Dihin’ny varika maneran-tany, andiany faha-5, natao teto Antananarivo, omaly. Nanairana indray ny mpiray tanindrazana rehetra ny maha harem-pirenena lehibe io biby io sy mampiavaka an’i Madagasikara. Nambaran’ny Pr Ratsimbazafy Jonah. « Mangataka andro iraisam-pirenena ho an’ny varika isika izao, fangatahana iarahan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika ; Fanabeazana ; Tontolo iainana, haivoary sy ala ; Kolontsaina, asa tanana sy fiarovana ny vakoka, miampy ny Unesco. Mitady mpiara-miombon’antoka koa isika hanohana izany », hoy ny Pr Ratsimbazafy Jonah, filohan’ny Gerp*.
Nambaran’ny filohan’ny Gerp fa mampiavaka antsika amin’izao tontolo izao ny fananantsika ny varika, rariny raha omen-danja sy arovana. « Io ny anisan’ny mahasarika ny mpizahatany ho avy eto, koa raha sanatria tsy voaaro, tsy ho tonga eto ny mpizahatany sy hikatona ireo hotely maro, maro ny ho very asa », hoy ny Pr Ratsimbazafy Jonah. Nomarihiny fa misy ny Vondron’olona ifotony (VOI) miaro azy ireny, saingy mbola eo ihany ireo maningana mamono ireo biby ireo sy mihinana azy. Ao koa ireo mbola manapotika ny ala, nefa tsy hita ny fampiharana ny lalàna.
Tsy sasatra mamerina ny filohan’ny Gerp fa ny omby, mbola itoviantsika amina firenena maro. “Ny ombintsika rahateo kely, raha oharina amin’ny firenen-kafa, miampy ny asan-dahalo sy ny kolikoly isan-karazany. Koa mangataka izahay hovaina varika ny famantarana ny zandarimaria. Ry zareo Frantsay manana ny Tour Eiffel ; ny Amerikanina, manana ny Statut de la Liberté ; ny Sinoa, manana ny Muraille de Chine ; isika manana varika izay tokony ho famantarana manokana an’i Madagasikara », hoy ihany ny Pr Ratsimbazafy Jonah.
R.Mathieu