Tena karohina tokoa i Barry Benson, ilay mpanakanto mpanao “slam”, izay nanao dika mitovin’ilay olona nifampiresaka tamin’ny finday tamin’i Claudine Razaimamonjy tao anatin’ny fandaharana «
Mitohy ihany ny fanamafisana ny fiambenany izay ataon’ny filoham-pirenena. Omaly dia notokanana tao amin’ny lapan’Iavoloha ny trano nohavaozina ho an’ny mpiambina azy. Mipetraka hatrany ny fanontaniana ny amin’izay olona mamboly ao an-tsain’ity mpitondra ity fa misy mifofo ny ainy. Taorian’ny « aquarium » mantsy dia mbola porofo koa ankehitriny fa matahotra ny ainy izy, ity fanavaozana ny tranon’ny mpiambina akaiky azy ity.
Niala tao Soanierana Ivongo ilay Ben’ny tanàna HVM saika hapetraka tao an-toerana mba hasolo ilay iray izay voafidy kanefa notoriany ho tsy ara-dalàna. Tao anatin’izany anefa dia nisy vavabe nataony niaraka tamin’ny Prefe dia ny hoe hiverina izy ireo ary hitondra ny hery famoretana, araka ny fahefana eo am-pelatanany. Ahiana ny hisian’ny korontana sy ra mandriaka ao an-toerana raha tsy misy ny fanapahan-kevitra feno fahendrena avy amin’ireo manampahefana.
Tsy maintsy hisy indray ny fanovana ny mpikambana ny governemanta mialoha ny 15 jolay izao. Raha ny loharanom-baovao dia saika hesorina avokoa ireo minisitra rehetra ao amin’ny governemanta Mahafaly Olivier ankoatra an’i Tazafy Armand. Ny tsy fahafehezana ny asan’izy ireo no anton’ny hanesorana azy.
Faninefany izao no hanova lehiben’ny governemanta ny fitondrana Rajaonarimampianina raha raikitra ihany. Efa be anefa ireo tsikera politika nahazo ny filoham-pirenena tamin’io resaka fanovana olona isaky ny mihetsika io satria dia tonga amin’ilay fomba fiteny hoe Ikotozafy ihany no Lexis, hoy ireo mpandinika azy izay. Inona tokoa ary no mampalaina ny fitondram-panjakana hanova ny rafitra amin’izay.
Hanetriketrika ny fankalazana ny fetim-pirenena frantsay etsy amin’ny Résidence de France Analamahitsy rahampitso, raha ny fanomanana voambara hatreto. Mikasika ny fiaraha-miasan’ny firenena Malagasy sy frantsay kosa dia heverina fa efa mariky ny fanamafisana izany sahady ity fankalazana rahampitso ity.
FIARAHAMONINA
Tetsy Ambondrona, nodarohina tamin’ny zava-maranitra ny raim-pianakaviana iray ka torana tsy nahatsiaro tena. Taorian’izay, nofatorana ny vadiny sy ny mpiasa an-tranony. Mpivarotra volamena no asan’ity fianakaviana ity ary vola mitentina 6 tapitrisa Ariary no lasa tao anatin’ny indray mipi-maso. Ankoatra izay, lasa ihany koa ny basim-borona tao an-trano. Mba nitsioka kiririoka ihany ilay fianakaviana saingy tsy nisy nivoaka namonjy ny olona. Ny alin’ny talata, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany no nitranga ny fanafihana.
Basy miisa valo no sarona tao Antsirabe ary olona dimy no voasambotra. Izay no vokatry ny fanadihadiana nataon’ny zandary tao an-toerana. Bala miisa 20, mitondra ny refy 9 mm no sarona niaraka tamin’ireo fitaovam-piadiana ireo. Nitohy hatraty an-drenivohitra ny fisamborana satria maro loatra ireo olona izay miray tendro tamin’ireo mpanao trafikam-basy tao Antsirabe.
