Les actualités Malgaches du Dimanche 20 Janvier 2019

Modifier la date
Madaplus.info0 partages

Madagascar : éboulement faisant 9 victimes à Antananarivo

La pluie s’est déferlée sur la ville d’Antananarivo samedi 19 Janvier. Les feux d’artifices prévus couronnés l’investiture de Andry Nirina Rajoelina n’ont pas eu lieu. Plusieurs éboulements ont lieu et à Andohalo vers 20 heures, quatre maisons se sont écroulées des rochers suite aux pluies torrentielles.
Neufs morts sont à déplorer dans cet accident. Les sapeurs pompiers ont travaillé toute la nuit essayant de trouver des survivants. Ce matin, les forces armées ont appuyé les pompiers dans leurs tâches. Rappelons qu’en février 2018, un éboulement dans ces lieux avait fait sept morts. Ntsay Chirstian était venu hier pour voir de visu la situation.
Ino Vaovao0 partages

MAHAMASINA - FIHOTSAHANA TRANO : Tafakatra sivy ireo olona namoy ny ainy

Ankoatra ny fahasimban’ny lalana izay dibo-drano, vokatry ny fahatsentsenan’ny lakandrano ka mahatonga ny rano maloto mihandrona etsy sy eroa, izay mampijaly ny faritra iva dia  manana olana goavana ihany koa ireo monina eny amin’ny toerana avo. Ny fihotsahan’ny tany, ny filatsahan’ny vato toy ny zava-niseho tamin’ny taon-dasa teny amin’ny Fokontany Tsimialonjafy  Mahamasina, ireo no tena mampanahy ny vahoaka miaina eto Antananarivo renivohitra amin’izao fotoana izao.

Manodidina ny tanànan’Andohalo, Ambaninampamarinana, Andrefan’Ambohijanahary... Ireo no azo lazaina fa toerana avo anisany mampatahotra indrindra, hisian’ny fihotsahana na vatobe mikorisa rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra. Ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ ny valo ora alina tany ho any dia trano miisa efatra teny Ambaninampama-rinana Andohalo, manakaiky ny tohatohabato 416 ao anatin’ny Fokontany Tsimialonjafy  indray no nihotsaka  vokatry ny oram-be tsy an-kijanona, ny alin’ny sabotsy 19 janoary io. 

Marobe ny olona tototra tao izay namoy ny ainy sy naratra mafy ka noezahin’ny mpamonjy voina sy ny teo amin’ny manodidina novonjena haingana. Tamin’ny tatitra voarainay farany omaly tolakandro nandritra ny fanangonam-baovao aloha dia fantatra fa miisa sivy ireo olona namoy ny ainy. Razana miisa efatra no efa hita tamin’izay fotoana izay ka ny dimy mbola karohina fatratra, miisa telo kosa ireo naratra mafy ary efa nalefa eny amin’ny tobim-pahasalamana. Nahazo antso tamin’ny olona manodidina ny Zandarimariam-pirenena tao Ankadilalana, ka avy hatrany dia nandefa zandary maro hanao famonjena teny an-toerana no sady niantso ihany koa ny mpamonjy voina. 

Mbola tao anaty oram-be nikija izy ireo no nanatanteraka ny vonjy aina ka nananosarotra ny  fitadiavana ireo olona tototra, izay mbola nitohy hatramin’ny omaly tontolo. Arahina akaiky ny fizotry ny asan’ireo mpamonjy voina sy tompon’andraikitra mahefa  misahana ny raharaha hatramin’ny anio. Efa nandeha nitsidika sy nandray andraikitra  tamin’ ireo niharam-boina tamin’io fotoana io moa ny Minisitry ny mponina teo aloha, Naharimamy Irmà, tao anatin’izay ihany koa ny Praiminisitra teo aloha izay lehiben’ny governemanta marimaritra iraisana, Ntsay Christian.

Mila andraisana fepetra hentitra 

Raha tsiahivina kely ny tamin’ny taon-dasa dia  efa namono olona maro ny fihotsahan’ny vato teny Ambaninampamarinana. Izany hoe tsy vao izao no nisehoana tany mihotsaka teny amin’ity toerana ity saingy ny  angatahin’ ny mponina dia tokony handraisana fepetra ireo mponina mipetraka eny amin’ireo toerana ireo. Eo ihany koa ny tokony handrarana ireo olona mbola sahy manorina trano amin’ireo toerana atahorana. Iaraha-mahalala mantsy fa efa miha feno  hipoka ny tanànan’Antananarivo ary efa tokony hohavaozina mihitsy aza na ny firafitry ny tanàna. Mba hisorohana ny loza mandritra ny fotoanan’ny orana rahateo koa anefa dia tokony hafindra toerana aloha ireo fianakaviana amin’ny toerana atahorana fa mety hihotsaka ka hampidi-doza hafa indray.

Tatianà R.

Ino Vaovao0 partages

AMPITOLOVA BELOBAKA MAHAJANGA : Nahitana ombivavy bevohoka novonoin’olona

Tamin’ny enina sy sasany maraina ny zoma teo no nisy nampilaza ny sefo sektera fa misy fatin’omby hita ao amin’ity sektera Andetsy ity, fa tsy hita intsony ny mpangalatra. Nampilaza ny mpitandro filaminana sy ny sefo fokontany ny sefo sektera. Novo noin’ireo olon-dratsy ilay omby, nisy ampahany nalainy saingy ny ankamaroany, toy ny feny iray, ny tapany ambony rehetra miaraka amin’ny lohany, ny taovany dia mbola hita teny an-toerana daholo. 

