indray ny hetsiky ny MLE noho ireto antony ireto: mba tsy hifangaroana amin’ny hetsiky ny antoko Tiako I Madagasikara amin’ny sabotsy, fanajàna ny fitoniana mandritry ny fanadinana bakalorea ary koa ny fisian’ny mpanao gazetin’izy ireo izay mbola misedra antsonjay amin’ny fanjakana. Tsy eken’ity fikambanana ity ny fampiantsoana isaky ny mihetsika ny mpanao gazetiny eny amin’ny zandary.
Rahapitso alakamisy 27 jolay no ho tontosaina ny famerenanana farany ny dihy Zumba ho an’ny eo anivon’ny antoko Tiako I Madagasikara izay hankalaza ny faha 15 taonany etsy Antsahamanitra, raha tsy misy ny fiovana. Anio moa no ho fantatra izay ho fanapahan-kevitry ny avy eo anivon’ny prefektiora, raha efa tokony ho fantatra omaly, mikasika ny fanomezana alalana na tsia indray ity fety ity.
TRANGAM-PIARAHAMONINA
Voafitaky ny anarana tsy mitombina antsoina hoe Elia Rason, piraty amin’ny facebook, ny mpanome asa soa ho an’ny zaza autiste. Nilaza izy fa mpandrindra tetikasa izay avy any ivelany, izany dia mahakasika ny famarotana entana tsy ampiasain’ny vazaha intsony ka hamidy eto amintsika mba hahazoana vola hanaovana asa soa. Kinanjo tsy mitombina akory ny fisian’i Elia Rason ary marobe ny voafitaka. Karohina izy ankehitriny.
Voasazy an-tranomaizina telo taona ilay zandary izay namatsy basy jiolahy tany Ampasimbe, Toamasina II. Nampanofainy ny fitaovam-piadiana mba entina hanaovana fanafihana teny amin’ny lalam-pirenena fahadimy. Raha hiverenana kely dia nisy olona voasambotra sy maty tamin’ireo jiolahy.Izay no niaingan’ny fanadihadiana izay nizotra nankany amin’ilay zandary mpamatsy basy.
Vehivavy roa no nosamborin’ny BC Anosy taorian’ny fahafatesan’ny lehilahy 70 taona tetsy Manakambahiny. Novonoina iolehilahy io dia nafenina tao ambany fandriana,saingy rehefa tena nozohiana dia tsy kapoka tamin’ny lohany ny fomba namonoana azy fa kosa poizina tamin’ny alàlan’ny zava-pisotro. Niboridana tanteraka izy no hita faty.Ny mpanampy an-tranony sy ny vehivavy sakaizany no nosamborina ireo voasambotra ireo.
Tifitifitra tsy nifandrenesana tetsy Andraisoro omaly nanomboka tamin’ny fito ora latsaka fahefany hariva. Nisy andian’olona tsy fantatra izay nanafika ny tokantrano iray. Olona roa no voalaza fa voatifitra teo amin’ny manodidina, ary tsy tafavoaka tao an-trano kosa ireo olona hotafihina. Tsy mbola tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana tamin’ny fotoana nanoratana.
Alevina anio, rehefa namoy ny ainy vokatry ny tifitra nahazo azy ilay lehilahy iray notafihin’ny dahalo mirongo fitaovam-piadiana, tao amin’ny toeram-pivarotana enta-madinika iray teny Andranoro Antehiroka. Ny alahady nifoha alatsinainy teo no nitrangan’izany. Very tamin’izany ny lelavola mitentina 8 hetsy Ar, raha olona iray hafa ihany koa no fantatra fa naratra.
TOEKARENA
Taraiky amin’ny resaka tolotra ara-bola amin’ny Banky i Madagasikara mitaha amin’ny firenen-kafa. Zara raha misy 17% rahany tarehimarika tamin’ny 2015. Zara raha misy 315 ireo masoivohona banky eto Madagasikara. Miisa 2 isan-taona ny masoivohona banky vaovao misokatra manerana an’I Madagasikara.