TOEKARENA
Niditra tamin’ny andiany fahatelo omaly ny foaraben’ny tantsaha ao Ankazomiriotra. Diabe nanerana ny tanàna moa no nisantaran’ireo tantsaha mpandray anjara tamin’ny hetsika nialoha ny namonjena ireo tranoheva miisa 30. Maro ny hetsika ara-kolontsaina sy vokatr’ireo tantsaha ampirantiana ao an-toerana anio ary ho fampivoarana ireo tantsaha mpamokatra kosa no tanjona, hoy ny mpikarakara.
Vondrona tekinisianina sy tantsaha miara-miasa amin’ny tetikasa Arrupe ao Fianarantsoa miisa 24 no nahazo fiofanana momba ny fanatsarana ny fambolena sy fiompiana tao an-toerana nandritry ny 3 andro. Fiompiana akoho gasy, voly voanjo no nanomezana fiofananana.
Nohavaozina hifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara ny fehezan-dalàna momba ny tsenam-panjakana. Tanjon’ny fanitsiana ny fanatsarana ny fandaniam-bolam-bahoaka, hoy ny ARMP (Autorité de Régulation des Marchés Publics). Nisy moa ny fampiofanana sy fampahafantarana bebe kokoa mikasika ity lalàna vaovao ity ho an’ireo mpiantsehatra rehetra teny Anosy omaly.
Efa nanomboka hatramin’ny voalohan’ny taona ny fakan-kevitra fiomanana amin’ny volavolana tetibolam-panjakana 2018. Homen-danja manokana ao anatin’izy io ireo tetikasa fampiasam-bola misy akony mivantana amin’ny fampandrosoana. Manana andraikitra goavana amin’izany kosa ireo mpandrindra fandaharanasa amin’ny fitiliana ireo programa eny anivon’ny minisitera, araka ny toromariky ny minisiteran’ny fitantanana sy tetibola.
Seranan-tsambo roa eto Madagasikara dia i Toamasina sy Ehoala amin’ireo 17 ihany no voasokajy ao anatin’ny «Code International pour la Surêté des Navires et des Installations Portuaires». Manana olana fahanterana fotodrafitrasa sy tsy manara-penitra avokoa ireo 15 ambiny.
Mitentina 79 tapitrisa dolara kanadianina ny fanondranana entana Malagasy mihazo an’i Kanada. 12 tapitrisa dolara kanadianina kosa ireo vokatr’ity firenena mpiara-miasa ity tonga eto Madagasikara. Manodidina ny 3% moa io salan’isa fanafarantsika ny entana vahiny io eto amin’ny kaontinanta afrikanina.
Mikarakara adihevitra ny tetikasa iombonana «Incubons». Lohahevitry ny dinika nisantarana azy ny hoe «maninona isika no mahantra ? » ny faran’ny herinandro teo. Nandray anjara tamin’izany kosa ny mpanakanto sady mpandinika fiarahamonina Bekoto, ny mpandraharaha mpikambana ao amin’ny Fivmpama Rivo Rakotondrasanjy, ny mpanadihady Vanf na Nasolo Valiavo Andriamihaja ary ny diplomaty Irchad Ramiandrasoa Razaaly.
4 andro sisa dia hisy malagasy higadonan’ilay vola vaovao 20.000 ariary eny an-tanany eny. Mbola resa-be hatrany no haterak’izy ity eny anivon’ny fiarahamonina eny, indrindra eny anivon’ireo mpahay toekarena. Iraisan’ny ankamaroan’ireo mpaneho hevitra kosa ny fanahiana amin’ny fitomboan’ny fahasahiranana, indrindra ny tsy fandriampahalemana sy ny fidangan’ny vidim-piainana haterak’ity zava-baovao ity.
Na izay santionany amin’ireo fitarainana mpitranga mikasika izany atao hoe tsenambaro-panjakana aza dia tsy hitan’ny avy eo anivon’ny sampandraharaha misahana azy ity izay valin-teny mafonja azo noraisina tetsy Anosy omaly. Mba mijery ireo fitarainana ary ve ireo tompon’andraikitra sa variana manao kajikajy amin’izay mety ho tombony ho azo amin’izay resaka tsena izay ?
