Les actualités Malgaches du Dimanche 03 Février 2019

Modifier la date
Ino Vaovao0 partages

FAKANA FITAOVAM-PANJAKANA AN-TSOKOSOKO : Nidoboka eny Antanimora i Hugues Ratsiferana

Tsy hisy intsony tsy matimanota. Ny faran’ny herinandro lasa teo iny no niakatra fampanoavana, tetsy amin’ny tribonaly Anosy ilay raharaha an’i Hugues Ratsiferana. Ity farany dia olona manana ny maha izy azy tanteraka sady efa nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena. Mpanolotsaina manokan’ny Filoha teo aloha, Hery Rajaonari-mampianina ny tenany ary anisan’ny lohadohan’ny mpisorona eo anivon’ny antoko Hvm.

Ankoatra izay, izy ihany koa no solontena maharitry ny vondrona iraisam-pirenen’ ny firenena mampiasa manontolo na ampahany ny Teny frantsay, tale jeneralin’ny AMTP ary efa tale jeneralin’ny orinasa Air Madagascar ihany koa no mpanamory fiaramanidina. Herinandro vitsy lasa izay no nahatratrarana an’i Hugues Ratsiferana namoaka an-tsokosoko ireo fananana sy fitaovam-panjakana, izay tao amin’ ny birao fiasany teny amin’ny lapam-panjakana eny Ambohitsorohitra. Rehefa tafavoaka tao an-dapa ireo fitaovana marobe ireo dia notateriny nankany an-tranony. Tsy vitan’izay fa nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny mpitandro filaminana tao amin’ny trano fonenany dia mbola tra-tehaka tao ihany koa ireo fitaovam-piasana an’ny fanjakana maro toy ny solosaina, latabatra izay sokajiana ho tafiditra ao anatin’ny halatra bevava. 

Nosamborin’ny mpitandro filaminana avy hatrany i Hugues Ratsiferana ary nisy ny famotorana sy ny fakana am-bavany natao azy niarahan’ilay sampana mpanao fanadihadiana  ikambanan’ny zandary sy ny polisim-pirenena. Niakatra fampanoavana ny raharaha taorian’izay. Ity mpanolotsain’ny Filoha teo aloha sy ilay olona niray tsikombakomba taminy tamin’ny famoahana ilay birao teny Ambohitsorohitra no nohainoan’ny fitsarana nandritra ny ora maromaroa. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora izy ireo mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy ireo. 

Ny 12 febroary ho avy izao no fantatra fa hiverina hiakatra eo anoloan’ny fampanoavana indray ny raharaha. Ankoatra ny fakàna an-tsokosoko ny fananam-panjakana izay anisan’ny vesatra hiampangana azy voalohany dia voalaza fa mbola ao ihany koa ireo raharaha hafa hanenjehana ity farany, araka ny loharanom-baovao voaray. Andrasana indray araka izany izay didim-pitsarana havoakan’ny fitsarana  amin’io faha-12 febroary io.

Avotra Isaorana

Ino Vaovao0 partages

FANENDAHANA MOTO : Ravan’ny Fip ireo andian-jiolahy ao amin’ny “Bande des 12”

Miezaka isan’andro izy ireo hamerenana ny filaminana ao an-drenivohitr’i Betsimi-saraka. Araka ny fanazavana nentin’ny Kaomandin’ny Fip Toamasina, dia naharay fitarinana maro dia maro avy tamin’ny mponina eny amin’ny faritra Barikadimy ka hatrany Tanandava izy ireo fa misy andian-jiolahy mitondra anarana  “Bande des douze” mampihoro-horo fatratra. Fanendahana, halatra moto, harom-paosy, vaky trano, fandrahonana ho faty dia samy ataon’ireo andian-jiolahy ireto avokoa. Ny lehibeny izay antsoina hoe Rajakoba Daniel fantatry ny mponina eny an-toerana amin’ny anarana hoe Western.

Ny alin’ny sabotsy 2 febroary hifoha ny alahady 3 febroary, dia nisy hetsika manokana nataon’ny Fip. Teo am-panaovana asa ratsy no nifanenjehana ny “Bande des 12” izay tarihin’i Daniel Rajakoba.

Tonga hatrany an-tanimbary eny amin’ny faritra Tanandava iny ny fanenjehana. Nanomboka tamin’ ny 1 ora maraina hatramin’ny 6 ora maraina ny fanenjehana. Valo tamin’ ireo ekipan’ny bande des 12 no voasambotra : Ginot na i Dida, Rivaldo na i Valdo, Joel na Miry, Zo na Popo, Raissa na Resa, Justin na Dada, Gilbert na Dadakely ary i Daniel na Western. Mbola sarona tamin’izy ireo ny antsy lavalela iray, basy poleta kilalao ary moto halatra miisa roa.

Misy ny antso avo ataon’ny Kaomandin’ny Fip Toamasina, kaomisera Rafaliarivo Jules ho an’izay very moto mba ho tonga hanamarina ireo moto halatra ireo ao amin’ny biraon’ny Fip Ankirihiry. Mitondrà taratasy fanamarinana. Manao antso avo amin’ireo olona mety voaendaka teny amin’ny faritra Barikadimy, Tanandava, Tsaraho-nenana, Tsarakofafa, Mangarivotra, ihany koa ny tenany mba hametraka fitoriana. Ireo faritra ireo mantsy no tena anaovan’ny bande des 12 asa ratsy. Raha ampy ny vesatra ataontsika vahoaka dia manampy ny fitsarana isika amin’ny fanomezana sazy sahaza ho azy ireo, hoy hatrany ny Kaomisera Rafaliarivo Jules.

