Hitohy any Vakinankaratra ny Autisme tour 2017 amin’ny volana aogositra izao, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana Autisme Madagascar, Raveloarimisa Mbolatiana, ny faran’ny herinandro teo, teny Mahatony. Hanofana ray aman-dreny manan-janaka autiste sy ireo mpitsabo ary ny mpanabe, hanao fitiliana zaza 40 ny tomponandraikitra mandritra izany. Hisy ankizy 40 koa avy eto Antananarivo hotiliana ao anatin’ny hetsika. Afaka misoratra anarana avy hatrany ireo olona any Vakinankaratra vonona hatao fitiliana amin’ny pejy Facebook-n’ny fikambanana Autisme Madagascar.
Efa voasonia rahateo ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hampahalala ny autisme eny anivon’ny sekoly sy hanofana ireo mpampianatra handray any an-dakilasy ny mpianatra autiste.
Ankoatra izay, nanambara ny filohan’ny fikambanana fa manodidina ny 40 isaky ny asabotsy voalohan’ny volana ny ankizy autiste miaraka amin’ny ray aman-dreny manatona eny amin’ny foiben’ny fikambanana eny Mahatony. Misy tanora mpilatsaka an-tsitrapo maro mandray sy mampilalao ireo ankizy ireo, ny ray aman-dreny kosa afaka maka torohevitra na mamaky boky hanampy azy amin’ny fitaizana. Tao anatin’ny herintaona sy tapany nitsanganan’ny foibe, 200 mahery ny ankizy mivezivezy.
Kilalao avy amin’ny fanodinana fako
Nametrahana kilalao maro avy amin’ny fanodinana ny zavatra tsy ilain’ny orinasa sy olon-tsotra ny tokontanin’ny foibe, ho an’ireo zaza mandalo eny. Niarahan’ny fikambanana JCI Vohitr’Iarivo sy ny GreenKool ary ny Fakotory ny tetikasa. Tanora miasa an-tsitrapo maro no nanangona ny fako sy nanome endrika kilalao samihafa mandravaka ny zaridaina eny Mahatony. Maneho ny hevitra tian’ny fikambanana havoitra ny fanodinana ny fako ho kilalao marobe. Na zavatra tsy ampiasaina intsony aza, rehefa misy fitiavana sy omena lanja, lasa mitondra fifaliana ho an’ny hafa.
Vonjy