Ho fiomanana amin’ny fitsinjarana ilay famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana ho an’ireo kaominina amin’ity taona ity izay hanomboka amin’ny volana septambra izao dia nisy ny fiofanana mikasika izany natao tetsy amin’ny DLC Anosy omaly. 15 tapitrisa ariary moa no anjaran’ireo kaominina isanisany ary ny teto Analamanga no nanombohana izay fampiofanana izay omaly, raha ny vaovao voaray.
FAMPIANARANA
Nankatoavin’ny Filankevitra nasionalin’ny holafitry ny injeniera eto Madagasikara ny hampidirana ny lalam-piofanana momba ny angovo azo havaozina eo anivon’ny ivontoeram-pampianarana ambony momba ny teknolojia na ny IST eto Antananarivo, izay hita eny Ampasampito.
Nivaly izao tolakandro izao ny ny BEPC ho an'ny Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra, ka 43,47% ny taham-pahafahana, izay nisy fiakarany 2% mitaha ny tamin'ny taon-dasa. Azo jerena ao amin'ny tranonkalan'ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena izany. Azo atao ihany koa ny manontany amin'ny alalan'ny fandefasana ny laharam-pisoratana anarana amin'ny laharana 601 amin'ny sarany 500Ar.
TONTOLO IAINANA
Tandindomin-doza ny hazo «palmier» eto Madagasikara. Ao anaty lisitra mena mantsy 83%-n’ity karazan-javamaniry mampiavaka ny firenena Malagasy ity, hoy ny «Union Internationale pour le Conservation de la Nature». Ahitana ny 98% amin’ireo karazana 204 misy manerantany moa ny tany mafana Malagasy.
Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny hetsika samihafa mifandraika amin’ny fandalovan’ireo trozona ao amin’ny nosy Boraha. Haharitra hatramin’ny alahady 16 jolay izao kosa ny fahafahan’ireo mpizahatany mankafy ireto bibin-dranomasina manao fampisehoana ao Sainte Marie ireto.
FANATANJAHANTENA
Hifanandrina amin’ny ekipan’ny As Adema etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina anio tolakandro ny Barea Chan mialoha ny lalao hifanatrehany amin-dry zareo Mozambikanina ny alahady izao mbola etsy Mahamasina ihany eo amin’ny lalao mandroson’ny dingana faha-2 amin’ny CHAN 2018.
Raha nihintsana teo amin’ny lalao 1/8-ndalana amin’ny lalao Wimblendon ilay laharana faha-2 eran-tany Rafael Nadal izay resin’ilay Luxembourgeois Gilles Muller laharana faha-26 Gilles Muller (6-3, 6-4, 3-6, 4-6, 15-13), dia tafakatra amin’ny 1/4-dalana kosa omaly i Novak Djokovic n°1 nandresy an’i Adrian Mannarino (6-2, 7-6[5], 6-4).
I Kittel M no nibata ny fandresena omaly teo amin’ny dingana faha-11 nampitohy an’i Eymet/Pau 209,5 km amin’ny Fihodinana an’i Frantsa am-bisikileta 2017. Mbola I Christopher Froome avy amin’ny Team Sky kosa no mitana ny laharana voalohany amin’ny ankapobeny
FITSARANA
Nanazava ny filoha lefitry ny SMM, ny mpitsara Rojovola Bora, fa 90% tamin’ny mpitsara eto Madagasikara dia nanaraka ny tolona izay notarihan’io syndika io avokoa. Nentiny nandiso ny fanehoan-kevitra izay nataon’ny minisitry ny sererasera izany. Io farany, raha hiverenana kely, dia nilaza fa vitsy amin’ireo mpitsara ihany ny nanaraka ny tolona. Vaky tanteraka koa ny ady eo amin’ny roa tonta ankehitriny.