Mila mitady famatsiam-bola hatrany amin’ny 925 tapitrisa dolara ny fanjakana amin’ny fikojakojana ny làlana eto Madagasikara eo anelanelan’ny 2015-2020, araka ny voarakitry ny programan’ny Minisiteran’ny Asa vaventy.
Anisan’ny distrika iray hanaovana ilay faritra ara-toekarena voatokana ny ao Moramanga. Asa manodidina ny 2.000 isa no hoforonina amin’izany ka ny orinasa Textile City no fantatra fa hiantefan’ny safidin’ny fanjakana. Na izany za dia mbola handalo eo ambany mason’ireo solombavambahoaka eny amin’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza sy ireo loholona eo anivon’ny Antenimieran-doholona ny fandaniana izany.
Mandeha araka ny tokony ho izy ny asa fanamboarana ny bazar kely ao Toamasina amin’izao fotoana izao. Mihoatra ny 100 ny box hatsangana amin’izany, asa haharitra telo volana. Raha araka ny fantatra moa dia ny kaominina no handray madiodio ny asa fanamboarana izay natao indrindra hanampiana ireo mpivarotra mbola tsy manana toerana.
Hotontosaina ny 14 aogositra 2017 ny fikaonandoha mikasika ny volavolana tetibolam-panjakana 2018. Manana hatramin’ny 7 aogositra 2017 kosa ireo minisitera rehetra hanolorana ireo antontan-taratasina tetikasa mifandraika mivantana amin’ny fampandrosoana hisitraka fampiasambola eo anivon’ny minisiteran’ny Fitantanana sy ny Tetibola.
Tsy mari-toerana hatramin’izao ny vidin’ny kafe eny an-tsena. Efa tafakatra 20.000 ariary ohatra ny kilao tamin’ny volana jona 2017. Nidina 12.000 ariary izany roa herinandro lasa izay ary niakatra 13.000 ariary indray nanomboka ny herinandro lasa teo. Nosandaina 5.000 ariary moa hatramin’izay ny kilaon’ny kafe.
Hahatratra 4.007 miliara ariary na 11,4% ny tahan-ketra eritreretina hiditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana amin’ity taona 2017 ity. Vinavinaina hiakatra 4.642,9 miliara ariary na 11,6% kosa izany hoan’ny taona 2018 ka hetra anatiny ny 2.473 miliara ariary raha 2.169,9 miliara ariary ny vola miditra avy amin’ny fanondranam-bokatra.
Mitentina hatrany amin’ny 189 tapitrisa dolara ny vola ilaina amin’ny fampiharana ilay drafitra fanarenana PRR (Plan de Relèvement et de Résilience) ny ilany atsimon’i Madagasikara mandritra ny 3 taona. Nampanantena 1,5 tapitrisa dolara hoan’ny taona voalohany ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana misahana ny fampandrosoana miaraka amin’ireo tetikasa efa misy any an-toerana.
Arifomba ny fitaovana fitsaboana ny nify sy ativava ao amin'ny CSBII Ambodirano ao amin’ny kaominina Ivato. Fiaraha-miasa amin'ny kaominina tarihin'ny ben'ny tanàna Penjy Randrianarisoa sy ny fanjakana izany.Tonga tsikelikely ny fampitaovana ity CSBII ity. (Sary: CSB Ivato)
Mampitandrina ny rehetra amin’ny resaka torohevitra any amin’ny tambajotran-tserasera ny holafitry ny mpitsabo tamin’ny alalan’ny filohany Eric Randrianasolo. Mety hitera-doza ho an’ny fahasalamana izany satria tsy mitovy ny fahasalaman’ny olona tsirairay ary tsy voatery handaitra amin’ny tena ny zavatra nandaitra tamin’ny hafa. Isan’ireny ny fanafody na akora momba ny fitsaboana ny tarehy amam-bika.
