Nanome baiko ny baiko ny sefo distrika ny praiminisitra mba hifampiresaka sy hifandamina amin’ireo olo-be ao Ikongo ary hanasazy ireo tompon’antoka rehetra tamin’ny zavatra nitranga tany Ikongo : fikasàna hanao fitsaram-bahoaka, famakiana fonja.
Ho vitan’io manam-pahefana io ve ny handamina izany, indrindra raha efa nitsoaka avokoa ny olona izay eo tokony ho eo ambany fiahiany ary misampana amin’ny sehatra samihafa : ny fampanoavana, ny mpiandry fonja ary ny mpiasam-panjakana hafa. Sao dia mba endrika fialàna andraikitra sy fanipazana baolina kosa ?
POLITIKA
Tsy vonona mihitsy ity fitondràna HVM ity ny hiroso amin’ny fifidianana ary porofon’izany ny mbola tsy fisian’ny lalàna mifehy izany hatramin’izao vanim-potoana ankatoky ny fifidiana izao, raha araka ny fanazavan’i Marc Ravalomanana. Raha ny fijeriny dia tsy tokony hilaza fa antoko matanjaka ny HVM raha toa ka tsy mamela malalaka ny fanehoan-kevitry ny antoko mpanohitra. Manahy ny hisian’ny krizy vaovao indray izy raha tsy tomombana ny fifidiana, indrindra koa fifidianana azo antoka no andrandrain’ny vahoaka ankehitriny.
Tsy misy asa hatao afa-tsy ny mitokana zava-bita sisa no hataon’ny fitondràna tato ho ato. Nampivoaka vava ny firaisamonim-pirenena sasantsasany mihitsy fa tsy mifanaraka amin’ny filàn’ny vahoaka ny zavatra tokanana : sinema, efitrano fanaovana kung-fu, fanomezana fitaovana ny haino aman-jerim-panjakana. Ary ny làlana izay avy any Daraina ka mihazo an’I Vohémar mba oviana no tokanana? Raha tsy hilaza afa-tsy izany, fotodrafitr’asa izay tsiahivina ihany fa isan’ny fampanantenan’ny filoha ny hanamboatra izany.
TRANGAM-PIARAHAMONINA
Lasan’ny jiolahy ny vola mitentina 180 tapitrisa ariary vao avy nalaina tao amin’ny banky, tetsy Tanamakoa-Toamasina. Handeha hividy entana izy ireo rehefa azo ny vola no nisy jiolahy roa nandeha scooter ary nitondra poleta miisa roa. Nambanana izany ilay lehilahy izay raha ny fantatra dia mpivarotra jirofo ny asany ary mipetraka any Soanierana-Ivongo izy, dia nalaina ny vola tamin’ny sakaosy teny aminy. Tsy nisy poa-basy saingy haingana kosa ny fanafihana izay tsy naharitra afa-tsy segondra vitsy monja.
Lehilahy iray no nosamborin’ny zandary avy eo amin’ny sampana « cybercriminalité » eo anivon’ny zandarimaria noho ny fanalàna baraka olona amin’ny alàlan’ny fitaovam-pifandraisana aterineto. Tamin’ity raharaha ity dia ramatoa iray sy ny zanany vavy no nitory noho ny fanalam-baràka nanjo azy ireo, toa ny hoe mpamatsy vola hanonganam-panjakana ary koa mpamatsy vola ny mpanao kidnapping karàna eto an-drenivohitra. Niasa ny teknisiana amin’ny informatika an’ny zandary, izay eo anivon’ny sampana cybercriminalité ary niafara tamin’ny fisamborana izany omaly.
Hitory ny pôlisy koa ny havan’ny lehilahy iray izay maty voatifitr’io vondron’ny mpitandro ny filaminana io, tetsy Anosibe. Nafangaron’ireo pôlisy tamin’ny jiolahy ny vadiko, raha araka ny fanazavan’ilay ramatoa. Voatifitra bala telo itsy voalohany ary bala iray kosa ho an’ny vadiny izay mbola tsaboina ao amin’ny Hjra. Nomarihan’ilay ramatoa fa mamo ilay pôlisy nanatontosa izany tifitra izany ary kalachnikov no nampiasainy. Tao an-tranony io fianakaviana kely io no niharan’izao herisetra izao
KIDNAPPING
Misesy ny kidnapping ao Malaimbandy ary manomboka mampanontany tena hoe tena ireo dahalo tokoa ve no manatontosa an’izany sa misy olon-kafa ivelan’ny tanàna ? Ankizilahy vao enin-taona no hataon’ireo olon-dratsy takalon’aina nanomboka ny asabotsy lasa teo ary noho ny tsy fanànan’ny ray aman-dreniny ny vola fito tapitrisa ariary izay takian’ireo jiolahy dia tsy mbola navotsotra io zaza io hatramin’ny omaly. Isan-kerinandro izany dia lasa misy kidnapping hatrany ao amin’io tanàna io ary raha tsiahivina aza, iray volana lasa izay, dia zandary no isan’ny nalain’ireo an-keriny ary voatery nandoavana vola mba vao votsotra.
