Mbola misy azo antenaina ve ny fanarenam-pirenena noho ny afitsoky ny mpitondra amin’izao fotoana izao? Maneho ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny Antoko miombona ezaka (Ame), Ramilina: « Tsy misy inona azo antenaina intsony amin’io fitondrana io ».
Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao?
Ramilina (-): Namanaman’ny tsy misy ivoahana aloha isika izao, raha ny olana mahazo. Efa tsy misy inona azo andrandraina amin’ny fitondrana. Tsy misy zavatra vita ange izy, afa-tsy ny manimba vahoaka. Nampanginina tanteraka, ohatra, ny « Raharaha Antsakabary ». Araka ny heno aza, ireo polisy nahavita ny raharaha tany no hanao famotorana. Ny dikan’izany, efa misy olona hosamborin-dry zareo holazaina fa nanao an’iny.
Any Port Berge, ohatra: nialan’ny vahoaka izao ny tanàna iray, satria tsy azo ivelomana intsony. Lasan’ny Sinoa avokoa ny tanin-dry zareo. Naka tanàna hafa any amin’ny distrikan’Antsohihy ireo mponina ireo. Ankoatra izay, voalazan’ny gazety fa mbola hisy Sinoa zato mpampiasa vola indray, hono, ho tonga atsy ho atsy. Ny dikan’izany, tsy misy inona azo antenaina intsony amin’io fitondrana io: tsy miaro ny vahoaka.
* Aiza ho aiza ianareo mpanohitra amin’izany?
– Eo ny olana… Tsy haiko, maninona izahay mpanohitra no mangina avokoa? Raha ny tena marina, misy tsy manohitra ao anatin’izy io. Misy mpanohitra avy amin-dry zareo ery… Toa ireny aza no tena mafanafana fo. Mioko amin’ny tolona fotsiny izany ireny: mody manao tolona; avy eo, misy tsy fahombiazana, tsy misy sahy mitolona intsony.
Mitovy amin’ny nataon’ny jeneraly De Gaulle izany: izy no manomana ny fanonganam-panjakana hamelezana azy, izy koa no manomana ny fandosirany. Indroa na intelo izy no nanao an’izay, tsy nisy sahy nanongam-panjakana intsony.
Toy izay ny fahitana ny sasantsasany aminay mpitolona io. Mangina avokoa izay tena manam-paniriana hanavotra ny vahoaka. Ny vokatr’io amin’ny 2018, hisy ra mandriaka amin’izay i Madagasikara.
Tsy mahazo vato 10% amin’ny fifidianana ny fitondrana amin’izao. Araka ny fantapantatra, any ho any amin’ny 2,5% any… Nefa rehefa tonga ny fifidianana, tsy maintsy ho lany izy na tiantsika na tsia. Avy any ambony latabatra no hiainga ny voka-pifidianana. Raha vao tsy manaiky an’izay ny sasany, ho avy amin’izay indray ny ra mandriaka.
* Inona izany no tena olana?
– Tsy hiala ny mpitondra; ny mpanohitra, tsy ampy hetsika. Izay no olana. Ho hita eo ihany ny atsy ho atsy. Raha ny tena marina, fahavalom-pirenena no mitondra antsika izao. Mitady olona hanavotra ny firenena isika.
Efa tena tsy izy intsony, satria ny fitondrana no miady amin’ny vahoaka izao: miady amin’ny olona sahirana, fa tsy miady amin’ny fahasahiranana. Raha mbola io fanjakana io no eo: na inona na inona hevitra aroso, maty isika. Efa tena tsy zaka ny fiainam-bahoaka: firy ny matimaty foana? Tsy ahoany. Miaro ny azy ny vahiny.
* Inona ny tena vahaolana amin’izao toe-draharaha izao, raha izany?
– Izay no mahatonga anay hilaza hoe: tsy maintsy atao izao ny tolona. Mba hiara-mitantana ny fanatanterahana ny fifidianana. Izay no tena vahaolana amin’io. Raha izy ihany no hikarakara fifidianana eo: efa lany, na tsy hifidy aza ny olona. Raha mbola misy fitiavan-tanindrazana, tsy maintsy arodana io.
Raha mijery lavidavitra isika, tsy vahaolana ny fanamboarana governemanta farany teo. Tsy ny mpanampy mpamily no olantsika, fa ny mpamily. Na injato na inarivo aza no manolo Praiminisitra sy minisitra, tsy hitondra inona. Izay tsy manaiky ireny nesorina ireny.
Raha toy izao hatrany ny raharaha, miandry ra mandriaka isika amin’ny 2018. Satria fantatra fa tsy hanaiky izay voka-pifidianana eo ny kandidà sy ny vahoaka, hisy amin’izay ny fandripahana.
* Ahoana ny amin’ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana?
– Raha ny marina, tsy mbola misy lalàna ny amin’ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra. Tsy mampatahotra io. Na iza na iza mirotsa-kofidina eo, ny eo ihany no ho lany ary ho lafo i Madagasikara.
Raha ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, tokony hiaro ny vahoaka ao aminy ny fitondrana. Rehefa hitantsika ny nataon’ny Frantsay: roa fotsiny ny maty tany Sainte Marie, ohatra, voahozongozona haramin’ny minisitra eto amintsika, fa hoe tsy maintsy mazava amin-dry zareo ny momba an’iny raharaha iny.
Ny eto amintsika, ny anaty fitondrana no misy mandeha mangalatra omby, fa raha vao mihoatra ny folo ny omby very: ahina fa tsy maintsy misy manampahefana ao ambadika. « Basy Kalachnikov » be dia be, omby anjatony no very, mihorohoro ny mponina… Ny dikan’izany, ny miaro ny vahoaka no tena tokony hataon’ny mpitondra. Nefa izy indray no manenjika ny vahoaka. Tsy misy azo andrandraina…
Nangonin’i R. Nd.