Ankoatra ny resaka fahasalamana dia eo ihany koa ny fisolokiana isan-karazany. Mpisandoka ho mpitsabo 2 isam-bolana no voatsiriky ny holafitry ny mpitsabo eto amin’ny faritra Analamanga, raha ny fanazavan’ny filohan’ny holafitry ny mpitsabo Eric Randrianasolo. Misy ireo tsy tena dokotera mihitsy no manao asana mpitsabo, fa misy kosa ny mpitsabo saingy tsy misoratra ao anatin’ny holafitra.
ASAN-JIOLAHY
Mirongatra ny vono olona any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, ka ireo tompon’andraikitra momba ny fampianarana no lasibatra ny herinandro lasa teo. Namoy ny ainy vokatry ny fanafihan-dahalo ny alin'ny 20 Jolay lasa teo mantsy ny talen'ny EPP Moroteza CISCO Vondrozo, Soamara Edouard. Hita faty ny 23 Jolay kosa ny talen'ny CEG Ambanimaso, Randrianambinina Emmanuel.
Mahazo vahana hatrany ny asan-dahalo any amin’iny Faritra Itasy iny.Ny any amin’ireo kaominina ambanivohitra no tena voakasik’izany toy ny any Mahasolo sy ny manodidina. Miakatra an-tanana hatrany ny dahalo isan-kalina raha araka ny vaovao azo mitady omby sy vola ka ho an’ireo tsy ahitany izany dia dorany ny tanana.
SOSIALY
Tsy haingitraingitra ny fahazoana rano fisotro-madio any Bekily, any atsimo atsinanan'i Madagasikara fa tena famonjena. Vokatry ny tetikasa EAPROM izay vatsian'ny “Office of U.S. Foreign Disaster Assistance” vola, dia lava-drano maro no nasiam-panavaozana any amin'io faritra io amin'izay tsy voatery mandeha lavitra intsony ny mponina ao aminy hitady rano. Mahazo rano fisotro madio ary tomady tsara izy ireo ankehitriny.
Tsy mbola voahaja ny zon’ny voafonja na dia efa misy aza ny lalàna iraisam-pirenena. Hisy ny famoahana boky momba ny zon’ny voafonja. Ny Me Mamy Haja Raherimanantsoa no mpandrindra izany, ary misy ny solonten’ny rafitra isan-tsokajiny: minisitera fitsarana, ny mpiraki-draharaha, ny mpandraharahan’ny fonja, eny fa hatramin’ny any ivelany.
Hikaon-doha mandritra ny 2 andro ireo, ka isan’ny horesahina ny fitazonana am-ponja vonjimaika. Olana ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa. Ny firaisamonim-pirenena no hanampy betsaka amin’ny fiarovana sy ny famerenana ny zon’ny voafonja. Jerena aloha ireo olona voahosihisy ny zony, toy ny fitazonana mihoatra ny voalazan’ny lalàna.
Mahatratra 247 207 ny vary nafarana avy any ivelany tao anatin’ny enim-bolana voalohan’ny taona 2017 raha toa ka 86 000 izany tamin’ny taon-dasa, tao anatin’ny fe-potoana mitovy. Mihoatra ny totalin’ny vary rehetra nafarana ny taona 2016 ny nampidirina teto Madagasikara tamin’ny enim-bolana voalohan’ity taona ity. Antony ny hain-tany niteraka olana tamin’ny famokarana anatiny. Ny zavatra hita sy tsikaritra anefa dia toa tsy misy fiantraikany amin’ny vidim-bary eto amintsika izany fa va mainka midangana hatrany ny vidiny.
Niakatra fitsarana omaly I Andry Andriamanga,mpandrindra ny Fikambanana ny Alliance Voahary Gasy teo aloha saingy voatendry ho Tale teo anivon’ny Minisiteran’ny tontolo iainana, saingy nesorina. Resaka fanodinkodinana vola 50 tapitrisa no hanenjehana azy. Mbola misy resaka hafa mombana vola 1 hetsy Euros tokony hanampiana ny AVG tamin’ny asan’ny ihany koa voalaza fa voahodikondina.