FAMPIANARANA AMBONY
Hanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety mikasika ny famahana ny olana eny amin'ny oniversiten’Antananarivo rahampitso alakamisy 21 desambra ao amin'ny Grand Amphi DEGS Ankatso amin'ny 10 ora maraina ny sendikan’ny mpampianatra mikaroka mivondrona ao amin’ny SECES. Aorian'io dia hisy fivoriamben'ny mpianatra sy mpampianatra eo amin'ny Esplanade Ankatso.
MPITSOA-PONENANA
Mandiso ny filazana fa misy ny mpitsoa-ponenana eto Madagasikara ny sekretera jeneralin'ny “cercle de reflexion inter-musulmane”, Soalihy Moussa. Nambarany fa “tablique” na mpanao fivahiniana masina mivantana amina “mosquée” no misy. Nilaza ihany koa i Soalihy Moussa fa ilaina ny fanasaziana ny olona izay tsy ara-dalàna ny fipetrahany eto Madagasikara.
FAMPITANDREMANA
Mila mailo ny rehetra amin’izao ankatoky ny fety izao, hoy ny filohan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa satria fotoana fiparitahan’ny sakafo lany daty izao. Miantso ny mpanjifa ihany koa ny tenany mba ho tompon’andraikitra, ka hanara-maso izany ary hampilaza ny minisiteran’ny varotra raha mahita sakafo lany daty.
TOLAGNARO
Tontosaina manomboka anio 20 desambra ka hatramin ny 23 desambra ny « Festival Sambaraha », hetsika hoenti-mampisongadina ny faritra Anôsy. Hisy ny hetsika ara-kolontsaina sy ara-java-kanto isan-karazany.
MALAIMBANDY
Fifaninanana ara-panatanjahantena nandraisan'ireo FKT rehetra ( 19), Lahy sy Vavy no nentina namaranana ny hetsika ataon'ny Vondron'ny Zanak'i Mahabo ho an’ity taona 2017 ity. Nahafahana nanentana ny ho amin'ny Fanabeazana ho Olom-Pirenena Vanona satria dia tsy zoviana ny tsy Fisian'ny Fandriampahalemana any ( Asan-dahalo, fakana ankeriny, Vono olona, fanararaotam-pahefana, sns). Fampivoriana amin'ny Sehatra rehetra ny Tanjona ka ilana ny fiaraha-mientana izany.
, Fandikan-dalàna mibaribary ny ataon'ny orinasa Classic Knit Wear nanery ireo mpiasa 263 handeha « Congé » faobe mandritra ny 30 andro nanomboka tamin'ny 11 desambra 2017. dia mbola hotohizana « chômage technique » ny 8 janoary ka hatramin’ny 4 martsa 2017, ka aiza ao amin'ny fehezan-dalàna momba ny asa 2003-044 tamin’ny 28/07/2004 no misy izany « congé » faobe izany, hoy ireo mpiasa yonga saina ?
Tsy misy vahaoalana hita taorian'ny fihaonana in’efatra miantoana teo amin’ny solontenan'ny mpiasa sy ny sendikà ary ny mpampiasa. Teo koa ny fanelanelanan'ny « inspection de travail ». Koa napetraka afak’omaly ny taratasy milaza fitokonana araka ny takian'ny lalàna ary dia hanomboka ny alakamisy 21 desambra 2017 ny fitokonana eny amin’ny toeram-piasana Andraharo mandritra ny fotoana tsy voafetra, hoy ireo mpitarika.
