Handray anjara mavitrika amin’ny fankalazana ny fanamarihan’ny antoko TIM miaraka amin’ny filoha Marc Ravalomanana eny Mahamasina amin’ny sabotsy 8 jolay izao ny KOMTIM
Mitombo hatrany ny vaovao mahakasika ny dosie Claudine Razaimamonjy. Fantatra koa ankehitriny fa noho izy no antony nanalàna ny praiminisitra Ravelonarivo teo amin’ny toerany tamin’ny taona 2016. Nanome baiko ny amin’ny hisamborana azy io tompon’andraikitra io tamin’izany fotoana saingy tsy nahavoa satria nitsoaka tao Iavoloha I Claudine. Volana vitsivitsy taorian’izay dia nesorina tamin’ny toerany izy.
Tsy maintsy miroso amin’ny fampiroboroboana orinasa vaventy (industrialization) isika, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana Alemanina FES raha tiana handroso ny firenena. Omaly, tetsy amin’ny hotely Colbert, dia nisy ny atrikasa fampahafantarana ny tetikasa izay efa novolavolaina nandritry ny 3 taona mikasika izay politika izay nanoloana ireo fahefana mpanao lalàna 2 tonta avy eo anivon’ny antenimieram-pirenena sy loholona. Andrasana, araka izany, ny fotoana hanolorana azy ity ho laniana eny anivon’ny parlemanta.
Dinihana ankehitriny ny famolavolana drafi-panitarana ny tanàn-dehibe eto Antananarivo sy ny manodidina. Tsy misy afa-tsy ny 27%n’ny faritra Antananarivo renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano ary Ambohidratrimo hatreto no misitraka io drafitra io. Hitombo avo 3 heny ny isan’ny mponina amin’ireo toerana ireo izay efa mihoatra ny 2,7 tapitrisa, araka ny tarehimarika farany navoakan’ny ivontoerana mikirakira ny antontanisa.
Mbola tsy nandoavana na iray volana monja aza ny karaman’ireo sefom-pokontany ao amin’ny faritra Anosy tamin’ity taona ity. Vao ny tokony ho naloa tamin’ny taon-dasa no voailika, hoy ny lehiben’ny faritra. Noho ny fahataran’ny fahatongavan’ny vola ao amin’ny kitapom-bolan’ny faritra no tena antony mahatonga izany fahatarana izany.Toy ny tamin’ny taona 2016 koa anefa dia tsy ampy hotsinjarana ho an’ireo sefo fokontany ny vola any an-toerana koa ny vola avy amin’ny fanajkana ka tsy maintsy nanampy ny faritra.Lela-vola mitentina 12 tapitrisa Ariary no nanampina izany noho izany dia nilaza ny lehiben’ny faritra Anosy, Tanjaniaina Julio Pierrot fa tsy avy amin’ny fitanatanana ny faritra no mahatonga ny fahatarana fa noho ny fahataran’ny famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana foibe.
Firaisan-kina ho an’ny fanavotam-pirenena sy ny“Force de changement”dia samy vovonana politika milaza ho manohitra izao fitondrana izao avokoa ary milaza mamondrona ny hery fanoherana rehetra. Milaza hikononkonona fihetsiketsehana ihany koa izy ireo saingy mbola tsy taratra aloha hatreto hoe tahaka ny ahoana no ho fisehony ary hitondra mankaiza.
Zavontany ny mpitandro filaminana handrakotra ny manodidina an’I Mahamasina ny sabotsy izao ao anatin’ilay fankalazana ny faha 15 taonan’ny antoko politika Tiako I madagasikara, rah any fanazavana avy eo anivon’ny prefektiora tetsy Tsimbazaza omaly. Ny hetsiky ny mpitaky fahalalahana hiteny (MLE) ihany koa moa dia voalaza fa ho sakanana amin’ny zoma izao. Resaka fotsiny sisany maha tany demokratika, hoy ny mpanara-baovao.
Manoloana ny antsojay rehetra mihatra eo amin’ny tontolon’ny demokrasia eto amin’ny firenena ankehitriny dia tsy niverina tamin’ny teniny ny avy eo anivon’ny antoko Tiako I Madagasikara fa mbola milaza fa tsy hihemotra amin’ny hetsika ho ataon’izy ireo etsy Mahamasina. Maro moa no efa niandrandra fa ho averin’ny avy eo anivon’ny prefektiora ara-dalàna ny alalana amin’ny fanatanterahana ity fety kasaina ho atao etsy Mahamasina amin’ny sabotsy ity.