Nisy ny fitsarana niasa, toy ny tao Toamasina. Mahakasika ny fitsarana ady heloka bevava ihany anefa izany ary tsy ny raharaha rehetra no notsaraina fa izay efa voatondro noho ny hamehana amin’ny famoahana didy satria efa nilona ela loatra. Ny ankoatr’izay, izany hoe ny ambaratongam-pitsarana hafa rehetra dia nihidy avokoa omaly.
Manomboka matahotra manoloana ny fepetra noraisin’ny avy eo anivon’ny fitsarana mikasika ny ady atao amin’ny fanerana ao amin’ny tribonaly amin’izao fotoana ireo mpanera izay misandoka ny andraikitr’ireo mpisehatra ara-dalàna eo amin’ny tontolon’ny fitsarana. Ireo manan-draharaha tsy maheno didim-pitsarana moa, hoy ny tompon’andraikitra, no tena lasibatr’ity fanambakana miharo kolikoly ity ary izany no antony nanombohana nametrahana fanamafisam-peo ahafahan’ny rehetra mandre ireo didy.
Mikasika izay resaka raharaham-pitsarana izay hatrany dia efa sarotra ho an’ireo mpisandoka ihany koa amin’izao fotoana ny mamoaka taratasim-pitsarana sandoka raha toa nanana fahazaran-dratsy hivarotra izany 200 ariary nanoloana ny radiom-pirenena izy ireo taloha no sady mbola maka 5000 ariary amin’ireo isandohany ihany koa. Amin’izao fotoana kosa dia efa natao tombokavatsa ny sonian’ny lehiben’ny mpiraki-draharaha ary entanina hatrany, hoy ny fanazavana, ireo manana raharaha eny amin’ny fitsarana mba hijery ny bikan’izany eny Anosy.
10 teo ireo didim-pitsarana sandoka tafavoaka tamin’ny taona 2016, hoy ny avy eo anivon’ny firaketan-draharahan’ny fitsarana. Azo antoka fa hihena kosa izany amin’ny taona ity, hoy ny tomponandraikitra, manoloana ireo fanaraha-maso efa hentitra.
Hisy ny fivoriana tsy ara-potoana hotanterahin-dry zareo eo anivon’ny sendikan’ny mpiraki-draharaha anio 13 jolay. Lahadinika amin’io fotoana io, raha ny fanazavana ny mikasika ny tohin’ny fitakian’izy ireo momba ilay fanomezana vatsim-bola (versement) sy ny fanondrotam-boninahitra ireto mpiraki-draharaha ireto.
Efa any am-ponja miandry ny fitsarana azy ankehitriny ilay tovolahy 23 taona, tratra nanendaka findaina vehivavy iray teny Ankerana ny faran’ny herinandro teo. Raha tsiahivina, teo am-piantsoana an-tariby ny tany an-tokantranony ilay vehivavy no voasintona finday. Nikiakiaka niantso vonjy mafy izy ka nivoaka nanampy azy avokoa ny manodidina, izay saika nanao fitsaram-bahoaka tamin’ilay mpanendaka mihitsy izay marihina fa nandeha nitsoaka tany an-tanimbary.
Miankina betsaka amin’ny taona, ny sata fanambadiana ary ny isan’ny ankizy ny fanarahana fandrindrana fiainam-pianakaviana eto Madagasikara. Misafidy ny fanabeazana aizana fohy ezaka kosa anefa ny 86%-n’ny vehivavy Malagasy amin’ny ankapobeny, indrindra ireo latsaky ny 35 taona, araka ny antontanisa
SOSIALY
25 taona aty aoriana, mbola ao hatrany ny maha manala azy ny hetsika Manala azy vita bacc an’i Olombelo Ricky izay ho atao ao Antsahamanitra ny harivan’ny 27 jolay izao. Raha tsiahivina moa ny tantaran’ity hetsika ara-java-kanton’ity andrarezin’ny mozika iray ity dia resaka fanalana hamohamo noho ny tsy fisian-katao vita bakalorea no nahatonga ny manala azy vita bacc.