BORIBORINTANY FAHA-6
Nitsidika nijery ifotony ny olana mahazo ny mponina ao amin’ny Fkt Ambohimiadana Nord (Quartier ambadiky ny tsena Ragasy - 28) Boriborintany faha-6 omaly maraina ny Depiote Horace taorian'ny fiafaran'ny fivorian'ny parlematera tamin’ity taona ity. Akoatra ny ranobe avy amin’ny arabe izay mivarina sy mandeha amin’ny tohatra izay simba ary mivantana any an-tokantranon'izy ireo dia maro ny loto sy fako izay entiny ka mampitaraina mponina, na miezaka manadio aza izy ireo, eo koa ireo mpandalo manary fako.
Loza mitatao ho an'ireo mponina ny andri-njiro hazon'ny JIRAMA izay efa mihozongozona ka ireo « fil » misampana sisa mitazona azy tsy hianjera, ka nangatahin'ireo fokonolona miaraka amin’ny depiote Horace ny hanoloan'ny JIRAMA azy ho « béton » fa tsy hazo, izay vy teo aloha fa potika vokatr'io rika be io.
Toliara
Efa tonga ao Fianarantsoa daholo ireo mpandraharaha ny fonja izay voaelingelina tao anatin’iny raharaha nitranga tany Ikongo iny, raha ny nambaran’ny minisitry ny fitsarana, Elisa Alexandrine Rasolo, ary efa milamina ny toe-draharaha any an-toerana amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy hisy ny fanadihadiana izay hatao ary tsy maintsy mandray anjara foana ny fitondram-panjakana amin’ny fihoaram-pefy toy ireny, raha ny nambarany hatrany. Samy manontany moa ny rehetra hoe hatraiza tokoa izany fandraisan’andraikitra izany.
TAMAMI
Rehefa avy nanao fitetezam-paritra tany Farafangana ry zareo avy eo anivon’ny antoko Tanora malagasy miroso na Tamami dia nilaza fa nahavelombolo azy ireo ny mahita ireo tanora taninketsan’ny politika eto amin’ny firenena liana amin’izany fanaovana politika tena izy izany. Ny fametrapetrahana ilay fan’s club an’ny antoko moa no tena imasoan’izy ireo amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana, ary sambany izany no nisy teto amin’ny firenena fa tokana tamin’ireo antoko mpanohitra nahavita kaongresim-pirenena ihany koa Ny Tamami, raha ny fanazavana hatrany.
Foloalindahy
Tontosa omaly tetsy amin’ny toby jeneraly Ramarolahy etsy Betongolo ny fanaovam-beloma farany ny sekretera jeneraly misahana ny zandarimariam-pirenena teo aloha, ny jeneraly Randrianazary. Tonga nanotrona izany teny an-toerana moa ny SEG amin’izao fotoana, ny jeneraly Randriamahavalisoa Girard sy ny minisitry ny fiarovam-pirenena, Beni Xavier Rasolofosoa.
Ambohimangakely
Jiolahy 3 lahy no tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana teny Ambohimangakely teny ny 16 desambra teo. Efa nokarohina hatry ny ela ny 2 tamin’izy ireo raha ny fanazavana ary dia izao nijabaka niaraka tamin-dry zalahy izao koa ny 1 hafa.
Ambatoboeny
Dahalo miisa 6 mirongo FC miisa 2 no nangalatra ny ombin’ny mponina antsoina hoe François monina ao Ankianja/Besely, kaominin’ambanivohitr’Ankirihitra ny17 desambra 2017 teo tamin’ny 11 ora antoandro . Nanara-dia ny zandary miisa 3 ao amin’ny PF Ambatomasina niaraka tamin’ny fokonolona. Raikitra ny fifampitifirana ka dahalo miisa 2 maty ; tafaverina tamin’nytompony kosa ireo omby ary tompon’ny omby miisa 148 sy omby miisa 2 no maty novonoin’ireo dahalo.
AMBILOBE
Zandary avy ao amin’nyborigady Anaborano Ifasyno nanao fisafoana ankapobeny nisava olona telo niaraka ka nahasarona rongony milanja 123 kilao tao amin’ny entan’izy ireo. Nosamborina avy hatrany izy telolahy ireo izay 50, 43 ary 25 taona ary nogiazana ny zava-mahadomelina tratra taminy ny 14 desambra 2017 tamin’ny 06 ora maraina tao Andohan’i Mahatsara, fokontanin’ Antsaba, kaominin’ambanivohitr’ Anaborano/Ifasy.