Raha izao vokatra izao, dia azo ambara fa ny tambazotran’ny halatra moto ao Toamasina sy Toamasina II mihitsy no rava. Tonga hatrany Toamasina an-tampon-tanàna mantsy ny “bande des 12” amin’ny halatra moto ataony. Moto marika RS no tena lasibatra amin’izany.

Kamy

Ino Vaovao0 partages

ANTSIRANANA : May kilan’ny afo ny birao fiasan’ny talem-paritry ny Fananan-tany

Araka ny vaovao voaray dia ny mety fifampilasohan’ny herinaratra tao amin’ny efitra ao ambony rihana no niandohan’ny afo ary niitatra nidina tao ambany.Ny olona tamin’ny manodidina no niantso ny mpamonjy voina sy nampilaza teo anivon’ny Jirama mba hanapaka haingana ny herinaratra. Araka izany, fotoana vitsy taty aoriana dia tonga ny mpamonjy voina avy tamin’ny kaominina. Niezaka ny namono ny afo tao anatin’ny adiny roa izy ireo nefa tsy nahavoafehy izany, ka niantso vonjy haingana teo anivon’ny mpamonjy voina teo anivon’ny Adema, ka tonga indray ny kamiao lehibe mpamonjy voina an’ny Adema namono ny afo. Nanampy tamin’ny fifehezana ny afo ny filatsahan’ny orana tampoka.

Tandrify andro tsy fiasana no nitrangan’ny loza. Haingana ny fampitam-baovao ka tonga teo an-toerana avokoa ireo mpiasan’ ny fananantany mifanila amin’io trano may io. Niara-nisalahy namoaka ireo fitaovana, antontan-taratasy, armoire izay ahitana dosie maro ireo mpiaara-miasa. Araka izany dia tafavoaka avokoa ireo kojakoja ilaina amin’ny asa tao anatin’io birao io.

Tsara marihina fa tsy tandrify ilay trano ahitana biraon’ny resevera ny trano fametrahana tahiry no levon’ny afo io. Nandritra ny famonoana ny afo dia tazana teo an-toerana ihany koa ny ben’ny tanànan’ Antsiranana I, ny Prefe, ny Kaomisera ary ireo mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo-reg nandrindra ny filaminana. Vory marobe ny vahoaka tonga nijery ny voina.

Maro ireo mpanara-baovao miahiahy amin’ny fisian’ambadika amin’io firehetan’io trano io, ka andrasana araka izany ny fanadihadiana mahakasika izany. Marihina fa ny tao ambony rihana niandohan’ny afo dia tsy misy olona mipetraka fa ny ao ambany ihany no misy birao. Ho fantatra mian-dalana eo izay mety ho tohiny.

Mpanjono

Ino Vaovao0 partages

SERASERA SY FAMPAHALALAM-BAOVAO : Feno 10 taona ny Gazety “La verité”

Samy ao anatin’ny  Vondrona “Sodiat  » ny gazety «  La verité  » sy ny Gazety «  Ino Vaovao Faritra  ». Maro ny lalana nolalovana vao tonga amin’izao toerana misy azy izao ny gazety  «  La verité  ». Raha ny foiben-toerany fotsiny no  tsiahivina dia efa intelo niova izany. 

Teny am-piandohany dia teny Ivato no ivon-toeram-piasana tamin’izany ary efa nifindra tao Ankorondrano izy taorian’ izay. Ankehitriny kosa dia eto amin’ny «  Villa Pradon  » Antanimena no miorim-paka ny Gazety. Tanjona kendreny ny fanomezana fahafaham-po hatrany ny mpamaky sy ny fiezahana hampahafantatra ny zava-misy marina miseho eto amin’ny firenena. Telo ireo akanga sisa nanamborana nanorina ny gazety no mbola am-perinasa ankehitriny. Isan’izany filohan’ ny kômity mpitantana ny gazety, Rabarijhon Hery Mampionona sy ny Tonian’ny fanoratana, Rabearisoa Sandra ary ny mpanao gazety, Ramavo-nirina Patricia. Efa nankalazaina, hoy ny filohan’ny kômity mpitantana , ny laharana faha-1000 an’ny gazety, ka inoana fa tsy ho ela dia hankalazaina indray ny fivoahan’ny laharana faha-4 000 satria amin’ity anio ity no hivoaka ny laharana faha-3229. 

Nirary soa ho an’ny Gazety La Verité sy ireo rehetra tsy mikely soroka nampihodina ity orinasan-tserasera ny Filohan’ny flankevi-pitantanana Andrianasolo José, nandritra ity ny lanonana fanamarihana ny faha-10 taona ity. Isan’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Vondrona Sodiat nanome ny voninahitra ny lanonana ny Tale jeneraly Razanamparany Eric Maminirina, Tale mpandrindra ny vondrona Sodiat Ramatoa Razakasolo Herisoa, ny tale Mamy Rakotobe.

Ny Ami