Matahotra ny handeha hivoaka any amin’ny faritra avokoa amin’izao fotoana izao ireo mponina eto Antananarivo, indrindra fa ireo handeha hanao vakansy. Ny any amin’ny lalam-pirenena fahafito no tena voakasik’izany ka ho an’ireo taxi-brousse mivoaka etsy amin’ny fasan’ny karana tsy misy mpitandro ny filaminana manaraka dia tsy misy mpitaingina izy ireny.
Mpianatra miisa 50 mianadahy avy amin’ny ambaratonga samihafa no notoloran’ny Pacte Madagascar, rafitra iray eo anivon’ny orinasam-pitrandrahana, QMM, vatsim-pianarana tamin’ny alalan’ilay tetikasa antsoina hoe “Rise plus” na fisandratana miabo tao amin’iny faritra Anosy iny. 15 amin’izy ireo moa dia mpila ravinahitra miparihaka amin’ireo faritra manerana ny nosy. 35 kosa dia manohy ny fianarany ao an-toerana ihany.
Quartier mobile 12 lahy indray no nahazo fiofanana avy amin’ny zandarimariam-pirenena tao amin’ny kaominin’Ankarinoro, distrikan’I Fandriana.Ny fomba fifandraisana amin’ireo zandary rehefa misy mampiahiahy ho olon-dratsy sy ny fomba ankapobeny hiarovana ny tanàna moa no isan’ny fototra nampiofanana. 64 isa izany izao ireo quartier mobile nisitraka izay fiofanana izay, ho an’ireo kaominina 3 ao amin’ity distrika ity.
Dia an-tongotra 50 kilaometatra nitetezana ny vohitr’Iharanandriana izay ao Vakinankaratra no notontosain-drizareo avy eo anivon’ny ofisin’Analamanga momban’ny fizahantany ny faran’ny herinandro teo. Ho fisitrahana ny hankaton’ireo vakom-pirenena moa no tanjona ary tohizana hatrany amin’ilay hetsika Hira gasy makotroka izay atao eo ambohijatovo isaky ny alahady izany.
KOLOTSAINA
Higadona eto an-tanindrazana anio amin’ny 6 ora maraina ny vatana mangatsiakan’ilay mpanakanto fanta-daza teo amin’ny fitendrena angorodao, izay nodimandry tany Frantsa ny 17 jolay. Homem-boninahitra eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanantanjahantena Mahamasina ny vantana mangatsiakany anio alina, ary hoentina ny marainan’ny rahapitso 27 jolay ary andrasana 2 alina any an-toerana mialohan’ny handevenana azy ao Andranomena Toliara. Natokana ho fisaonam-pirenena kosa ny andro rahapitso 27 jolay.
Hanatanteraka seho goavam-be eny amin’ny kianjan’ny Saint Michel Itaosy ny Alahady ho avy izao ny tarika Mahaleo. Tafiditra ao anatin’ny Malaza azy vita baka entina hampialana voly ireo tanora eny amin’iny faritra Atsimondrano iny ny hetsika. Tsiahivina moa fa anisan’ny tarika mbola tena be mpankafy tokoa ny tarika Mahaleo ary mahalana ny fivoahany ivelan’Antananarivo tahaka izao.
TEKNOLOJIA
Hatsahatra ilay programa ao anatin’ny solosaina dia ilay karazana logiciel amin’ny fikirakirana sary antsoina hoe “Paint”, araka ny fampahafantarana ataon’ny orinasa Amerikanina Microsoft. Hisy ny fanaovazana azy amin’ny endriny tsaratsara kokoa.
FIZAHANTANY
Hotontosaina ny 27 hatramin’ny 30 jolay 2017 ao Sambava ny andiany faha-8 amin’ny «Festivanille-Satrahagna». Ankoatra ny fanomezan-danja ny sehatry ny lavanilina dia natao hampisongadinana ny tontolon’ny fizahantany amin’ny ankapobeny ihany koa ny hetsika.
FIFAMOIVOIZANA