Resabe ny amin’ny hanitsiana na hanovana ny lalàmpanorenana. Hanao ahoana? Maneho ny fijeriny ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana: « Fandaniam-bola ny eritreritra hanao fitsapan-kevi-bahoaka hanova na hanitsy lalàmpanorenana. » Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Ahoana ny fijerinao ny amin’ny fikasan’ny mpitondra hanitsy ny lalàmpanorenana?
Ranesa Firiana (-): Azo ahitsy na ovaina ny lalàmpanorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara, araka ny fangatahan’ny filoham-pirenena notapahina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra. Afa-mangataka ny fanitsiana na fanovana ny lalàmpanorenana koa ny roa ampahatelon’ny mpikamban’ny Antenimiera iray. Na ny roa ampahatelon’ny depiote na ny loholona no manao izay fangatahana izay, azo heverina ny fanitsiana na fanovana lalàmpanorenana.
Saingy na iza na iza mangataka, tsy maintsy eken’ny telo ampahefatry ny mpikamban’ny Antenimierandoholona sy ny Antenimierampirenana amin’ny alalan’ny latsa-bato ny volavolan-dalàmpanorenana heverina hatolotra ny vahoaka. Avy eo, manapaka amin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka ny vahoaka, mamaly « Eny » na « Tsia »: ekena sa tsia ny fanovana? Raha mandresy ny « Eny », miova na voahitsy ny lalàmpanorenana; raha mandresy ny « Tsia », mijanona amin’izao ihany.
Nefa mamaritra ny lalàmpanorenana amin’izao fotoana izao fa tsy azo atao ny manova ny lalàmpanorenana, raha tsy tena misy antony goavana izay tsy nofaritan’ny lalàmpanorenana. Ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no mamaritra ny hoe antony toy inona ny hoe goavana amin’izany, na ny antony madinika tsy azo anekena ny fanovana na fanitsiana.
* Ahoana àry ny fijerinao ny lalàmpanorenana amin’izao fotoana izao?
– Tsy nampiharina antsipiriany ny lalàmpanorenana nisy teto Madagasikara hatramin’izay. Nanomboka tany amin’ny Repoblika I ka hatramin’izao Repoblika IV izao, misy andininy tsy nampiharina hatrany. Tsy any amin’ny hoe ratsy sa tsara ny lalàmpanorenana ny olana. Matoa mivoaka ny lalàmpanorenana, misy manampahaizana nandrafitra azy.
Noheverina hoe miainga amin’ny hetahetan’ny besinimaro izay fandrafetana izay. Na miainga amin’ny hetahetan’ny mpanao politika aza amin’ny ankapobeny, fa tsy tena hoe hetahetam-bahoaka. Azo lazaina hoe tsara hatrany ny lalàmpanorenana raha eo amin’ny firafitra, fa eo amin’ny fampiharana azy: misy toetra ratsy avy amin’ny mpampihatra. Rehefa tsy ampy ny finiavana hampihatra araka ny voasoratra, lasa ratsy hatrany ny lalàna iray.
Ny misy antsika amin’izao fotoana izao, tsy mbola nampiharina io lalàmpanorenan’ny Repoblika IV io. Noho izany, tsy afa-miteny isika hoe ratsy na tsara io, vokatr’izay tsy mbola nampiharana azy izay. Mbola tsy tafatsangana, ohatra, ny Filankevitra momba ny toekarena sy sosialy, ny Fitsarana avo, ny Filankevitra ambony momba ny fiarovana tany tan-dalàna sy ny demokrasia, tsy mbola olom-boafidy no mitondra ny faritany sy ny faritra. Ny dikan’izay, mbola tsy nampiharina io lalàmpanorenana io.
Heverina hoe vahaolana ny fananan’ny mpanao politika, indrindra ny mpitondra, finiavana hanatanteraka araka ny tokony ho izy ny lalàna misy. Aorian’izay fanatanterahana izay isika no manapaka hoe tsara na ratsy ny lalàna iray.
* Tokony hahitsy na hovaina sa tsia ny lalàmpanorenana amin’izao?
– Inona moa no tokony hanitsiana na hanovana lalàmpanorenana iray? Fitaovana entin’ny mpitondra neken’ny vahoaka hitondra azy hanatanterahana ny politikam-pampandrosoana ny lalàmpanorenana. Noho izany, raha mahatsapa, ohatra, ny mpitondra iray fa tsy ahafahany manatanteraka ny vinam-pampandrosoana tiany hapetraka ny lalàmpanorenana, azony atao ny mangataka amin’ny vahoaka fa tsy ahafahako manatanteraka ny vinam-pampandrosoana tiako hatao ny lalàmpanorenana. Noho izany, mangataka amin’ny vahoaka mba hanovana izany hifanaraka amin’ny vinam-pampandrosoana izy.
Any amin’ny fiandohan’ny fotoam-piasan’ny mpitondra iray izany no tokony hanovana ny lalàmpanorenana, raha tena tsy mety aminy. Raha efa amin’ny faran’ny fotoam-piasan’ny mpitondra no hanaovana izany: be ny mety hieritreritra hoe noho ny tombontsoa manokana, indrindra mety tsy hifanaraka amin’ny vinam-pampandrosoana ny lalàmpanorenana mety hiova entin’izay mpitondra manaraka eo raha misy mpitondra vaovao. Voatery hanova lalàmpanorenana indray izany ilay mpitondra vaovao. Any amin’ny fiandohan’ny fotom-piasana no hanaovana fanovana, raha tena kendrena hahazoana manatanteraka politikam-pampandrosoana.
* Ahoana no hahazoana manatanteraka ny fanitsiana na fanovana ny lalàmpanorenana amin’izao ankatoky ny fifidianana izao?
– Raha amin’izao fotoana izao isika no mieritreritra hiroso amin’izany, tsy ho vita amin’ity taona 2017 ity. Mamaritra ny lalàm-pifidianana fa 90 andro alohan’ny datim-pifidianana ny fihaikana mpifidy; ary tsy azo atao manomboka ny 1 desambra ka hatramin’ny 30 avrily ny fifidianana, izay fotoan’ny orana. Any amin’ny tapaky ny desambra izany ny hoe 90 andro. Efa tafiditra ao amin’ny fotoan’ny orana izany.
Noho izany, raha mieritreritra hanao fitsapan-kevi-bahoaka hanovana na hanitsiana ny lalàmpanorenana ny mpitondra: farafahaingany, any amin’ny fiandohan’ny volana mey 2018 vao ho tanteraka izay vinavina izay. Nefa fotoana hanatanterahana fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018.
Raha ampifandraisina amin’ny fanazavana teo aloha: raha lalàmpanorenana lany amin’ny volana jona 2018, ohatra, telo na efa-bolana ihany no hananan’ny mpitondra hampiharana izay lalàmpanorenana vaovao hanatanterahana vinam-pampandrosoana eritreretiny, tsy hahazoana manao inona intsony izany fa efa tokony hanomanana ny fifidianana filoham-pirenana. Noho izany, fandaniam-bola ny eritreritra hanao fitsapan-kevi-bahoaka hanova na hanitsy lalàmpanorenana.
Nangonin’i R. Nd.