Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alalan’ny lamesa lehibe ny taom-pianarana 2017-2018 ho an’ny sekoly katolika eto Madagasikara,
ka ny 20 oktobra tao Sambava no nanombohan'ilay tetikasa « ProFuturo » tohanan’ny Papa François, tetikasa natao indrindra hampidirana ny nomerika sy teknolojiam-pifandraisan-davitra eo amin’ny fampianarana eny anivon’ireo sekoly katolika, ka Ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina no Reny mpiahy ity tetikasa ity.
Sekoly katolika 28 isa ao Antsiranana no hisitraka sy handray ireo fitaovana sy teknolojia avo lenta avy amin’i Hery Rajaonarimampianina mivady. Nisy ny fanolorana vola 10 tapitrisa ariary ho fanatsarana hatrany ny tontolon’ny fianarana ao amin’ny diosezy.
POLITIKA
Tsy misy iraharahian'ny vahoaka izay fanendrena an'i Rivo Rakotovao, hoy ny olon-tsotra Tintin Ravonison. Zon'ny Hvm ny manendry izay olona tiany hotendrena amin'ny toeran'ny filohan'ny Antenimierandoholona dia aleo hataony izany.
Tsy misy kajikajy politikan'ny Hvm ary tsy hanilika an'i Honoré Rakotomanana velively ny namadihana an'i Rivo Rakotovao ho senatera, raha ny fanazavan'ny depiote Harijaona Randriarimalala (John Elite). Nahomby hatrany izy tamin'izay sehatra nisy azy ka hampahomby azy kokoa io toerana vaovao io amin'ny maha filohan'ny Hvm azy.
Fandanian'andro sy vola ny fanaovana fitsapan-kevi-bahoaka hanitsiana ny lalàmpanorenana, hoy i Sarah Georget, filohan'ny PND. Ny fakan-kevitra amin'ny olom-pirenena, indrindra fa ny mpanohitra ny amin'ny fanatanterahana ny fifidianana 2018 no tokony hatao.
ADY AMIN’NY PESTA
Tsy manao fanaraha-maso araka ny tokony ho izy ireo mpitsabo sasany eny amin’ny toeram-piantsonan’ny fiarakodia. Tsy ny anarana no zahana fa ny bokin’andraikitra fotsiny no nampiana fitomboka. Tokony ho any amin’ny toerana efa tafavoaka an’Antananarivo ny fanaovana ny famendrahana fanafody, hoy ny mpitatitra
MAHAJANGA
Tsy mandray ny andraikiny amin’ny fitsinjarana trano ny tompon’andraikitra eny eny anivon’ny anjerimantolo any Mahajanga. Manakiana izany amin’ny fikambanan’ny mpianatra isam-poko, ka miteraka ny disadisa. Niara-nientana nanadio ny trano izay potika sy rotiky ny gidragidra ireo mpianatra ny faran’ny herinandro teo.
FANATANJAHANTENA
Efa mitsinjo ny taom-pilalaovana manaraka ny USCAFOOT, ekipa mpilalao baolina kitra eo anivon’ny kaominina Antananarivo ankehitriny. Efa mitety faritra sy mitrandraka mpilalao, ka ny faran’ny herinandro teo dia tany Mananjary izy ireo no nandranto lalao ara-pirahalahiana tamin’ny ekipa voafatin’i Mananjary. Nahita ilay lohalaharana antsoina hoe Badal izy ireo tany an-toerana.
Fanatanjahantena hatrany saingy mahakasika ny asa fanaovan-gazety kosa dia miverina indray ankehitriny ny fikotranana eo anivon’ireo vehivavy mpanao gazety manao Basikety. Isaky ny sabotsy moa no hanatanterahan’ireto andriambavilanitra ireto ny fanazarantenany etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ary dia mitohy hatrany ny fanentanan’izy ireo amin’ny hanatevenan-daharana ny ampela manao gazety manao basikety.
HAIN-TRANO MAHATSIRAVINA
Trano 220 no may kila forehitra vokatry ny hain-trano mahatsiravina niseho tany Ambodimanga Betsiboka, kaominina Maevatanàna Faharoa ny faran’ny herinandro teo. Mitentim-bidy 3,945 miliara ariary ny fahamaizana. Olona 1280 no tsy manan-kialofana.
Trano 150 tafo no indray kila forehitra vokatry ny hain-trano tany amin’ny kaominina Bekidoka any amin’ny distrikan’i Besalampy ny sabotsy lasa teo. Fianakaviana an-jatony no tsy manan-kialofana. Ireo mpivaro-mandeha avy any amin’ny kaominina Andina sy Imady, distrikan’Ambositra no tena lasibatra tamin’izany. Ny Biraon’ny kaominina sisa niangana nandritra ity loza ity, ka manao antso avo amin’ny manampahefana hijery akaiky azy ireo ny mponina. Tombanana ho ankasoparana tsotr’izao no nahatonga ny loza raha ny fampitam-baovao.
