45 taona katroka ny 13 mey 72. Anisan’ny notakina tamin’izany ny « fanagasiana »: fampianarana, fitondram-panjakana, fiaraha-miasa amin’ny vahiny… Teo koa ny amin’ny fanovana rafi-panjakana sy fitondrana… tsy mbola tanteraka hatramin’izao. Tsiahy sy famakafakana…
Ny fitakian’ny mpianatra 500 teny amin’ny Sekoly mpianatra ho dokotera sy ho farmasianina (AEMP), Befelatanana, hitovy lenta amin’ny mpianatra ho dokotera teny amin’ny oniversite, Ankatso, no niandohan’ny « Raharaha 1972 ». Ny nisamborana ireo olona 371 nalefa sesitany tany Nosy Lava, ny 13 mey tamin’ny 1 ora maraina, no nampipoaka ny « 13 mey 1972« . Nirohotra teny amin’ny araben’ny Fahaleovantena, Analakely, manoloana ny lapan’ny Tanàna ny vahoaka, nitaky ny fampodiana azy ireo.
Namaly bontana izany ny Forces républicaines de sécurité (FRS): 34 na 40 mahery no maty tamin’ny fandravana ny hetsika. Lasa hetsi-bahoaka izany, niafara tamin’ny fitakiana ny fialan’ny fitondrana notarihin’ny filoha Tsiranana Philibert. Nandray ny fahefana ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel, ny 18 mey.
Nanomboka teo ny fidirana tamin’ny fitondrana Tetezamita, noferana ho dimy taona, nanaovana fitsapan-kevi-bahoaka ny 8 oktobra 1972. Nisy ny Zaikam-pirenena ny 4-19 septambra 1972. Tsy nampandraisina anjara mivantana tamin’izany ny antoko politika sy ny fikambanana, fa ny sokajin’olona avy amin’ny lafivalon’ny Nosy: tantsaha, mpianatra, mpiasa… Nofaritana tamin’izany ny rafi-panjakana sy fitantanana, ankoatra ny fitakiana ny « fanagasiana »: fampianarana, fitondram-panjakana, fiaraha-miasa amin’ny vahiny…
Indro aroso eto àry ny santionan’ny fehinkevitry ny Zaikabem-pirenena momba ny rafi-pitondrana, indrindra izay hita ho hafa sy miavaka. Hatramin’izao, maro ireo lafiny tsy notanterahina: mbola mahatonga ny fitakiana fanorenqna ifotony lava?
Fanorenana ifotony… araka ny hetahetam-bahoaka
Tena hetahetam-bahoaka, tsy nisy kajikajy sy paipaika politika mialoha ny fehinkevitry ny Zaikabem-pirenena. Tsy natao araka ny toerana sy toetra misy izay te ho filohan’ny Repoblika toy ny lalàmpanorenana ankehitriny, ohatra, izany.
Momba ny fe-potoana iasan’ny filohan’ny Repoblika sy ny fialany ary ny fanalana azy, ohatra: « Azon’ny vahoaka aongana izy, na tsy mahatapitra ny fe-potoana iasany aza, raha toa ka tsapan’ny mpanara-maso fa mihodina tsy ho amin’ny tsangan-kevitry ny vahoaka. Miala amin’ny toerany izy rehefa lanian’ny 2/3-n’ny Antenimierampirenena ny fanalana azy », hoy ny fehinkevitry ny Zaikabem-pirenena.
Tsy manana zo manokana ny filohan’ny Repoblika fa toy ny olon-drehetra, ka azo tsaraina ary melohina avy hatrany raha misy fahadisoana. Tsy manana andraikitra ao amin’ny governemanta izy, fa manao sonia ny didy hitsivolana sy ny fifanekena voasonian’ny lehiben’ny governemanta ary tsy mahazo manohitra ny governemanta amin’izany. Tsy manam-pahefana hanova lalàna izy, tsy manana fahefana amin’ny tafika.
« Ny karaman’ny mpiasam-panjakana ambony indrindra tataovana 10% no karamany; ao anatin’io ny fanampin-karama », hoy ny fehinkevitry ny Zaikabem-pirenena. Foanana ny fisotroan-dronono amin’ny maha filohan’ny Repoblika azy. Foanana ny tombontsoa manokana, afa-tsy izay mikasika ny fanatanterahana ny asany.
Azo lazaina fa tsy misy ny fivangongoam-pahefana eo amin’ny filohan’ny Repoblika, amin’izay fehinkevitry ny Zaikabem-pirenena izay.
Tsy maintsy voaofana ara-politika izay ho Praiminisitra
Ny fomba fifidianana ny lehiben’ny governemanta: « Fidian’ny Antenimierampirenena izy (…) Tsy maintsy olona voaofana ara-politika sy manam-pahaizana », hoy ny fehinkevitry ny Zaikabem-pirenena. Miala amin’ny antokony izy raha voatendry ho filohan’ny governemanta. Manao fianianana eo anatrehan’ny filohan’ny Repoblika sy ny Antenimierampirenena izy alohan’ny handraisany asany.