Tsy hihemotra ny Antoko Tim Antsirabe fa tsy maintsy ho avy eny Mahamasina mandritra ny fanamarihana ny faha-15 taona hatao eny Mahamasina ny sabotsy 8 jolay izao, hoy ny mpitarika azy ireo Rakotondrasoa Nicolas Parick. Kaominina 6 no efa nahitana solontena nisoratra anarana, ary tsy latsaky ny fiara 6 no efa vita famandrihana.
Malagasy no voatendry ho komiseran’ny raharaha ekonomika eo anivon’ny vondrona afrikana. Voafidy afak’omaly I Harrison Victor ary natao ny andron’io ihany ny fianianany. Ny fampiakarana ny lenta sy fampiroboroboana ara-ekonomika ny firenena izay mivondrona eo anivon’ny Vondrona Afrikana no tena handrasana aminy. Faharoa amin’ny Malagasy nahazo toerana ambony eto afrika izany izy taorian’I Ahmad izay filohan’ny CAF.
Navotsotra ny talata 4 jolay ny Tale Jeneraly lefitry ny Sandikan’ny tatsambo (SYGMMA) Ful- Soma Basola, izay nosamborina ny alahady 2 jolay lasa teo. Resaka fanalam-baraka sy fanohintohinana fitakiana sendikaly no isan’ny antony nisamborana azy.
TRANGAM-PIARAHAMONINA
Mitaraina ilay fianakaviana antandroy izay hita faty tetsy Soanierana ny asabotsy lasa teo. Ny antony dia tsy nisy taova intsony tao anatin’ilay razana taorian’ny fitiliana (autopsie) izay natao teo anivon’ny Hjra. Maivana ny razana rehefa nentina nody ary izany no nanaitra ny fianakaviana ka nitily ny tao anatiny. Teo no talanjona izy ireo fa hay efa taova marobe no tsy tao intsony. Milaza ny hametraka fitoriana izy ireo.
Nitifitifitra ny jiolahy nandritry ny fitsoahan’izy ireo rehefa avy nanafika toeram-pivarotana iray tao Faratsiho. Nasesiny aloha ny mpivarotra ary nahazoany vola an-hetsiny maro. Nahita izany ny fokonolona dia nanenjika ary teo no nanao tifitra variraraka ireo olon-dratsy. Raim-pianakaviana iray no maty tsy tsa-drano vokatr’izany.
SOSIALY
Nanomboka tamin'ny 10 ora maraina ka hatramin'nytamin'ny 01 ora tolakandro niantsoan’ny mpanjifa iray no tapaka ny jiro teny Anjanahary omaly raha ny fampitam-baovao avy teny an-toerana. Velon-taraina ireo mpanjifa manoloana izany satria manakorontana ny asa aman-draharaha izao toe-javatra izao. Maro mihitsy no mamoaka vava hoe sinema fotsiny ny fanoloana ny tale jeneraly sy ny fanambarana isan-karazany fa mivaha ny olana saingy resaka no betsaka.
79 ireo zaza natsangana tamin’iny taona 2016 iny, rah any tatitra azo avy eo anivon’ny minisiteran’ny mponina. Vahiny avokoa no nanangana ny 62 tamin’ireo.
Ahiana ho vao maika hiha mafy tsy misy toy izany ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo ao Manakara ao hatramin’ny volana septambra. Raha ny tarehimarika navoakan’ny sampandraharaha tomponandraikitra moa dia mety hitombo 50% mihitsy izany. Ny ao amin’ny distrikan’Ampanihy moa dia voalaza fa miandrandra fanampiana avy any ivelany sy ireo malala-tanana sisa.
Nitokona ny mpivarotra eo amin’ny parking eo amin’ny bazar kely ao Toamasina ary nitsioka kiririoka eraky ny tsena. Tsy Mankato ny fanesoran’ny kaominina azy ireo eo amin’ny toeram-pivarotany izy ireo izay nilaza fa mandoa pataty ara-dalàna ary koa hofan-tsena ary tsy vitan’izany fa ny kaominina ihany koa no nametraka azy ireo eo amin’ireo toerana ireo.