Mangataka fiaraha-miasa amin’ny fokonolona ny zandary hanome vaovao mikasika ity halatra ity. Manentana ny fokonolona hatrany hanome vaovao azy ireo ny zandary ary manome toky fa mipetraka ho tsiambaratelo ny fanomezam-baovao rehetra. Efa misokatra ny fanadihadiana mikasika ity heloka ity satria dia raran’ny lalàna ny halatra omby fa mbola raran’ny lalàna ihany koa ny famonoana omby vavy.

Vanessa

Ino Vaovao0 partages

TSARAVANJA - ANTETEZAMBARO : Rangahy iray 64 taona maty notetitetehina

Ny alakamisy 17 janoary lasa teo, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva no nitrangan’izany. Mponina tao Ankirihiry Toamasina ilay rangahy fa nisafidy ny nanorim-ponenana ao Tsaravanja-Antetezambaro tao anatin’ny taona vitsy izay. Manana tanimboly any mantsy izy ka izao nanapa-kevitra nanorim-ponenana izao. Ny andron’ny alakamisy 27 janoary io, teny an-dalana hamonjy fodiana avy tany an-tanimboliny izy no niharan-doza. 

Raha ny fanazavana voaray, dia tamina lalan-kely miala ny tanimboliny no nifanehatra tamina tovolahy antsoina hoe Isala ilay rangahy. Nisy antsy avy nampiasainy tany antsaha teny aminy. Nilaza taminy ilay tovolahy fa «  avelao iny antsy am-pelatananao iny fa hiresaka isika  ». Tsy nanampo na inona na inona ilay rangahy, ka nametraka ny antsy teny an-tanany. Vantany vao napetrany ilay antsy, dia noraisin’ilay tovolahy ary norarafany totohondry avy hatrany ilay rangahy. Vao 20 taona ity nahavanon-doza ity ka tsy nahatohitra azy ilay rangahy efa 64 taona. Ity farany izay nidaraboka tamin’ny tany. 

Taorian’izay dia nampanarahiny tetik’antsy tamin’ny vatan’ilay raim-pianakaviana iray manontolo ka nitarika tamin’ny fahafatesany. Ny antsin’ilay rangahy ihany no namonoan’ity tovolahy azy. Nitsoaka nandositra Isala rehefa vitany ny asa ratsiny. Nisy nahatsirakitra anefa izany, ka natao ny fanenjehana ity nahavanon-doza. Nantsoina ny zandary nanao sakana teo Ivoloina ary natao ny fanarahan-dia. Tsy lasa lavitra dia voasambotra ity olon-dratsy. Raha ny angom-baovao dia mamon-drongony ilay tovolahy. 

Tsy nisy disadisa teo aminy sy ilay rangahy tany aloha.Ny fanadihadiana savaranonando no nahalalana fa efa avy namono olona tany Mahambo Fenoarivo-Atsinanana ihany koa Isala taona vitsivitsy lasa izay. Manara-bady no anton-diany ao Antetezambaro ka izao manohy ny filan-dratsiny izao koa.

Kamy

Ino Vaovao0 partages

HARENA ANATY RANO SY JONO : Hahazo tombony amin’ny fambolena honko ny Faritra Sava amin’ity taona ity

Hahazo tombony ny Faritra Sava amin’ity taona 2019 ity ka tao amin’ny Fokon-tany Antsampanilay Kaominina Ampisikina Distrikan’i Vohemar no nanombohana izany, izay nahatratra 3ha eo ny velaran-tany voavoly. Ny tanjona tratrarina dia ny hanatsarana ny tontolo iainana sy hampiroborobo ny harena anaty rano hatrany. Tanjona amin’izany ny mba hananan’i Madaga-sikara harena voajanahary hampitombo laza azy amin’ny lafiny rehetra. Efa paikady novolavolain’ny eo anivon’ny minisitera misahana azy tarihin’i Augustin Andriama-nanoro rahateo koa ny fampandrosoana ny  sehatry ny tontolo iainana amin’ity taona ity. 

Manana velarana 3000ha ny Faritra Sava, ampy hivalamparana tsara amin’ny fanatsarana amin’izany sehatra izany. Ny 65ha amin’ireo no hambolena “mangrove”, izay voalaza  fa ny 15 ha amin’izany dia tanterahin’ny eo anivon’ny minisitera, ary ny 50ha kosa iaraha-miasa amin’ny fikambanana tsy miankina na “Ong Fanamby”. Ezaka tsara tontosaina amin’ny Faritra maro izao, satria betsaka ny tombontsoa azo avy amin’ny fisian’ny ala honko ho an’ny tontolo iainana. Ny hazo maniry dia mafy sy mateza ary mahazaka rano ka afaka ampiasain’ireo mpanjono anaovana lakana. Ireo  biby maro karazana toy ireo patsabe, trondro, drakaka… ihany koa  tonga dia foto-pivelomana ho an’ireo izay afaka mivelona amin’izany. 

Laza ho an’ity Nosintsika ity rahateo koa rehefa misy fiovana ny tontolo iainana sy ny zava-boahary eto amintsika.

Ny fanoratana