Ao anatin’ny lalao fifanintsanana ahazoana ny tapakila hankanesana any Kenia amin’ny taona 2018 amin’ilay fifaninanana iraisam-pirenena eo amin’ny taranja baolina kitra, sokajy tsy matihanina na Chan 2018 dia ho fantatra anio izany ireo 18 mirahalahy voafantina farany hihaona amin’ny ekipam-pirenen’i Mozambika rahampitso. Omaly moa dia nisy ny lalao fitsapana nifanaovan’ny Barea tamin’ny klioban’ny AS Adema ary tsy maintsy hisy 7 mirahalahy halana an-daharana anio.
Rehefa nohidiana sy tsy nahazo notsidihana nandritry ny 2 taona mahery nanomboka ny 11 aprily 2015 teo ny tranombakok’Andafiavaratra dia hiverina hisokatra indray izany ato ho ato, hoy ny tompon’andraikitra. Vita tanteraka ny famerenana amin’ny laoniny ireo tsy maintsy namboarina, raha ny fanazavana, ary dia andrasana ny fiverenan’ny fisokafana.
Eris Rabedaoro, nianatra manokana momba ireo raokandro Malagasy, toy ny sikidy sy ny fanandroana ary ireo karazan-java-maniry fiaro, toy ny Mandravasarotra sy ny fanalaloza dia nilaza fa tsy voatery ho asan’ny maizina daholo akory izay fikarohan’ireo ntaolontsika. Efa nitsabo ny fianakaviako tamin’ireo fahaizantsika ireo ny tenako, hoy izy, ary dia nahasitrana soa aman-tsara izany. Etsy amin’ny Cite etsy Ambatonakanga moa no ahafahana mahita ireo boky nosoratany mikasika izany.
Tsy manana afa-tsy ny teny isika, hoy ny mpandinika Tsilavina Ralaindimby ahafahana mampandroso ity firenena ity. ny kolontsaina kosa, hoy hatrany ny teniny, no basy ahafahana mampiroborobo izany. Efa voaporofo fa mora ny mianatra ny tenin’ny hafa amin’ny alalan’ny tenin-dreny, hoy hatrany izy.
Nahatsiaro manokana ireo fianakaviana mpatory an-dalana eto an-drenivohitra Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina, vadin’ny filoham-pirenena amin’izao vanim-potoanan’ny hatsiaka izao. Raha araka ny fanadihadiana natao mantsy dia maro amin’ireny mpatory an-dalana ireny no mamoy ny ainy tsy fidiny noho ny hatsiaka miampy ny tsy fihinanana sakafo ara-dalàna. Mba ho fanampiana azy ireny dia olona 280 isa no notolorany lamba firakotra, hetsika nanomboka teny Ampefiloha ka hatreny ambany tonelina Analakely.
Mpivady antitra roa no nahazo fanampiana avy amin’ny Tanora HVM tany amin’ny distrikan’i Moramanga. Mpivady manodidina ny 70 taona sy 80 taona izy ireo izay mandeha dia an-tongotra 20 km isan’andro mba hitady hazo hamidy. Notoloran’ny fikambanana lamba firakotra sy vola hamidy sakafo sy hofantrano izy ireo.
Manararaotra ireo tantsaha mpamokatra any amin’iny lalam-pirenena voalohany iny ireo miaramila any an-toerana. Mitety trano mihitsy mantsy izy ireo maka vokatra toy ny vary sy mangahazo nefa rehefa tonga ny dahalo tsy misy manampy izy ireo. Anisan’ny nahazoana fitarainana ireo mponina ao amin’ny fokontany Ampasipotsy.
Tsy misy trano azo hofaina intsony ao an-drenivohitr’i Boeny noho ny hamaroan’ireo mpiala sasatra. Tafiditra ao anatin’izany ny fiangonana sy ny sekoly ambaratonga fototra raha tsy mandray intsony ireo trano fandraisam-bahiny. Manararaotra mampiakatra vidin’entana avokoa noho izany ireo mpivarotra any an-toerana, antony mahatonga ny kapoakan’ny tsaramaso hahatratra hatrany amin’ny 1200 Ar.