Hanome tombony manokana ireo ankizy tsy mba afaka manao vakansy amin’ity taona ity ireo Alliance Française miisa 29 manerana ny Nosy. Efa nisokatra ny tamin’ity herinandro ity ny trano famakiam-boky ho an’ny rehetra, tsy hifarana raha tsy amin’ny faran’ny volana Aogositra ho avy izao. Ny Alatsinainy sy ny Alakamisy ary ny Alahady ihany no tsy misokatra izy ireo.
Navotsotra omaly 4 jolay ny Tale Jeneraly lefitry ny Sandikan’ny tatsambo (SYGMMA) Ful- Soma Basola, izay nosamborina ny alahady 2 jolay lasa teo. Resaka fanalam-baraka sy fanohintohinana fitakiana sendikaly no isan’ny antony nisamborana azy.
TOEKARENA
Nitombo 10,90% ny mpitsidika ny valan-java-boaharim-pirenen’Isalo raha oharina amin’ny 6 volana voalohany tamin’ny taona 2016. Heverina ho mifanatsahana amin’ny fitombon’ny mponina maneran-tany ihany moa ny fitomboana, raha ny fanazavana.
Ireo mpandraharaha sy ny tantsaha Malagasy no omena tombontsoa amin’ny fametrahana ny zone industrielle agricole na ny fampiasam-bola amin’ny faritra enti-mamokatra eto Madagasikara. Ny Malagasy no tena hahazo vahana amin’izany noho izany, tsy hisy fanilihana na dia iray aza. Any amin’ireny faritra azo hambolena ireny ihany koa no mbola hametrahana ireo mpandraharaha vonona ny hampiasa vola eto madagasikara amin’izany. Nilaza ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana , Randrianaritiana Pierrot serge fa ho fampandrosona ny tontolo ambanivohitra sy ho fampivoArana ny sehatry ny fambolena eto madagasikara no antony nanaovan’ny fanjakaa ity ZIA ity.
Mbola miankin-doha tanteraka amin’ny fanafarana lafarinina avy any ivelany i Madagasikara hatramin’izao, hoy ny teo anivon’ny minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana. Manodidina ny 100.000 taonina isan-taona io entana vahiny miainga ao Egypta tonga eto amintsika io. Tsy mihoatra ny 25% kosa ny vokatra lafarinina vita avy eto an-toerana, araka ny fantatra.
Hotontosaina ao Ambovombe ny 10 hatramin’ny 12 jolay 2017 ny «Foire Volily Harea». Hasongadina mandritra io hetsika telo andro any an-toerana io ny tontolon’ny harena ankibon’ny tany, ny fiompiana, ny fambolena na koa ny sehatry ny jono mampiavaka ireo tantsaha mpamokatra any amin’ny faritra Androy sy Anosy.
Hanamarika ny roa andron’ny langosta manomboka anio ny tanànan’i Taolagnaro. Anton’ny hetsika ny fanomezana tosika ny tsenan’ity hazan-dranomasina any amin’ny faritra Anosy. Tsy afaka manjifa ny vokatra moa ny mponina any an-toerana noho ny fifehezan’ny vahiny sinoa io vokatra io, araka ny fitarainan’ireto farany.
FANDRIAMPAHALEMANA
Nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny fokontany Amparihitany, kaominina ambanivohitra Ankiranomena, distrakan’i Fenoarivobe ny alin’ny talata lasa teo. Araka ny vaoavao voaray dia omby maherin’ny 30 isa no lasan’ireo jiolahy raha lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana ny iray tamin’izy ireo. Tsy lavitry ny foibem-panadinana niatrehan’ireo mpiadina ny fanadinam-panjakana BEPC moa ity toerana nisy nanafika ity. Maro amin’ireo mpiadina no mipetraka ao amin’izany fokontany izany. Tsy nisy fiantraikany mivantana teo amin’ireo mpiadina any an-toerana anefa ny tranga saingy nisy fiantraikany ara-amoraly ihany, hoy ny mpanabe avy any an-toerana, Raherison Adele. Telo tamin’ireo mpiadina niatrika ny fanadinana no tsy tonga raha 84 no voasoratra anarana.