Dimy taona ny fe-taona iasany. Miara-miala amin’ny Antenimierampirenena izy, tsy mahazo manao fe-taona iasany intelo misesy. Azon’ny Antenimierampirenena angatahina ny fialany amin’ny alalan’ny latsabatom-pitokisana. Miongana avy hatrany ny lehiben’ny governemanta, raha toa ka nahavita heloka hanamelohan’ny fitsarana azy.
Ny andraikiny: « Mitantana ny politika hitondrana ny firenena araka ny hevitry ny vahoaka, noho izany dia tomponandraikitra eo anatrehan’ny vahoaka sy ny Antenimierampirenena. »
Tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka sy ny Antenimierempirenena izany no ataony sy mibaiko azy, fa tsy any amin’ny filohan’ny Repoblika.
Mitarika ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra izy, manendry ny mpiasam-panjakana ambony, manendry ny olona ho ambasadaoro, araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra.
Ny karaman’ny mpiasam-panjakana ambony indrindra tataovana 5% no karamany. Tsy hisy tombontsoa isan-karazany toy ny tambin-karama sy ny fisotroan-dronono amin’ny maha lehiben’ny governemanta azy.
Folo raha betsaka indrindra ny minisitra
« Folo raha betsaka indrindra, ka ny iray miandraikitra ny fiarovam-pirenena », hoy ny fehinkevitra. Atao eo anatrehan’ny inspektoram-panjakana ny famindram-pahefan’ny minisitra. Ny karaman’ny mpiasam-panjakana ambony indrindra tataovana 2,5% no karaman’ny minisitra. Foanana avokoa ny tombontsoa.
Ny amin’ny Antenimierampirenena, mirodana avy hatrany izany raha mametra-pialana ny ampahatelon’ny solombavambahoaka. Raha tsy mahatratra roa ampahatelon’ny solombavambahoaka no tonga amin’ny fivoriana indroa misesy, mirodana ny Antenimierampirenena.
Mahazo mangataka ny fanoloana ny solombavambahoaka hitany fa tsy miasa ara-dalàna ny 60%-n’ny vahoaka ao amin’ny faritany nifidy azy. Azon’ilay solombavambahoaka atao ny mandinika tsara ny fanakianana azy.
Tena hiasa izany no hidirana sy hitoerana ao amin’ny Antenimierampirenena, fa tsy ady sy fiarovana tombontsoa.
Avoaka amin’ny teny malagasy ny fanapahan-kevitry ny HCC
Ny amin’ny Filankevitra ambony momba ny andrimpanjakana na ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) raha ny amin’izao fotoana izao: dimy no isan’ny olona ao aminy.
Fidin’ny Antenimieram-paritany amin’ireo manana fahaizana manokana momba ny lalàna atolotry ny fikambanan’ny mpitsara.
Manana fahefana feno ary tsy mandray baiko na avy amin’iza na avy amin’iza izy. Tsy mirona amin’ny antoko politika atsy na aroa. Ny fanapahan-keviny dia avoakany amin’ny teny malagasy. Izay karama farany ambony amin’ny mpiasam-panjakana no raisiny.
Aiza ho aiza amin’ireo ohatra voatanisa ireo ny amin’izao fotoana izao?
Miverimberina ny krizy fa tsy araka ny hetahetam-bahoaka ny fanjakana mijoro
Izany rehetra izany, tsy nisy notanterahina no anisan’ny mbola mampiverimberina ny krizy politika? Tsy arakaraka izay tena hetahetam-bahoaka ny rafi-panjakana nifandimby. Nanao izay saim-pantany tamin’izay nahametimety azy, ohatra, ny filoha Ratsiraka tamin’ny fampandaniana miaraka ny lalàmpanorenana sy ny Boky Mena ary ny tenany ho filohan’ny Repoblika, 21 desambra 1975.
Na nisy aza, ohatra, ny Fihaonambem-pirenena, marsa 1992, taorian’ny krizy 1991, ary ny Fihaonambem-pirenena, septambra 2010, taorian’ny krizy 2009: niova na novain’ny mpahay lalàna sy ny mpanao politika hatrany izay hoe hetahetam-bahoaka izay… voasoketa ho torapo. Eny, na hoe tsy azo ihodivirana aza, ohatra, ny fiovaovana sy ny fivoarana eran-tany eo amin’ny lafiny rafi-panjakana sy fitantanana: ny fironan-kevitra sosialisma, ohatra, na ny demokrasia… Teo koa ny tarazo amin’ny fakan-tahaka any ivelany, nolovaina tamin’ny mpanjanatany.
Izay rafi-panjakana sy fitantanana tsy araka ny tena hetahetam-bahoaka izay hatramin’izao no mbola mahatonga ny fitakiana ranolava ny amin’ny fanorenana ifotony? Manginy fotsiny ny amin’ny « fanagasiana »: fampianarana, fiaraha-miasa amin’ny vahiny…
R. Nd.