Any amin’ny Kominin’i Bekidoka ihany dia manjaka ny tsy fandriampahalemana. Sefom-pokontany iray no notifirin’ny dahalo ny herinandro lasa teo. Nilaza ny hanao fitombokase ireo olon-dratsy, kanjo novonoiny ity tompon’andrakitra ity.
VATOMANDRY
1500 kilao, izany hoe 18 gony, no lanjan’ny taolam-paty tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana tao Vatomandry tamin’ny herinandro teo ary dia voasambotra niaraka tamin’izany koa moa ireo 10 lahy. Efa niakatra fampanoavana ny raharaha. Raha ny fanazavana dia tsy mbola nisy trafikana taolam-paty goavana nihoatra iny tany amin’ny faritra atsinanana tany, eny teto Madagasikara mihitsy. (SARY: Taolam-paty)
BIANCO
Hanampy ny Bianco amin’ny famongorana ny kolikoly ny tranoben’ny varotra Amerikanina, araka ny nambaran’ny filohan’ny filankevi-pitantanany. Afaka mifanampy tsara ny sehatra tsy miankina ny Bianco satria misy rafitra napetraka hatramin’ny 2025 satria mila manao ny “certification ISO 7001” eo amin’ny sehatry ny fandraharahana.
SOSIALY
Nanapa-kevitra ny nisintaka tanteraka an’i Madagasikara i Yanish Ismael ary nipetraka ao amin’ny nosy Maorisy. Izany dia taorian’ny kidnapping izay nahazo azy sy niainany. Tsy izy irery ihany no voatery niala teto amintsika toy izany. Na teratany Malagasy aza, ka misy atao, dia aleony miala mba tsy hiverenan’ny kidnapping izay mbola mety hanjo azy hatrany.
PESTA
Efa nivoaka omaly ny CHAPA Ambohimiandra ny telo tamin'ireo efatra mpanao gazety izay notsaboina tao. Vita ny tsindrona 36 ary afaka namonjy ny toeram-ponenany izy telo izay nisaotra ny mpanao gazety nanotrona azy ireo hatrany.
Tena vahaolana mila ampiharina avy hatrany ilay soso-kevitra niainga momba ny fampiatoana ny asa aman-draharaha sy ny fampianarana rehetra ao anatin'ny telo andro mba hamongorana ny pesta, raha araka ny depiote Tim Mamy Rabenirina, lany tao Ambohidratrimo. Tsy misy vahaolana matotra mihitsy raisin'ny fanjakana ka mampitombo isa ny maty. Raikitra ny asa fanadiovan-tanana eny amin'ireo faritra iva eto an-drenivohitra. Efa nanomboka ny faran'ny herinandro teo izany, indrindra taorian'ny fiakaran'ny rano nateraky ny ranon'orana. Anisan'ireny ny teny Ambodin'Isotry....Ny kaominina Antananarivo Renivohitra no nitarika ny hetsika teny an-toerana, hahafahana miady amin'ny fihanaky ny valanaretina pesta.
Hanao hetsika hanadiovana ny faritra misy azy ihany koa ireo mponina eny amin'ny fokontany Anosizato Atsinanana. Hitohy hatrany izany izay nomarihin'izy ireo fa tsy vao sambany akory saingy hotohizana hatrany kosa ho fiarovana ny mponina amin'ny fihanaky ny aretina.
ANDOHARANOFOTSY
Manao antso avo amin’ny mponina mba hitandro ny fahadiovana ny ben’ny tanànan’Andoharanofotsy Hasina Ranirison. 11 hatramin’izao no trangana pesta. Nisy ny efa sitrana ary nisy ny mbola manaraka fitsaboana. Tsy misy ahiana mihitsy ny fahasalamany na ny ainy. Momba ny fanadiovana ny tanàna amin’ny ankapobeny. Miangavy ny tenanay ary misy olona fantatray fa manao fanahiniana mba hanaratsiana ny kaominina, hoy izy. Eo amin’ilay hoe fivorivoriana dia tsy lalàna fa hafatra, ka matoa natao izay dia misy dikany, ka aleo hajaina.
FANDRAHARAHANA NY FONJA
Misokatra ho an’ireo rehetra mpandraharaha ny fonja ny « centrale d’achat » hahafahan’izy ireo manjifa ny fanamiana manavaka azy. Tsy natao ho fieren’ny jiolahy akory ny fandraharahana ny fonja, hoy ny tale jeneraliny Razafindramanana Perrot. Tsy ekena ny fanosoram-potaky ny mpitandro ny filaminana sasany ary tokony hohamarinina ny vaovao vao havoaka, hoy izy.
