Efa samy miketrika ny fiatrehana fifidianana izao… Hanao ahoana?Maneho ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny antoko Teza, Rakotoamboa Jean-Louis: « Karazana demokrasia misy eto: tsy azo iainana, tsy demokrasia akory fa izay mangala-bato no lasa eo amin’ny fitondrana. Tsy mety fa tsy maintsy ovaina izay. » Dinidinika, talohan’ny fandrafetana ny volavolana lalàm-pifidianana …
Gazety Taratra (*): Inona no heverin’ny Teza ho vahaolana amin’ny tontolo politika misaritaka be amin’izao fotoana izao?
Rakotoamboa Jean-Louis (-): Rehefa dinihina amin’ny saina tsy miangatra, olana ara-drafitra no misy eto amintsika amin’izao fotoana izao. Tsy mety ny rafi-pitantanana, rafi-pifehezana, rafi-pandaminana amin’ny firenena. Vokany, lasa miady an-trano amin’ny tsy misy dikany isika.
Raha te hanao izany demokrasia izany isika, tsy mety ny fototra sy ny rafitra ary ny fitsipika: voatery manao fifandimbiasam-pahefana an-keriny hatrany, ary tsy mandroso ny firenena fa tsy marin-toerana. Fototra demokratika ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana ary ny lalàna mifehy ny serasera.
Santionany iray amin’izany, ohatra, amin’io lalàmpanorenana kitoatoa be io: milaza amin’ny vahoaka ny fandaharanasany tiany hatao raha voafidy ny filoham-pirenena, tokony ho izy no manendry ny ekipany sy ny lehiben’ny ekipany. Nefa ny depiote indray no manolotra ny lehiben’ny governemanta hanatanteraka izany. Efa tsy mety izao izay. Voatery manangona sonia an-tsokosoko ny filoham-pirenena mba hahazoana manendry ny lehiben’ny governemanta.
Ohatra hafa, hatramin’ny Repoblika I ka hatramin’izao: hitantsika fa manana fomba ampiasana ny fahefam-panjakana ny eo amin’ny fitondrana, ary mangalatra ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana hahazoana misahana ny fifidianana rehetra. Atao haingon-tsehatra fotsiny ny sisa…
* Fa manao ahoana ny enti-manana amin’ny fiatrehana fifidianana?
– Mila any amin’ny 5 tapitrisa dolara ny antoko iray vao mahasahana an’i Madagasikara, amin’ny fanaovana fifidianana filohan’ny Repoblika. Any amin’ny 5 tapitrisa dolara avy raha hanao fifidianana depiote sy fifidianana ben’ny Tanàna. 15 tapitrisa dolara izany vao mahasahana ny fifidianana rehetra eto Madagasikara ny antoko iray. Tsy misy antoko manana an’izany eto. Izay eo amin’ny fitondrana afa-mangalatra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana no afa-manao izany.
Raha jerena amin’ny saina tsy miangatra, ny filohan’ny Repoblika: filoha faratampon’ny Foloalindahy, lehiben’ny mpanara-maso ny volam-panjakana… Ry zareo ihany no manao azy ao. Lasa mibanaka be ho azy ny fakana vola ao amin’ny kitapom-panjakana amin’ny fomba maro isan-karazany.
Tsy misy izany fanadihadiana parlemantera izany eto. Anarany fotsiny ny hoe manara-maso ny mpanatanteraka ny parlemantera. Tsy afa-manao inona izy raha ny tena marina, satria tsy manana ny enti-manana amin’izany.
* Tsy misy fanaraha-maso ny volam-panjakana ?
– Na ny fitsarana momba ny kaonty aza, mba nanao tatitra tamin’ity taona ity: resaka famalifaliana fotsiny. Manome lamandy no ataony, fa izay no ao anaty lalàmpanorenana sy ny lalàna fehizoro. Mibanaka be ho an’ny mpanatanteraka amin’izay fotoana izay ny volam-panjakana.
Afa-mangalatra ao izy amin’izany, afa-mampiasa ny fahefam-panjakana, afa-mampiasa ny fiaram-panjakana mandritra ny herintaona sy tapany ametrahany ny ambaindainy, afa-manery ankolaka ireo orinasa isan-karazany hanome vola hahazoana manao fifidianana… Haingon-tsehatra fotsiny ireo antoko politika hafa ety ivelany, mody asaina mirotsa-kofidina fa tsy ho voafidy mihitsy. Voatery misy ny fifandimbiasam-pahefana an-keriny.
Raha jerena izao ny fifidianana farany teo, nandrotsaka kandidà avokoa Ravalomanana, Rajoelina, Ratsiraka. Iarahantsika mahita ny vokany: haingon-tsehatra fotsiny… Manana depiote 21 Ravalomanana; Ratsiraka, tsy nahazo na iray aza. Tamin’ny fifidianana kaominaly, raha misy 1 700 ny ben’ny Tanàna eran’i Madagasikara: zara raha nahazo 300 na 400 ny fitambaran’ireo antoko hafa rehetra, fa lasan’ny eo amin’ny fitondrana avokoa.
Izany no karazana demokrasia misy eto: tsy azo iainana, tsy demokrasia akory fa izay mangalatra no lasa eo amin’ny fitondrana. Tsy mety fa tsy maintsy ovaina izay.
* Ahoana ny amin’ny lalàm-pifidianana?
– Toy izany koa ny lalàm-pifidianana… Tokony ho ny fokonolona no manao ny lisitry ny mpifidy. Miainga amin’ny kahien-drejistra izany. Manapaka farany ny lisi-pifidianana amin’ny fivoriambe ny fokonolona, fa tsy ny fanjakana.
Tsy tokony hisy intsony ny kara-pifidianana, fa homena fakan-tsary nomerika tsirairay avy ny kaominina 1 700 manerana an’i Madagasikara. Anjaran’ny kaominina ny mitety ny fokontany ao aminy mandritra ny roa volana, herinandro isaky ny fokontany: maka sary izay olona tokony hanana kara-panondro.
Amin’izay, manana izany avokoa ny eran’i Madagasikara ao anatin’ny enim-bolana. Iny kara-panondro iny no entina mifidy, fa tsy kara-pifidianana amboarina ary andaniam-bola amin’ny tsy misy dikany: omena na tsia ny mpifidy, arakaraka izay tiana hanaovana azy.
* Ahoana ny amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana amin’izany?
– Raha jerena koa, ohatra, ny amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana, ny endri-javatra ivelany no hitan’ny fiombonambe iraisam-pirenena: distrika dimy na folo no voajeriny. Any amin’ny fitrandrahana vato, ohatra, izay hahafahana manodinkodina ny raharaha momba ny fifidianana: tsy misy manara-maso. Any amin’ny fokontany sy ny kaominina lavitra be no tena amboarina ny isam-bato. Vokatr’izay, tsy mandeha amin’ny laoniny ny voka-pifidianana.
Ny vahaolana arosonay, omena fahalalahana koa ny fokonolona amin’izany: manendry olona azony antoka hiaro ny safidiny. Manara-maso sy manao fitanana an-tsoratra (PV) ireo olona ireo. Tsy maintsy raisina sy omen-danja ny PV ataony, rehefa manapaka sy mamoaka ny voka-pifidianana.
Raha misy toerana hita fa misy tsy mety, atao ny fanadihadiana: raha omena 15 taona an-tranomaizina amin’izay hita fa manao ny tsy mety amin’ny fanodinkodinana vato, tsy hisy intsony ny fanodinkodinana safidim-bahoaka.
Nangonin’i R. Nd.