FAMPIANARANA
Feno avokoa ny voka-panadinana CEPE notanterahana ny 20 jona 2017 teo manerana ireo fari-piadidiam-pampianarana 114 eto Madagasikara. Niakatra ny taham-pahafahana mihoatra ny tamin’ny taom-pianarana 2016. Nahatratra 58,30% mantsy ny taona 2017 raha 51,26% ny tamin’ny taon-dasa. Nampivoatra io vokatra io ny fampiofanana tsy an-kiato ireo mpampianatra, araka ny tatitra navoakan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Nahatratra 9 924, ny mpiadina tsy tonga niatrika fanadinana araka ny tatitra voarain'ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena avy amina fari-piadidiam-pampianarana 89 amin'ireo 114 manerana ny nosy. Manome 4,32% amin'ny mpiadina ireo raha hatao ny kajikajy tsotsotra.
58,30% izany no taha-pahafaham-panadinana CEPE manerana ny nosy, raha ny tarehimarika nivoaka avy eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Sainte Marie kosa no nahitana taham-pahombiazana ambony indrindra satria nahatratra 92,70%.
Cisco Midongy kosa no nahitana taham-pahombiazana ambany indrindra satria 13,16% no hany kilonga afa-panadinana tao an-toerana. Asan-dahalo, tsy fanjarian-tsakafo, tsy fandriampahalemana isan-karazany moa dia samy manjaka any amin’ity faritra ity avokoa ka heverina ho antony lehibe nahatonga izao taha mampivarahontsana izao.
Afaka tapa-bolana no heverina fa hivoaka ny valim-panadinana Bepc, raha ny fanazavana azo farany. Efa manomboka ny fitsarana moa amin’izao fotoana izao ireo mpitsara. Aorian’ny fahavitan’ny fanadinanana BEPC, dia hontontosaina manomboka ny 10-jolay-13 jolay ny fanadinana hahazoana ny mari-pahaizana BEP (Brévet d'Eudes Professionel) ho an'ny taom-pianarana 2017.
FIFAMOIVOIZANA
Fiara marika Mazda miloko mena iray nivadika sy nidoboka tany ambany tetezan'Ambohimandroso (RN7) rehefa avy nidona tamin'ny arofanina, ka naharava ilay arofanina mihitsy omaly tokony ho tamin'ny 9 ora maraina. Resaka fandehanana mafy no voalaza fa anton'ny loza. Tsy nisy kosa ny aina nafoy.
Hasiam-panamboarana ny lalana mihazo ny petite vitesse eny Isotry mba tsy hifangaroan’ireo fiara mandeha mivoaka mihazo an’Itaosy sy ireo miditra mankany Tsaralalana sy Analakely. Ny herinandro teo no efa nanomboka ny asa ka anisan’ny tanjon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny hanalana fahasahirana ny mpampiasa lalana amin’ny fitohanana lavareny.
FAHASALAMANA
Miparitaka any amin’ny distrikan’i Maevatanàna amin’izao fotoana izao ireo fanafody tsy fantatra marina nefa misy soratra milaza fa mahasitrana aretina maro. Misy karazany maro izy ireny toy ny vovony sy ny ranony ary koa ny menaka izay ahiana hamono olona maro any amin’ity distrika iray ity. Tsy vitsy amin’ireo mponina any an-toerana noho izany no voasarika hividy izany karazam-panafody izany nefa manatona tobim-pitsaboana ihany rehefa tena voa mafy.
Hotanterahina manomboka anio alakamisy 06 jolay etsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely ilay hetsika fitsaboana maimaimpoana karakarain’ny Kis Madagascar sy ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Hatreto dia olona an’arivony no efa nahazo sy nizarana ilay tapakila mifandraika amin’izany, ka anisan’ny tena be mpisafidy ny fitiliana ny aretina diabeta.
FANATANJAHANTENA
Andrasana anio indray ny filaharana vaovao havoakan’ny FIFA (Fédération Internationale de Football Association) eo amin’ny taranja baolina kitra. Antenaina ny fisondrotry ny laharan’ny ekipam-pirenena Malagasy taorian’ireo vokatra tsara nobatainy farany. Mitana ny toerana faha-97 miaraka amin’ny isa 341 moa ny Barea tamin’ny filaharana nivoaka ny voalohan’ny volana jona 2017 teo.