TOAMASINA
Manohitra ny fanapahan-kevitry ny APMF ny mpitondra lakana sy zahatra, izay tsy afaka misitraka ny lakandranon’i Pangalana ao Tanambao Verrerie. Tsy maintsy any amin’ny “Port Fluavale” ny fiantsonana, ka mangataka ny hahafahan’izy ireo miantsona eo amin’ny Port Verrerie izy ireo.
FANAMBOARAN-DALANA
Noraisina vonjimaika ny faran'ny herinandro teo ny asa fanamboarana ny lalana eny Antanimenakely Itaosy, raha herinandro mahery izay no nanombohana ny asa. Ny minisiteran'ny asa vaventy no manatanteraka izany, niara-dalana tamin'ny fanamboarana ny lalana eny Vassacos. Ankoatra ireto toerana roa ireto moa dia toerana hafa toy ny eny Tsimbazaza sy Ankadifotsy ihany koa no efa namboarin'ity minisitera iray ity.
FAMPIANARANA
Betsaka amin'ireo sekoly tsy miankina eto an-drenivohitra no fantatra fa hanome enti-mody mangingina ny mpianany mba tsy hahavarian-dalao loatra ny ankizy mandrapahatongan'ny datin'ny 6 novambra fotoana hidiran'izy ireo mianatra indray. Vao manomboka mantsy ny volana novambra hoy izy ireo dia efa ny fetin'ny Krismasy no malaza izay tena misarika be dia be tokoa ny sain'ny mpianatra.
SOSIALY
50 hatramin’ny 60 isa eo amin’izao fotoana izao sisa ireo taksibrosy miainga etsy amin’ny Fasan’ny karana raha nahatratra 150 teo aloha. Ny firongatry ny pesta no tena nampidina io isa io, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fitaterana eny an-toerana, ary dia mazava ho azy fa miha miditra amin’ny fatiantoka hatrany ireo mpitatitra noho ny fihenan’ny mpanjifa hatrany amin’ny 70%.
Efa an-taonany maro izao no tsy nanana dabam-pako ny fokontanin’Ankasina fa dia eny rehetra eny foana no narian’ireo mponina ny loto sy ny fakony ary ny tatatra sy lakandrano ary ny tanimbary moa no tena lasibatra. Na eo aza ny fahatsetsenana dia mbola amin’ny volana martsa 2018 indray vao afaka misikotra ireo fako ny tompon’andraikitra, araka ny fanazavan’ny sefo fokontany ao an-toerana, satria efa antomotra ny fahavaratra.
FAKANA AN-KERINY
Matetika dia tsy hita soritra ny toerana misy ireo mpaka an-keriny, raha ny fanazavana azo avy eo anivon’ny minisiteran’ny filaminana anatiny ary nahasarotra ny fandehan’ny fanadihadiana rehetra natao izany teo aloha teo. Antony io nivondronan’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka, minisiteran’ny fitsarana, ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny sampandraharaha misahana ny teknolojiam-pifandraisana eto amintsika ary ireo tambajotram-pifandraisana ihany koa ka nanao sonia fifanarahana fa hifanampy hanamorana ny fanenjehana ireny tontakely ireny.
TOEKARENA
Tsy ny avy eo anivon’ny Synad na ny sendikan’ireo administratera sivily intsony no mikarakara ny fifidianana izay ho filohan’izy ireo hotanterahana ny 27 oktobra izao. Ny CRAC na ny boriborim-piketrehana eo anivon’ny fandraharahana sivily kosa no hiantsoroka ny fanaraha-maso rehetra avy ety ivelany na dia efa misy aza ny komity mikarakara ao anatiny. 4 moa ireo kandida handray anjara amin’izany.
Hanampy ny birao misahana ny ady amin’ny kolikoly eto amintsika ny tranoben’ny varotra amerikanina na ny Amcham. Anisan’ny ahitana azy io tokoa eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana eto amintsika ary dia izay indrindra no hery nanosika ity tranobe ity hiady amin’io fahalovana voalaza io. Isan’ny vina napetraka mba hahatongavana amin’ny tanjona iriana ohatra ny fanamorana ny fampandoavan-ketra sy ny fanampiana ireo orinasa tsy ara-dalàna hiditra eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna.
Lalam-pihariana mbola malalaka sy azo trandrahana tsara ny fiompiana tantely ary ho fanatsarana izany indrindra dia tafatsangana ny faran’ny herinandro teo ny vovonana nasionaly hikambanan’ireo mpisehatra amin’ity fandraharahana tantely ity. Ao Ambositra, faritra Amoron’i Mania moa no misy ny foiben’izy ity ary antony nisafidianana ny toerana dia maro ireo mponina mivelona aminy ao an-toerana saingy tsy mivelatra araka ny tokony ho izy ny seha-pihariany.